Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




1Tantara 10:1 - Baiboly Katolika

Niady tamin’i Israely ny Filistinina ary nandositra teo anoloan’ny Filistinina ny lehilahy amin’i Israely, ka lavo teny an-tendrombohitra Jelbôe efa azon’ny ratra mahafaty.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Niady tamin’ny Israely ny Filistina. Ary nandositra teo anoloan’ny Filistina ny lehilahy amin’ny Israely ka niampatrampatra teny an-tendrombohitra Gilboa ny faty.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ary niady tamin’i Israely ny Filistinina; dia nandositra azy ny Israelita ka faty maro no nitsitsitra teny an-tendrombohitra Gilbôa.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ary niady tamin’i Israely ny Filistinina; dia nandositra azy ny Israelita ka faty maro no nitsitsitra teny an-tendrombohitra Gilbôa.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

ARY ny Filistina niady tamin’ny Isiraely, ary nandositra teo anoloan’ny Filistina ny lehilahy amin’ny Isiraely, ka niampatrampatra teny an-tendrombohitra Gilboa ny faty.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary ny Filistina niady tamin'ny Isiraely, ary nandositra teo anoloan'ny Filistina ny lehilahy amin'ny Isiraely, ka niampatrampatra teny an-tendrombohitra Gilboa ny faty.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Niady tamin’ny Israely ny Filistina. Ary nandositra teo anoloan’ny Filistina ny lehilahy amin’ny Israely ka niampatrampatra teny an-tendrombohitra Gilboa ny faty.

Jereo ny toko



1Tantara 10:1
9 Rohy Ifampitohizana  

Ianareo tendrombohitra Jelbôe, aza misy ando aman’orana intsony eo aminareo na saha fisantaram-bokatra! Fa teo no nahararaka an-tany ny ampingan’ny mahery.


Ary izao no navalin’ilay zatovo nilaza ny vaovao taminy: «Sendra tany an-tendrombohitra Jelbôe aho, no inty i Saola nitehina tamin’ny lefony teo, efa saika tratry ny kalesy sy mpitaingin-tsoavaly mihitsy;


ka lasa i Davida naka ny taolan’i Saola sy ny taolan’i Jônatasy zanany, tany amin’ny mponina tao Jabesa any Galaada, izay nanala azy tao amin’ny kianjan’i Betsàna, fony izy nahanton’ny Filistinina tao, nony avy nandresy an’i Saola tao Jelbôe ny Filistinina.


Ny ampitson’iny, tonga handroba ny zavatry ny maty ny Filistinina ka hitany niampatra teo an-tendrombohitra Jelbôe, i Saola sy ny zanany.


Nanan-janaka enin-dahy i Asela, ka ireto no anarany avy: Ezrikama, Bôkrao, Ismaela, Sarià, Obadià, ary Hanàna. Ireo no zanaka lahin’i Asela.


Tamin’izany andro izany nangonin’ny Filistinina ho tafika iray ihany ny antoko-miaramilany rehetra hiady amin’i Israely. Ka hoy i Akisa tamin’i Davida: «Fantaro fa ho avy miaraka amiko any an-toby ianao sy ny olonao».


Nony tafangona ny Filistinina dia tonga nitoby tao Sonama; ary i Israely rehetra novorin’i Saola ka nitoby tao Jelbôe.