Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Zakaria 2:8 - DIEM PROTESTANTA

8 sady nandidy azy hoe: –Mihazakazaha, dia ilazao io zatovolahy izay mihazona tady fandrefesana io hoe: «Tsy ho tanànamimanda i Jerosalema fa ho marobe ny olona sy ny biby honina ao aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

8 ka niteny taminy hoe: Mihazakazaha ka milazà amin’io zatovo io hoe: Hijanona ho tanàna tsy mimanda i Jerosalema noho ny hamaroan’ny olona sy ny biby fiompy ao aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

8 sady nandidy azy hoe: –Mihazakazaha, dia ilazao io zatovolahy izay mihazona tady fandrefesana io hoe: «Tsy ho tanànamimanda i Jerosalema fa ho marobe ny olona sy ny biby honina ao aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

8 ka hoy izy taminy hoe: «Mandehana faingana, milazà amin’io zatovo io, ataovy hoe: ‹Honenana toy ny tanàna tsy mimanda i Jerosalema, fa ho betsaka loatra ny olona sy ny biby ao aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

8 ka nanao taminy hoe: Mihazakazaha, ka milazà amin’io zatovo io hoe: Honenana toy ny tanàna tsy mimanda Jerosalema noho ny hamaroan’ny olona sy ny biby fiompy ao aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

8 ka nanao taminy hoe: Mihazakazaha, ka milazà amin'io zatovo io hoe: Honenana toy ny tanana tsy mimanda Jerosalema noho ny hamaroan'ny olona sy ny biby fiompy ao aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

8 ka niteny taminy hoe: Mihazakazaha ka milazà amin’io zatovo io hoe: Hijanona ho tanàna tsy mimanda i Jerosalema noho ny hamaroan’ny olona sy ny biby fiompy ao aminy.

Jereo ny toko dika mitovy




Zakaria 2:8
50 Rohy Ifampitohizana  

Mbola tamin’io nofy io ihany no nilazan’Andriamanitra tamin’i Abimelèka hoe: –Izaho koa dia mahalala fa tamin’ny fo tsotra no nanaovanao izany. Izaho ihany koa no nisakana anao tsy hanota amiko. Izany no tsy namelako anao hikasika azy.


Tamin’izay i Jôiakima dia nandefasan’ny TOMPO andian-dahalo babilônianina sy andian-dahalo sirianina ary andian-dahalo môabita sy hamônita hamely ny tanin’i Joda ka nandrava azy araka izay nolazain’ny TOMPO tamin’ny alalan’ireo mpaminany.


Tandremo toy ny anakandriamaso aho ka afeno sy arovy eo ambany elatrao


Tandremo ny didiko, dia ho velona ianao; ary tandremo toy ny anakandriamaso ny fampianarako.


Eny, toerana rava sy fonenana lao ary koa tany simba no fahitana anao izao; kanefa tsy ho omby mponina intsony ianao atsy ho atsy ary handositra lavitra ireo nandripaka anao.


Izao no lazain’ny TOMPO ny amin’ireo ratsy fanahy rehetra mpifanila fonenana amin’ny fireneko: «Mikasikasika ny zaratany nomeko an’i Israely vahoakako ireo, ka dia hongotako hiala amin’ny taniny, ary hongotako hiala eo anivony koa ny vahoakan’i Joda.


Hanompo azy sy ny zanany mbamin’ny zafikeliny ny firenena rehetra ambara-pahatongan’ny andro hanompoan’ny taniny kosa an’ireo firenena matanjaka kokoa sy mpanjaka lehibe kokoa.


Izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: «Nanao valifaty mahatsiravina tamin’ny vahoakan’i Joda ny Edômita, ary izany no mahameloka azy.


Izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: «Valifaty no nafitsoky ny Filistinina, dia valifaty mahatsiravina vokatry ny fanaovana tsinontsinona ireo ankahalainy hatry ny ela ka nahatonga azy handringana ireny.


«Ry ilay taranak’olombelona, nandatsa an’i Jerosalema ny mponin’i Tiro ka manao hoe: ‹Hià! Sakoa izay! Potika ilay tanàna fandalovan’ny olona rehetra! Isika indray izao no hangoron-karena satria rava i Jerosalema!›


Hampidiniko any an-davaka misy ireo maty hatrizay ianao. Hamponeniko any ambanin’ny tany tahaka ireo sisan-drava fahagola ianao miaraka amin’ireo maty talohanao. Tsy ho afa-miakatra intsony ianao, ary tsy hanan-toerana eo amin’ny tanin’ny velona intsony.


Hatry ny ela no nankahalanao ny Israelita. Tamin’ny fotoana naharesy azy, fony nihoa-pampana ny heloka vitany, dia nataonao ripaky ny ady izy.


Hohamaroiko ny olona sy ny biby fiompy eo aminareo ka hitombo isa sy hiteraka. Ho betsaka tahaka ny taloha ny mponina ary hataoko mandroso kokoa noho ny fahizany. Amin’izay dia hoekenareo fa Izaho no TOMPO.


Hanapa-kevitra ianao fa hiakatra hamely ireo olona finaritra miaina am-pilaminana avokoa ao amin’ny tany izay tsy mba misy tanàna voahodidina manda na manana vavahady mihidy.


«Koa ijoroy ny maha-mpaminany anao, ry ilay taranak’olombelona, ary ambarao amin’i Gôga fa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: Amin’ny andro hiainan’i Israely vahoakako am-pilaminana no hiainganao;


Izao no lazain’ny TOMPO: «Fahotana mifanesy no vitan’ny mponin’i Edôma, fa indrindra ity anankiray ity: Nenjehiny hotrobarana sabatra ny Israelita rahalahiny sady tsy nananany antra akory; tsy nisy fetra ny fahatezerany namiravira, ary nitahiry lolom-po mandrakariva izy. Noho izany, dia tsy hahemotro ny sazy momba azy:


Izao no lazain’ny TOMPO: «Fahotana mifanesy no vitan’ny Hamônita, fa indrindra ity anankiray ity: Notatahany ny kibon’ireo bevohòka tao Gilehada mba hanitarana faritany. Noho izany, dia tsy hahemotro ny sazy momba azy:


Izao no lazain’ny TOMPO: «Fahotana mifanesy no vitan’ny mponin’i Tiro, fa indrindra ity anankiray ity: Natolony ho babo ho an’ny Edômita avokoa ny iray tanàna manontolo, fa tsy notsarovany ny fanekem-pirahalahiana nataony tamin’i Israely. Noho izany, dia tsy hahemotro ny sazy momba azy.


Ary ankehitriny efa nangoniko hamely anareo ny firenena maro izay miteny hoe: «Aoka ho afa-baràka i Tsiôna ary aoka isika hijery ny faharavàny!»


Amin’izay ny sisa velona amin’ny taranak’i Jakôba, eo anivon’ny vahoaka marobe, dia ho tahaka ny ando avy amin’ny TOMPO sy ho tahaka ny ranonorana latsaka amin’ny ahitra; ka tsy olombelona fa Andriamanitra no antenainy sy iankinany.


Hahita izany ny fahavalonay ka ho rakotry ny henatra, dia ireo niteny taminay hoe: «Aiza ihany ny TOMPO Andriamanitrareo?» Ho finaritra izahay hahita azy ireo, fa amin’izay dia ho tonga fanosy toy ny fotaka eny an-dàlana izy.


Fa hanody anareo ny fanimbana ala nataonareo tany Libano; naringanareo ny biby tao, ka biby koa no hampihorohoro anareo. Izany rehetra izany dia ho tonga noho ny olona novonoinareo ho faty sy ny herisetra vitanareo tamin’ny tany dia tamin’ny tanàna sy ny mponina rehetra ao.


Eny, efa namabo firenena maro ianareo, ka dia mba hobaboin’ny firenena sisa kosa noho ny olona novonoinareo ho faty sy ny herisetra vitanareo tamin’ny tany, dia tamin’ny tanàna sy ny mponina rehetra ao.


Ny TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely: dia manao teny hentitra hoe: «Reko ny olon’i Môaba sy Hamôna nandatsa sy nanaratsy ny vahoakako. Eny, nandatsa azy izy roa tonta, ary nanitatra ny taniny teo amin’ny azy.


«He! Ry vahoakan’i Tsiôna voasesitany ao Babilôna, mitsoaha tao ianareo.»


Ary hoy ny teny hentitry ny TOMPO hoe: ‹Izaho no ho manda afo manodidina hiaro ny tanàna, ary ny voninahitro no ho eo afovoany›. »


Ary ny kianjan’io tanàna io koa dia ho feno zazalahy sy zazavavy milalao.


Ka hoy ny TOMPOn’izao rehetra izao aminareo: «Indro Aho handefa ny irako mba hanamboatra lalana eo alohako; ary ny Tompo izay tadiavinareo dia ho tonga tampoka ao an-tempoliny. Ho tonga hitondra ny fanekempihavanako ilay iraka izay irinareo; indro avy tokoa Izy!»


Dia hovalian’ny Mpanjaka hoe: «Lazaiko marina aminareo fa araka izay nataonareo tamin’ny anankiray amin’ireto havako madinika indrindra ireto no nataonareo tamiko.»


Dia hovalian’ny Mpanjaka hoe: «Lazaiko marina aminareo fa araka izay tsy nataonareo tamin’ny anankiray amin’ireto havako madinika indrindra ireto no tsy nataonareo tamiko.»


Fa ilay Mpananatra, dia ny Fanahy Masina Izay hirahin’ny Ray noho ny anarako, no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra nolazaiko taminareo.


Tahaka ny nanirahanao Ahy ho eo amin’izao tontolo izao no nanirahako azy ho eo amin’izao tontolo izao koa.


Niankarapoka tamin’ny tany i Saoly sady nandre feo nanao taminy hoe: –Saoly, Saoly, nahoana no manenjika Ahy ianao?


Tany an-taniefitra no nanangonany azy, dia tany amin’ny tany foana misy bibidia mierona. Koa nokarakarainy izy, nokolokoloiny, notandremany tahaka ny anakandriamasony.


Satria izao no ara-drariny amin’Andriamanitra: hovaliany fahoriana ireo mpampahory anareo,


Ary izahay efa nahita ka dia vavolombelona manambara fa naniraka ny Zanany ho Mpamonjy an’izao tontolo izao ny Ray.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra