Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Zakaria 9:1 - DIEM PROTESTANTA

1 Hafatry ny TOMPO. Any amin’ny tanin’i Hadràka no tafapaka ny teniny, ka niato tao Damasy; satria samy an’ny TOMPO na ireo tanànan’i Arama na ny fitambaran’ireo fokon’ny Israely.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

1 Teny faminaniana. Tonga any amin’ny faritanin’i Hadraka ny tenin’NY TOMPO ary miato any Damaskosy izany. Fa ny mason’NY TOMPO mandinika ny olombelona mbamin’ny foko rehetra amin’ny Israely

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

1 Hafatry ny TOMPO. Any amin’ny tanin’i Hadràka no tafapaka ny teniny, ka niato tao Damasy; satria samy an’ny TOMPO na ireo tanànan’i Arama na ny fitambaran’ireo fokon’ny Israely.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

1 Teny fitsarana. Tenin’i Iaveh mamely ny tany Hadràky; ary ao Damasa no ho fonenany, - fa ny mason’i Iaveh dia eo amin’ny olona, sy eo amin’ny fokon’i Israely rehetra; -

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

1 TENY faminaniana avy tamin’i Jehovah ny amin’ny loza hanjo ny tany Hadraka, Ary Damaskosy no hiharany– Fa ny mason’i Jehovah mandinika ny olombelona Mbamin’ny firenena rehetra amin’ny Isiraely–

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

1 Teny faminaniana avy tamin'i Jehovah ny amin'ny loza hanjo ny tany Hadraka, Ary Damaskosy no hiharany - Fa ny mason'i Jehovah mandinika ny olombelona Mbamin'ny firenena rehetra amin'ny Isiraely -

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

1 Teny faminaniana. Tonga any amin’ny faritanin’i Hadraka ny tenin’NY TOMPO ary miato any Damaskosy izany. Fa ny mason’NY TOMPO mandinika ny olombelona mbamin’ny foko rehetra amin’ny Israely

Jereo ny toko dika mitovy




Zakaria 9:1
22 Rohy Ifampitohizana  

Natsitokotokon’i Abrama ireo mpanompony mba hanafihana azy amin’ny alina. Dia resiny ireo mpanjaka, ka nenjehiny hatrany Hôbà, any avaratr’i Damasy.


Ry Andriamanitray ô, tsy hanafay azy ireo va Ianao? Izahay manko tsy manan-kery hanoherana izany tafika goavana avy hamely anay izany, ka tsy hitanay izay hatao; fa Ianao kosa no andrandrain’ny masonay.


Mifantoka aminao ny mason’izao rehetra izao fa Ianao manome azy ny sakafony ara-potoana.


Banjiniko mandrakariva ny TOMPO, fa Izy ihany no hanafaka ahy amin’ny harato namandrihana ahy.


Hafatra momba an’i Babilôna araka ny fahitàn’i Isaià, zanakalahin’i Amôtsa.


Nahariharin’ny TOMPO teo imason’ny firenen-kafa rehetra ny hery maneho ny fahamasinany ka hahita ny famonjen’Andriamanitsika ny vazan-tany rehetra.


–TOMPO ô, Ianao no heriko sady mpiaro ahy, fialofako amin’ny androm-pahoriako. Hankany aminao ireo firenen-kafa avy any am-paran’ny tany sady ho loa-bolana hoe: «Tena fitaka ny fivavahana izay nolovanay tamin’ny razanay, fa tsinontsinona sady tsy mahasoa.


Manana fikasana lehibe Ianao ary manan-kery hanatanterahana azy. Arakao maso avokoa izay izoran’ny olombelona mba hamalianao azy araka ny fitondrantenany sy ny vokatry ny asany.


Izao no lazain’ny TOMPO: «Fahotana mifanesy no vitan’ny mponin’i Tiro, fa indrindra ity anankiray ity: Natolony ho babo ho an’ny Edômita avokoa ny iray tanàna manontolo, fa tsy notsarovany ny fanekem-pirahalahiana nataony tamin’i Israely. Noho izany, dia tsy hahemotro ny sazy momba azy.


Izao no lazain’ny TOMPO: «Rehefa misy ondry azon’ny liona, dia tongotra roa na sombin-tsofina no tsoahan’ny mpiandry ondry avy eo am-bavan’ny liona; toy izany ny amin’ireo Israelita izay mipetraka ao Samaria, eo an-joron’ny saofà na eo ambony fandriana malemilemy: Vitsivitsy ihany no hovonjena.»


Izao no hafatra faminaniana momba ny tanànan’i Ninive, mitantara izay nasehon’Andriamanitra tamin’i Nahoma avy any Elkôsy.


Ny TOMPOn’izao rehetra izao dia manao teny hentitra hoe: Izaho no nampiainga izany ozona izany; hiditra ao an-tranon’ny mpangalatra sy ny mpianiana lainga amin’ny anarako izany, ary hitoetra ao ka handevona ny trano mbamin’ny hazony sy ny vatony.


Hafatra nampitondrain’ny TOMPO an’i Malakỳ ho an’ny Israelita.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra