Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Tantara 17:12 - DIEM PROTESTANTA

12 Izy no hanao trano ho Ahy, ary haoriko mafy mandrakizay ny sezafiandrianany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

12 Izy no hanao trano ho Ahy, ary Izaho kosa hampitoetra ny sezafiandrianany ho mandrakizay.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

12 Izy no hanao trano ho Ahy, ary haoriko mafy mandrakizay ny sezafiandrianany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

12 Izy no hanao trano ho Ahy, ary Izaho hanamafy ny fanjakany ho mandrakizay.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

12 dia io no hanao trano ho Ahy, ary Izaho kosa hampitoetra ny seza fiandrianany ho mandrakizay.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

12 dia io no hanao trano ho Ahy, ary Izaho kosa hampitoetra ny seza fiandrianany ho mandrakizay.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

12 Izy no hanao trano ho Ahy, ary Izaho kosa hampitoetra ny sezafiandrianany ho mandrakizay.

Jereo ny toko dika mitovy




1Tantara 17:12
21 Rohy Ifampitohizana  

Ary nandry feizay i Joda sy i Israely tamin’ny andro rehetra niainan’i Salômôna; fa samy niadam-pinaritra teo anivon’ny voalobony sy ny aviaviny ny olona hatreo Dana ka hatrany Beera-Seba.


saingy tsy ianao no hanorina izany, fa ny zanakao lahy haterakao. Izy no hanorina tempoly ho voninahitro.»


Ary rehefa tapitra ny andronao ka lasa any amin’ny razanao ianao, dia hatsangako handimby anao ny anankiray amin’ireo zanakalahy naterakao ka haoriko mafy ny fanjakany.


Izaho ho rainy, ary izy ho zanako; ka tsy hanesotra aminy na oviana na oviana ny fitiavako Aho tahaka ny nanesorako izany tamin’ilay mpanjaka talohanao.


Ka izao no teny navaliny anay: ‹Mpanompon’ilay Andriamanitry ny tany aman-danitra izahay; ary trano efa vita ela be ihany no amboarinay indray, fa mpanjaka lehibe anankiray tamin’i Israely no nanorina sy nahavita azy.


Ny lazan’ny mpanjaka anie ho mandrakizay ka hitatra hatrany eto ambany masoandro! Izy anie ho fitahiana ireo fokon’ny tany tontolo ka hataon’ny firenena rehetra hoe: «Sambatra!»


Hitahirizako mandrakizay ny fitiavako izy ary hitazonako izao fanekempihavanako izao:


Fa hoy Ianao hoe: «Nanaovako fanekempihavanana ilay voafidiko, dia i Davida mpanompoko izay nianianako hoe:


Hisy taranakao hajoroko ho mpanjaka hatrany hatrany; amin’ny taona rehetra ho avy no hanorenako ny fiandriananao.» Fiatoana


Namoaka didim-pitsarana ny Tompo ho fanoherana ny taranak’i Jakôba, ka ny fanjakan’i Israely no niharan’izany.


«Amin’ny andron’ireo mpanjaka ireo ilay Andriamanitry ny lanitra no hanangana fanjakana izay tsy ho rava na oviana na oviana; ary ny fiandrianany tsy ho lasan’ny firenen-kafa. Io fanjakana io no hanorotoro sy handevona ireo fanjakana rehetra talohany, fa izy kosa hitoetra mandrakizay.


Satria tsy maintsy manjaka i Kristy, ary hataon’Andriamanitra eo ambany tongotr’i Kristy avokoa ireo fahavalo rehetra.


satria ao amin’i Kristy, araka ny maha olombelona Azy, no mitoetra tanteraka ny hafenoan’ny fomban’Andriamanitra.


Dia nitsoka trompetra ny anjely fahafito, ka nisy feo mahery tany an-danitra nanao hoe: «Efa lasan’ny Tompontsika sy ilay Mesiany ny fanjakana amin’izao tontolo izao, ka ho fanjakana maharitra mandrakizay izany!»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra