1Tantara 16:35 - Baiboly Katolika Lazao hoe: ‹Vonjeo izahay, ry Andriamanitry ny famonjena anay! angony izahay ary tsoahy avy eo amin’ny firenena, mba hankalazanay ny Anaranao masina sy hanaovanay ho reharehanay ny fiderana Anao.› Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary mitenena hoe: Vonjeo izahay, ry Andriamanitry ny famonjena anay ô, angony izahay ka afaho amin’ny Jentilisa, mba hisaoranay ny anaranao masina ka ho reharehanay ny fiderana Anao! DIEM PROTESTANTA Lazao hoe: «Vonjeo izahay, ry Andriamanitra mpamonjy anay ô! Afaho avy any amin’ny hafa firenena izahay ka angony mba hideranay ny anaranao masina, sy hireharehanay amin’ny fankalazana Anao!» Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Lazao hoe: «Vonjeo izahay, ry Andriamanitra mpamonjy anay ô! Afaho avy any amin’ny hafa firenena izahay ka angony mba hideranay ny anaranao masina, sy hireharehanay amin’ny fankalazana Anao!» Baiboly Protestanta Malagasy Ary manaova hoe: Vonjeo izahay, ry Andriamanitry ny famonjena anay ô, Ary angony izahay, ka vonjeo tsy ho azon’ny jentilisa, Mba hisaoranay ny anaranao masina, Ka ho reharehanay ny fiderana Anao. Malagasy Bible Ary manaova hoe: Vonjeo izahay, ry Andriamanitry ny famonjena anay ô, ary angòny izahay, ka vonjeo tsy ho azon'ny jentilisa, Mba hisaoranay ny anaranao masina, ka ho reharehanay ny fiderana Anao. La Bible en Malgache Ary mitenena hoe: Vonjeo izahay, ry Andriamanitry ny famonjena anay ô, angony izahay ka afaho amin’ny Jentilisa, mba hisaoranay ny anaranao masina ka ho reharehanay ny fiderana Anao! |
Endrey! Hivoaka avy any Siôna anie ny famonjena an’i Israely. Rehefa hampodin’i Iaveh ireo nentiko babo amin’ny vahoakany, dia ho faly i Jakôba ary ho ravo i Israely!
Fa Ianao no manafaka anay amin’ny fahavalonay; sy mampahamenatra an’ireo mankahala anay.
Ho tera-kovitry ny tahotra tampoka izy ireo, tsy misy anefa izay tokony hatahorany, fa naelin’Andriamanitra ny taolan’izay nitoby hamely anao; nampahamenatra azy ianao satria efa narian’Andriamanitra izy.
Hohamarinina sy homem-boninahitra ao amin’i Iaveh avokoa, ny taranak’i Israely rehetra.
i Iaveh Andriamanitrao kosa hampody izay babo aminao sy hamindra fo aminao. Hangoniny avy amin’ny firenena nanelezan’i Iaveh anao indray ianao.
ary ianareo koa dia mirafeta eo amboniny, toy ny vato velona, mba hitsangana ho tempoly fanahy, ho mpisorona masina, ka hanolotra fanati-panahy ankasitrahin’Andriamanitra, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy.
Fa ianareo kosa dia taranaka voafidy, mpisorona manjaka, firenena masina, vahoaka navotana, mba hitorianareo ny hatsaran’Ilay niantso anareo hiala tamin’ny haizina, ho amin’ny fahazavany mahagaga: