Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Zakaria 9:10 - DIEM PROTESTANTA

10 Hofoanany tsy ho ao Efraîma intsony ny kalesy ary tsy ho ao Jerosalema ny soavaly fitondra miady Hopotehiny ny tsipîkan’ady ary hilaza fiadanana amin’ny firenena Izy. Ny fifehezany dia hatreo amin’ny ranomasina iray ka hatrany amin’ny ranomasina iray hafa, ary hatreo amin’ny onin’i Eofrata ka hatrany am-paran’ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

10 Hofoanako tsy hisy kalesy fitondra miady intsony any Efraima, na soavaly any Jerosalema; hotapahiko koa ny tsipìka fiadiana. Hanambara fiadanana amin’ny Jentilisa Izy; ny fanapahany dia ho hatramin’ny ranomasina iray ka hatramin’ny ranomasina iray ary hatramin’ny ony Eofrata ka hatramin’ny faran’ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

10 Hofoanany tsy ho ao Efraîma intsony ny kalesy ary tsy ho ao Jerosalema ny soavaly fitondra miady Hopotehiny ny tsipîkan’ady ary hilaza fiadanana amin’ny firenena Izy. Ny fifehezany dia hatreo amin’ny ranomasina iray ka hatrany amin’ny ranomasina iray hafa, ary hatreo amin’ny onin’i Eofrata ka hatrany am-paran’ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

10 Hofoanako tsy hisy ny kalesy fiadiana any Efraima, mbamin’ny soavaly ao Jerosalema, ary hopotehina ny tsipìka fiadiana. Hilaza fiadanana amin’ny firenena izy; ny fanjakany dia hahatratra ny hatramin’ny ranomasina ka hatramin’ny ranomasina; ary hatramin’ny ony ka hatramin’ny faran’ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

10 Ary hofoanako tsy hisy kalesy intsony Efraima, Na soavaly any Jerosalema, Hofoanana koa ny tsipìka fiadiana, Ary hiteny fiadanana amin’ny jentilisa Izy; Ny fanapahany dia hatramin’ny ranomasina ka hatramin’ny ranomasina Ary hatramin’ny Ony ka hatramin’ny faran’ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

10 Ary hofoanako tsy hisy kalesy intsony Efraima, Na soavaly any Jerosalema, Hofoanana koa ny tsipìka fiadiana, Ary hiteny fiadanana amin'ny jentilisa Izy; Ny fanapahany dia hatramin'ny ranomasina ka hatramin'ny ranomasina Ary hatramin'ny Ony ka hatramin'ny faran'ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

10 Hofoanako tsy hisy kalesy fitondra miady intsony any Efraima, na soavaly any Jerosalema; hotapahiko koa ny tsipìka fiadiana. Hanambara fiadanana amin’ny Jentilisa* Izy; ny fanapahany dia ho hatramin’ny ranomasina iray ka hatramin’ny ranomasina iray ary hatramin’ny ony Eofrata ka hatramin’ny faran’ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy




Zakaria 9:10
33 Rohy Ifampitohizana  

Ny lazan’ny mpanjaka anie ho mandrakizay ka hitatra hatrany eto ambany masoandro! Izy anie ho fitahiana ireo fokon’ny tany tontolo ka hataon’ny firenena rehetra hoe: «Sambatra!»


Koa fanambinana sy rariny ho an’ny vahoaka anie no hovokarin’ny tendrombohitra sy ny havoana!


TOMPO ô, asehoy anay ny fitiavanao ka omeo anay ny famonjenao.


Homeko azy ny fifehezam-panjakana hatramin’ny ranomasina sy ny ony.


Amin’izany andro izany ny solofon’i Jisay dia hatsangana ho fanevan’ny firenena rehetra; ka hitady azy ny firenen-kafa, ary hanjary be voninahitra ny fonenany.


Hitsara ny firenena maro Izy, ary hampanaiky ny vahoaka rehetra ka hanefy ny sabany ho angady ireny, ary hanao ny lefony ho fanetezam-boaloboka sady tsy hianatra hiady intsony.


Dia nitenenany aho ka nataony hoe: «Tsy ampy raha tonga mpanompoko fotsiny ianao mba hampitraka ireo foko taranak’i Jakôba sy hampody ny sisa velona amin’ny vahoaka Israely. Fa omeko ho fanazavana ho an’ny firenen-kafa koa ianao mba hitaran’ny famonjeko hatrany amin’ny faran’ny tany.»


Ho levona ny firenena sy fanjakana izay tsy mety hanompo anao; ho ringana tokoa ireny firenena ireny.


Fa hotiaviko kosa ny taranak’i Joda ka hovonjeko. Izaho TOMPO Andriamaniny no hamonjy azy, nefa tsy amin’ny tsipîka na amin’ny sabatra na amin’ny ady, na koa amin’ny soavaly na amin’ny mpitaingin-tsoavaly, fa amin’ny anarako.»


Rehefa mby amin’izany andro izany, hoy ny teny hentitry ny TOMPO, ilay Israely reninareo dia hiantso Ahy hoe «vadiko» fa tsy hoe «Bahalako na tompoko» intsony.


Koa amin’izany andro izany, dia hanao fanekempihavanana ho an’ny vahoakako Aho, dia amin’ny biby eny an-tsaha, amin’ny voromanidina, amin’ny biby mandady; hofoanako tsy hisy amin’ny tany intsony ny tsipîka sy ny sabatra ary ny ady, ka dia hataoko mandry feizay ny mponiny.


Ary ianao, ry tendrombohitra Tsiôna izay mitsinjo ny vahoaka toy ny tilikambo fiambenana, haverina aminao ny fahefana taloha; ho renivohi-panjakana indray i Jerosalema.»


izy no hitondra fiadanana! –Raha tonga hanafika ny tanintsika ny Asirianina ka hitsofoka hatraty an-dapantsika, dia hanangana mpitari-tafika marobe hamelezana azy isika.


Ary hoy ny TOMPO hoe: «Izao no ho tonga amin’izany andro izany. Haringako tsy ho eo afovoanareo ny soavalinareo, ary holevoniko ny kalesinareo.


Haongako ireo mpanjaka ary hofoanako ny herin’ny fanjakam-pirenena; hahohoko ny kalesiny sy ny mpamily azy; samy ho lavon’ny sabatra ka ho faty ireo soavaly ary hifamono koa ny mpitaingina azy.


Fantatrareo ny teny nampitondrain’Andriamanitra ho an’ny vahoaka Israely, anambaràny ny Vaovao Mahafaly: dia ny fampihavanana amin’ny alalan’i Jesoa Kristy, ilay Tompon’ny olona rehetra.


Izany rehetra izany dia avy amin’Andriamanitra, Izay nampihavana antsika aminy indray tamin’ny alalan’i Kristy sady nanome anay ny fanompoana hitaona ny hafa hihavana aminy.


Koa dia iraka solotenan’i Kristy izahay, ka tahaka ny hoe Andriamanitra mihitsy no mananatra anareo amin’ny alalanay. Solotenan’i Kristy izahay no miangavy anareo hoe: meteza hampihavanina amin’Andriamanitra ianareo.


Ho anareo avokoa ny toerana rehetra hodiavin’ny tongotrareo: ny faritaninareo dia hanomboka amin’ny taniefitra any atsimo ka hiafara any Libano any avaratra, ary hanomboka amin’ny ony Eofrata any atsinanana ka hiafara amin’ny Ranomasina Mediteranea any andrefana.


Dia nitsoka trompetra ny anjely fahafito, ka nisy feo mahery tany an-danitra nanao hoe: «Efa lasan’ny Tompontsika sy ilay Mesiany ny fanjakana amin’izao tontolo izao, ka ho fanjakana maharitra mandrakizay izany!»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra