1Tantara 11:15 - Baiboly Katolika Nisy telo lahy tamin’ireo kapiteny telopolo lahy nidina nankany amin’i Davida teo amin’ny vatolampy, tany an-johin’i Odolama, ary ny tobin’ny Filistinina tamin’izay dia tafaorina tao amin’ny lohasahan’i Refaima. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nisy telo lahy malaza tamin’ny telopolo lahy nidina nankeo amin’ny vatolampy ho any amin’i Davida tao amin’ny zohin’i Adolama raha nitoby tao amin’ny lohasahan’ny Refaìta ny miaramilan’ny Filistina. DIEM PROTESTANTA Indray andro, dia nisy telo lahy anisan’ny «andian’ny telopolo lahy» nidina ho eny amin’i Davida teo amin’ny harambato akaikin’ny zohin’i Hadolama, fa nisy tafiky ny Filistinina nitoby tao an-dohasahan’ny Refaîta. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Indray andro, dia nisy telo lahy anisan’ny «andian’ny telopolo lahy» nidina ho eny amin’i Davida teo amin’ny harambato akaikin’ny zohin’i Hadolama, fa nisy tafiky ny Filistinina nitoby tao an-dohasahan’ny Refaîta. Baiboly Protestanta Malagasy Ary nisy telo lahy malaza tamin’ny telo-polo nidina nankeo amin’ny vatolampy ho any amin’i Davida tamin’ny zohin’i Adolama; ary ny miaramilan’ny Filistina nitoby tao amin’ny Lohasahan’ny Refaïta. Malagasy Bible Ary nisy telo lahy malaza tamin'ny telo-polo nidina nankeo amin'ny vatolampy ho any amin'i Davida tamin'ny zohin'i Adolama; ary ny miaramilan'ny Filistina nitoby tao amin'ny Lohasahan'ny Refaita. La Bible en Malgache Nisy telo lahy malaza tamin’ny telopolo lahy nidina nankeo amin’ny vatolampy ho any amin’i Davida tao amin’ny zohin’i Adolama raha nitoby tao amin’ny lohasahan’ny Refaìta ny miaramilan’ny Filistina. |
Lasa nankeo afovoan’ny saha izy ireo, niaro azy sy nandresy ny Filistinina, dia nanao famonjena lehibe i Iaveh.
i Samaiasa avy any Gabaôna, lehilahy mahery isan’ny telopolo lahy sy lehiben’ny telopolo lahy, i Jeremia, i Jeheziela, i Johanàna, i Jôzabada avy any Gederà;
Amin’izany dia ho toy ny raha manangona ny amboarany ny mpijinja, sy raha mitango ny salohim-bary ny tanany; ho tahaka ny raha manangona salohim-bary ny olona, eny amin’ny lohasahan-dRefaima.
Hitondrako mpandresy ianao, ry ikala mponina ao Maresà; ho lasana hatrany Odolama ny tabihan’i Israely.
Ary ny faritry ny tany niakatra eo amin’ny lohasahan’i Ben-Enôma, hatrany amin’ny kisolosolo atsimon’ny Jeboseanina, dia i Jerosalema; avy eo dia nisondrotra ny faritry ny tany hatrany an-tampon’ny tendrombohitra manandrify ny lohasaha Enôma eo andrefany, sy amin’ny faran’ny tany lemaky ny Refaima eo avaratra.
Niala teo i Davida ka nandositra tany amin’ny zohin’i Odolama. Nony nandre izany ny rahalahiny sy ny fianakavian-drainy rehetra, dia nidina nankany aminy koa.