Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Zakaria 9:11 - DIEM PROTESTANTA

11 Dia hoy ny Tompo hoe: «Ny aminareo kosa, ry mponin’i Tsiôna, noho ianareo nanaovako fanekempihavanana izay nohamafisina tamin’ny ran-tsorona, no efa namoahako ny mpigadranao toy ny avy tao an-davaka tsisy rano.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

11 Ny aminao koa, noho ny ran’ny fanekena taminao no efa namoahako ny mpifatotra ao aminao avy tao an-davaka tsy misy rano.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

11 Dia hoy ny Tompo hoe: «Ny aminareo kosa, ry mponin’i Tsiôna, noho ianareo nanaovako fanekempihavanana izay nohamafisina tamin’ny ran-tsorona, no efa namoahako ny mpigadranao toy ny avy tao an-davaka tsisy rano.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

11 Ho anao koa, noho ny ran’ny fanekena taminao, no efa hamoahako ny mpifatotrao, avy ao an-davaka tsy misy rano.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

11 Ny aminao koa, noho ny ran’ny fanekena taminao No efa namoahako ny mpifatotrao avy tao an-davaka tsy misy rano.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

11 Ny aminao koa, noho ny ran'ny fanekena taminao No efa namoahako ny mpifatotrao avy tao an-davaka tsy misy rano.

Jereo ny toko dika mitovy




Zakaria 9:11
32 Rohy Ifampitohizana  

Ny amiko, hoentiko mankaiza moa ny henatro? Fa ianao koa dia ho tahaka ny iray amin’ny adala eto Israely. Mitenena re amin’ny mpanjaka fa tsy handa ny hanambadianao ahy izy.


Ny aminao kosa, raha mizotra eo anatrehako tahaka ny nizoran’i Davida rainao ianao, ka manao araka izay andidiako anao sy mitandrina ny didiko amam-dalànako,


mba hamerenany azy tsy ho any am-pasana sy hanazavany azy amin’ny fahazavan’ny velona.


Ry TOMPO Andriamanitro ô, niantso vonjy taminao aho ka dia nositraninao tokoa.


Niandry ny Tompo am-paharetana aho ka niondrehany ary nohenoiny taraina;


Hahita ny famonjena ahy ny ory ka ho faly. Ry mpitady an’Andriamanitra, ho ela velona anie ianareo!


Koa nalain’i Mosesy àry ny ra tao amin’ny lovia, dia nafafiny tamin’ny Israelita sady nataony hoe: –Ity ra ity no manamafy ny fanekempihavanana izay nataon’ny TOMPO taminareo fony Izy nanome ireo didy rehetra ireo ho anareo.


Hangonina ho ao an-davaka toy ny gadra avokoa ireny, ka hohidiana an-tranomaizina; ary rehefa ela ny ela, dia hiseho fitsarana izy rehetra.


ka indro ity vahoaka fa voaroba sy voasambotra: naiditra am-ponja avokoa izy rehetra ary nahiboka an-tranomaizina. Voaroba nefa tsy nisy namonjy, voasambotra nefa tsy nisy nanao hoe: «Avereno!»


Dia hampahiratra ny mason’ny jamba ianao, hamoaka ny gadra avy ao am-ponja, eny, hamoaka ireo mipetraka anaty haizina hialany amin’ny trano nihazonana azy.»


ka ny mpifatotra izay ao anaty haizina dia hitenenako hoe: ‹Mivoaha tao ianareo, misehoa.› Eny an-dalana eny izy dia hahazo sakafo, ka ho tahaka ny andiam-biby fiompy mirao-bilona amin’ny havoana rehetra.


Vetivety dia hoafahana ny gadra mitanondrika ka tsy ho faty ho any am-pasana ary tsy ho ory hanina intsony.


Noho ny ezakao, dia haorina indray ireo zavatra rava fahiny ary hatsangana indray ny fanorenana izay efa nilaozana hatry ny elabe; ary ianao dia hantsoina hoe: «Vahoaka mpamboatra ny manda simba sy mpamelona ny lalankely efa maty mba ho tsara honenana ao an-tanàna.»


Ny Fanahin’ny Tompo ANDRIANANAHARY no ato amiko, satria efa nanosotra ahy ny TOMPO ka naniraka ahy mba hitory ny Vaovao Mahafaly amin’ny malahelo, hanasitrana ny olona torotoro fo, hanambara fanafahana ho an’ireo babo sy famoahana ireo gadra avy ao am-ponja,


Dia nalain’ireo manamboninahitra efa-dahy ireo i Jeremià ka natsipiny tao amin’ny lavaka famorian-dranon’ny andriana Malkià; fa teo an-kianjan’ny trano fiambenana io lavaka io. Tady mahazaka no nandatsahany an’i Jeremià tao. Nefa tsy nisy rano tao fa fotaka ihany, koa nilentika tamin’ny fotaka i Jeremià.


Raha natory ianao, ry mpanjaka, dia lasan’eritreritra ny amin’izay hiseho rahatrizay; koa Ilay mampiseho ny zava-miafina dia nampahafantatra anao izay hiseho rahatrizay.


fa ny rako ity, dia ilay ra anorenan’Andriamanitra ny fanekempihavanany sady alatsaka ho an’ny besinimaro ho famelan-keloka.


dia hoy i Jesoa tamin’ny mpianany: –Ny rako ity, dia ilay ra anorenan’Andriamanitra ny fanekempihavanany sady alatsaka ho an’ny besinimaro.


Dia niantso izy nanao hoe: «Ry ikaky Abrahama ô, mamindrà fo amiko, iraho kely re i Lazara mba hanatsoboka ny loha fanondrony amin’ny rano hampangatsiatsiahany ny lelako, fa mijaly aho ato anaty lelafo ato.»


Ary noraisin’i Jesoa toy izany koa ny kalisy taorian’ny sakafo sady nataony hoe: –Ity kalisy ity dia ilay fanekempihavanana vaovao aorin’Andriamanitra amin’ny rako izay alatsaka ho anareo.]


«Ato amiko ny Fanahy avy amin’ny Tompo. Ka natokan’ny Tompo Aho hanambara Vaovao Mahafaly amin’ny mahantra; nirahiny Aho hitory fanafahana amin’ny mpigadra sy fahiratana amin’ny jamba, hanafaka ny ampahorîna


Taorian’ny sakafo, dia noraisiny toy izany koa ny kaopy masina sady nataony hoe: «Ity kaopy ity dia ilay fanekempihavanana vaovao, aorin’Andriamanitra amin’ny rako. Izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy, isaky ny misotro amin’ny kaopy masina ianareo.»


Fa ianao kosa, mijanona eto anilako ka holazaiko aminao ny didy sy lalàna amam-pitsipika rehetra izay hampianarinao azy mba hotanterahiny any amin’ny tany omeko azy ho fananany.»


Fa raha mba voadio tanteraka ho afaka tamin’ny otany tokoa ireo mpanao izany fanompoam-pivavahana izany, dia tsy hoenjehin’ny fieritreretany intsony, ka ho nitsahatra nanolotra sorona.


Hanao ahoana kosa àry izay manao tsinontsinona ilay Zanak’Andriamanitra sy mihevitra fa ny ra iorenan’ny Fanekempihavanana sady nanadiovana azy dia tsy misy hasiny ary maniratsira ny Fanahy Masina nandraisany fahasoavana? Hanao ahoana ny hamafin’ny fampijaliana heverinareo fa tokony hihatra aminy?


Andriamanitra dia efa nitondra an’i Jesoa Tompontsika hiala amin’ny fahafatesana, i Jesoa Tompontsika Izay Mpiandry lehibe miahy ny ondry noho ny ra nafoiny ho antoky ny Fanekempihavanana mandrakizay.


sy natsipiny tao amin’ny hantsambe. Dia nohidian’ilay anjely ny hantsambe ary nasiany tombokase teo amboniny, mba tsy hahazoan’ny dràgona mamitaka ireo firenena intsony mandra-pahatapitry ny arivo taona; fa tsy maintsy hovahana mandritra ny fotoana fohifohy izy aorian’izany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra