1Tantara 16:12 - Baiboly Katolika Tsarovy ny zava-mahatalanjona nataony, ny fahagagany sy ny fitsaràn’ny vavany, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Tsarovy ny asa mahagaga izay nataony, dia ny fahagagana nataony sy ny fitsaran’ny vavany, DIEM PROTESTANTA Ry taranak’i Israely mpanompony sady terak’i Jakôba voafidiny, tsarovy ny asa mahagaga nataony, dia ny zava-mahatalanjona vitany sy ny didim-pitsarana navoakany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ry taranak’i Israely mpanompony sady terak’i Jakôba voafidiny, tsarovy ny asa mahagaga nataony, dia ny zava-mahatalanjona vitany sy ny didim-pitsarana navoakany. Baiboly Protestanta Malagasy Mahatsiarova ny asa mahagaga izay nataony, Dia ny fahagagany sy ny fitsaran’ny vavany, Malagasy Bible Mahatsiarova ny asa mahagaga izay nataony, dia ny fahagagany sy ny fitsaran'ny vavany, La Bible en Malgache Tsarovy ny asa mahagaga izay nataony, dia ny fahagagana nataony sy ny fitsaran’ny vavany, |
Ny fanahiko torotoron’ny faniriana izay mampitodika azy lalandava any amin’ny didinao.
Fantatro, ry Iaveh, fa marina ny fitsarànao; tamin’ny fahamarinanao no nanetrenao ahy.
Mahitsy ny fandidian’i Iaveh, ka mahafaly ny fo; madio ny didin’i Iaveh, ka mampahazava ny maso.
Ary indray andro raha avy izay hanontanian’ny zanakao anao hilaza hoe: ‹Inona no hevitr’izao?› Dia hovalianao hoe: ‹Tamin’ny tanany mahery no namoahan’i Iaveh anay tany Ejipta, tamin’ny trano fanandevozana.
Dia hoy i Môizy tamin’ny vahoaka: «Tsarovinareo ny andro nivoahanareo tany Ejipta, tamin’ny trano fanandevozana, fa tamin’ny herin’ny tanany no namoahan’i Iaveh anareo tany. Tsy hatao ny mihina-mofo misy lalivay.
Endrey, lalina tsy manam-paharitana ny fahendrena amam-pahaizan’Andriamanitra, tsy azo fantarina ny fitsaràny, ary tsy takatry ny saina ny lalany!
Dia nisy hafa tao amin’ny ôtely reko nanao hoe: «Eny, ry Tompo, Andriamanitra tsitoha! marina sy ara-drariny ny fitsarànao.»
fa marina sy mahitsy ny fitsaràny, satria Izy nanameloka ilay Vehivavy janga malaza izay nandoto ny tany tamin’ny fijangajangany, sy namely an’io noho ny ran’ny mpanompony izay nalatsaky ny tanany.»