Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




1Tantara 15:14 - Baiboly Katolika

Dia nanamasin-tena ny mpisorona sy ny Levita, mba hampiakatra ny fiaran’i Iaveh Andriamanitr’i Israely.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia nanamasina ny tenany ny mpisorona sy ny levita mba hampiakatra ny vata misy ny faneken’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Dia nanao ny fomba fidiovana ny mpisorona sy ny levita mba hampakatra ny Vatamasin’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia nanao ny fomba fidiovana ny mpisorona sy ny levita mba hampakatra ny Vatamasin’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia nanamasina ny tenany ny mpisorona sy ny Levita hampakatra ny fiaran’i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia nanamasina ny tenany ny mpisorona sy ny Levita hampakatra ny fiaran'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia nanamasina ny tenany ny mpisorona sy ny levita mba hampiakatra ny vata misy ny faneken’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely.

Jereo ny toko



1Tantara 15:14
8 Rohy Ifampitohizana  

Ka hoy izy tamin’ireo: «Ianareo, loha fianakavian’ny Levita, hamasino ny tenanareo, dia ianareo sy ny rahalahinareo, ka ampiakaro ny fiaran’i Iaveh Andriamanitr’i Israely ho eo amin’ny fitoerana nomaniko ho azy.


Ary ny taranak’i Levì, dia nilanja ny fiaran’Andriamanitra tamin’ny baony, araka ny nandidian’i Môizy, araka ny tenin’i Iaveh.


Novorin’izy ireo ny rahalahiny, ary samy nanamasina ny tenany izy, dia tonga hanadio ny tranon’i Iaveh, araka ny didin’ny mpanjaka, sy noho ny tenin’i Iaveh.


Tsy nahendaka ny sorona dorana rehetra ny mpisorona, fa vitsy, ka dia nampian’ny Levita rahalahiny izy, mandra-pahavitan’ny raharaha sy mandra-panamàsin’ny mpisorona sasany ny tenany, fa narisika kokoa ny Levita noho ny mpisorona tamin’ny fanamasinana ny tenany.


Tamin’ny fotoana nivoahan’ny mpisorona avy tao amin’ny fitoerana masina, - fa ny mpisorona rehetra nanatrika teo dia samy nanamasina ny tenany avokoa fa tsy voatana ny filaharan’ny isan-tokony,


Rehefa avy nanadio ny tenany, ny mpisorona sy ny Levita, dia nanadio ny vahoaka sy ny vavahady ary ny manda koa.


Dia hoy i Môizy tamin’i Aarôna: «Efa voalazan’i Iaveh izany tamin’izy nanao hoe: Hohamasinina Aho ao amin’izay manakaiky Ahy, ary homem-boninahitra eo anatrehan’ny vahoaka rehetra.» Sina i Aarôna.