Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Zakaria 9:16 - DIEM PROTESTANTA

16 Amin’izany andro izany ny vahoakany dia hovonjen’ny Tompo Andriamaniny, ka toy ny mpiandry mamonjy ny ondriny Izy; ary ho toy ny vaton-tsatroboninahitra no hamirapiratany eo amin’ny taniny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

16 Amin’izany andro izany NY TOMPO Andriamaniny dia hamonjy ny olony toy ny famonjy andian’ondry; fa ireny no vato eo amin’ny satroboninahitra, mamirapiratra eny amin’ny taniny.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

16 Amin’izany andro izany ny vahoakany dia hovonjen’ny Tompo Andriamaniny, ka toy ny mpiandry mamonjy ny ondriny Izy; ary ho toy ny vaton-tsatroboninahitra no hamirapiratany eo amin’ny taniny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

16 I Iaveh, Andriamaniny, no ho famonjena azy ireo, amin’izany andro izany; dia ho famonjena ny andian’ondry izay vahoakany; izy ireo ho toy ny vaton-tsatroboninahitra, hamirapiratra eo amin’ny taniny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

16 Ary hovonjen’i Jehovah Andriamaniny ireny amin’izany andro izany Toy ny olona izay ondriny; Fa ho toy ny vaton-tsatroboninahitra Mamirapiratra eny amin’ny taniny ireny.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

16 Ary hovonjen'i Jehovah Andriamaniny ireny amin'izany andro izany Toy ny olona izay ondriny; Fa ho toy ny vaton-tsatro-boninahitra Mamirapiratra eny amin'ny taniny ireny.

Jereo ny toko dika mitovy




Zakaria 9:16
25 Rohy Ifampitohizana  

Fantaro fa ny TOMPO no Andriamanitra; Izy no nanao antsika: ka Azy isika, vahoakany sady andian’ondry andrasany.


Hosoratana an-tsokitra eo amin’ny vatosoa tsirairay avy ny anaran’ireo zanakalahin’i Jakôba izay miisa 12; hatao toy ny fisokitra tombokase izany, ka ireo vato ireo no ho solotenan’ny foko israelita 12.


Avy eo dia halaina ny vato berila roa izay hanoratana an-tsokitra ny anaran’ireo zanakalahin’i Jakôba:


Indro ny Tompo ANDRIANANAHARY tonga amin-kery sady manana ny fahefana hanjaka. Ny vahoaka, hoentiny miaraka aminy, no ho karamany sady eo anoloany ho valin-kasasarany.


Hataoko vato robisa ny tilikambo madinika eny an-tampon’ny mandanao, hataoko vato kristaly ny vavahadinao ary hataoko vatosoa ny manda izay manodidina anao manontolo.


Hanatona hiondrika eo anatrehanao ireo olona nampahory anao, ary handohalika eo am-paladianao ireo rehetra naneso anao ka hiantso anao hoe: «Tanànan’ny TOMPO» «I Tsiôna-n’ilay Masin’i Israely.»


Ireo firenena hanatona ny fahazavanao ary ny mpanjaka ho voasariky ny famirapiratana izay vao miposaka eo aminao.


Eo an-tanan’ny TOMPO Andriamanitra dia ho tonga satroboninahitra mamirapiratra sy hanjary diademan’ny mpanjaka ianao.


«Koa Izaho ihany no hanangona ireo andian’ondry sisa velona avy any amin’ny tany rehetra izay nanapariahako azy. Haveriko ao amin’ny saha firaofany izy ka hitombo sy hihamaro.


Mihainoa ny tenin’ny TOMPO, ianareo firenen-kafa, ambarao any amin’ireo nosy lavitra any izany ka lazao hoe: «Nampiely an’i Israely ny Tompo; fa izao manangona azy Izy ary miambina azy tahaka ny ataon’ny mpiandry amin’ny andian’ondriny.»


Fa efa nanavotra ny olon’i Israely ny TOMPO ka nanafaka azy tamin’ireo mahery noho izy.


«Izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: Ny tenako mihitsy no hiandraikitra sy hikarakara ny andianondriko.


Himasoako ny hanangona azy tahaka izay ataon’ny mpiandry amin’ny andro iparitahan’ny ondry. Izaho handeha haka azy ireny any amin’ny toerana rehetra izay niparitahany tamin’ny andro mandrahona sy maizim-pito.


«Ianareo no olona, andian’ondry fiandriko, ary Izaho no Andriamanitrareo; teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.


izy no hitondra fiadanana! –Raha tonga hanafika ny tanintsika ny Asirianina ka hitsofoka hatraty an-dapantsika, dia hanangana mpitari-tafika marobe hamelezana azy isika.


TOMPO ô, ny tehinao no ento miandry ny vahoakanao, dia ny andianondry fanananao, izay mitoka-monina eo amin’ny tany be akata voahodidina saha mahavokatra; aoka izy handrasana any Basàna sy Gilehada tahaka ny tamin’ny andro taloha.


Amin’izany fotoana izany tokoa no hampodiako sy hamoriako anareo. Ho hitanareo fa hambiniko indray ianareo; homeko voninahitra sy laza ianareo any amin’ny firenena rehetra eto an-tany.»


Kanefa amin’izany andro izany, dia hotolorako andraikitra ianao, ry Zerobabela mpanompoko sady zanakalahin’i Sealtiela. Hataoko sarobidy toy ny peratra tombokase ianao, fa efa voafidiko hisolotena Ahy. Izany no fampanantenana hentitra avy amiko TOMPOn’izao rehetra izao.»


Hampahery ny taranak’i Joda Aho ary hamonjy ny taranak’i Jôsefa; dia haveriko amin’ny laoniny indray ireo, satria hanehoako famindrampo ka ho toy ny tsy nariako na oviana na oviana. Ary hamaly vavaka azy koa Aho, fa Izaho no Tompo Andriamaniny.


Amin’izay andro izay, hoy Izaho TOMPOn’izao rehetra izao, dia hisy vahiny folo izay samy hafa fiteny hihazona Jiosy iray amin’ny sisin’akanjony, ka hitambezo aminy hoe: ‹Mba te handeha hiaraka aminareo izahay, satria efa renay fa momba anareo Andriamanitra›.»


–Aza matahotra, ry andian’ondry vitsy, fa efa sitraky ny Ray homena anareo ny Fanjakany!


Ireo ondriko mihaino ny feoko: Izaho mahafantatra ny ondriko, ary izy manaraka Ahy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra