I Sadôka zanak’i Akitoba sy i Akimeleka, zanak’i Abiatara, no mpisorona; i Saraiasa no mpanoratra;
1Tantara 16:39 - Baiboly Katolika Toy izany koa i Sadaoka mpisorona, mbamin’ireo mpisorona rahalahiny, teo anoloan’ny Fonenan’i Iaveh teo amin’ny fitoerana avo tao Gabaôna, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 I Zadoka mpisorona sy ny mpisorona rahalahiny dia navelany ho eo anoloan’ny tabernakelin’NY TOMPO teo amin’ny toerana fanaovana sorona any Gibeona. DIEM PROTESTANTA Ny adidy nankinin’i Davida tamin’i Tsadôka mpisorona sy ny mpisorona namany kosa dia ny raharaha teo anoloan’ny Tranolain’ny TOMPO izay tao amin’ny toeram-panasinana any Gibehôna. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny adidy nankinin’i Davida tamin’i Tsadôka mpisorona sy ny mpisorona namany kosa dia ny raharaha teo anoloan’ny Tranolain’ny TOMPO izay tao amin’ny toeram-panasinana any Gibehôna. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Zadoka mpisorona sy ny mpisorona rahalahiny dia navelany teo anoloan’ny tabernakelin’i Jehovah teo amin’ny fitoerana avo any Gibeona, Malagasy Bible Ary Zadoka mpisorona sy ny mpisorona rahalahiny dia navelany teo anoloan'ny tabernakelin'i Jehovah teo amin'ny fitoerana avo any Gibeona, La Bible en Malgache I Zadoka mpisorona sy ny mpisorona rahalahiny dia navelany ho eo anoloan’ny tabernakelin’NY TOMPO teo amin’ny toerana fanaovana sorona any Gibeona. |
I Sadôka zanak’i Akitoba sy i Akimeleka, zanak’i Abiatara, no mpisorona; i Saraiasa no mpanoratra;
Tsy mba nety nikambana tamin’i Adoniasa kosa i Sadôka mpisorona, i Banaiasa zanak’i Jôiadasa, i Natàna mpaminany, i Semeià, i Reia, mbamin’ny lehilahy maherin’i Davida.
Dia nankany Gabaôna i Salômôna hanao sorona, fa tany no fitoerana avo malaza. Sorona dorana arivo no nateriny teo ambonin’io ôtely io
Nantsoin’i Davida ny mpisorona Sadôka sy i Abiatara, ary ny Levita, i Oriela, i Asaiasa, i Joela, i Semeiàsa, i Eliala ary i Aminadaba.
Ilay tabernaklan’i Iaveh nataon’i Môizy tany an’efitra sy ny ôtelin’ny sorona dorana, dia teo amin’ny fitoerana avo tany Gabaôna fahizay.
Avy tao amin’ny fitoerana avo tao Gabaôna sy tao amin’ny trano lay fihaonana i Salômôna, dia nody tany Jerosalema, ary nanjaka tamin’i Israely.