Ary aoka hanandra-peo fifaliana ny hazo an’ala, eo anatrehan’i Iaveh fa avy hitsara ny tany Izy.
1Tantara 16:34 - Baiboly Katolika Miderà an’i Iaveh fa tsara Izy, fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Miderà NY TOMPO fa tsara Izy, fa mandrakizay ny famindrampony! DIEM PROTESTANTA Miderà ny TOMPO ianareo fa tsara Izy: Eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Miderà ny TOMPO ianareo fa tsara Izy: Eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany. Baiboly Protestanta Malagasy Miderà an’i Jehovah, fa tsara Izy: Fa mandrakizay ny famindrampony. Malagasy Bible Miderà an'i Jehovah, fa tsara Izy: Fa mandrakizay ny famindram-pony. La Bible en Malgache Miderà NY TOMPO fa tsara Izy, fa mandrakizay ny famindrampony! |
Ary aoka hanandra-peo fifaliana ny hazo an’ala, eo anatrehan’i Iaveh fa avy hitsara ny tany Izy.
Teo akaikin’ireo i Hemàna sy i Iditona mbamin’ny sisan’ireo voafidy sy voatonona anarana, hidera an’i Iaveh, fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony.
Raha efa izany, dia niara-nihevitra tamin’ny vahoaka izy, ka nanendry mpihira, hiakanjo fanamiana masina, handeha eo alohan’ny tafika, hankalaza an’i Iaveh amin’ny teny hoe: «Miderà an’i Iaveh fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony!»
nony niray feo hankalaza sy hidera an’i Iaveh ireo nitsoka ny trômpetra sy ireo nihira, ka nampaneno ny feon’ny trômpetra aman-kipantsona mbamin’ny zava-maneno ka nankalaza an’i Iaveh amin’ny teny hoe: «Fa tsara Izy, fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony», tamin’izay dia tonga feno rahona anankiray ny trano, dia ny tranon’i Iaveh.
Nahita ny nilatsahan’ny afo sy ny voninahitr’i Iaveh teo ambonin’ny trano ny zanak’i Israely rehetra, ka niankohoka tamin’ny tany tamin’ny lampivato, niankohoka nidera an’i Iaveh nanao hoe: «Fa tsara Izy, fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony.»
Dia nanao hira fiderana an’i Iaveh ireo: «Fa tsara fo Izy, ary maharitra mandrakizay ny famindram-pony amin’i Israely.» Ny vahoaka rehetra koa, indray nihoby an-kafaliana ho fiderana an’i Iaveh, fa nandatsaka ny fototry ny tranon’i Iaveh izy ireo.
Fa tsara i Iaveh, mandrakizay ny famindram-pony, ary maharitra amin’ny taona mifandimby ny fahamarinany.
Mankalazà an’i Iaveh, miantsoa ny Anarany; ampahafantaro eny amin’ny firenena ny asa lehibe nataony.
dia ho re indray ny feo fifaliana amam-peo firavoravoana, ny hiran’ny mpampakatra aman-kiran’ny ampakarina, ny feon’ireo manao hoe: «Miderà an’i Iavehn’ny tafika, fa tsara i Iaveh, ary maharitra mandrakizay ny famindram-pony»; ny feon’ireo tonga hanatitra sorona fisaorana ao an-tranon’i Iaveh. Fa hampodiko indray ireo babo avy amin’ity tany ity, mba ho tahaka ny tamin’ny voalohany indray izy ireo.