Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Zakaria 2:7 - DIEM PROTESTANTA

7 Dia nandroso ilay anjely niresaka tamiko, ary nisy anjely iray koa avy hitsena azy

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

7 Ary indro, nandroso ilay anjely niresaka tamiko, ary nisy anjely iray hafa nandroso hitsena azy

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

7 Dia nandroso ilay anjely niresaka tamiko, ary nisy anjely iray koa avy hitsena azy

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

7 Tamin’izay niseho ilay Anjely niresaka tamiko, sady nisy Anjely anankiray hafa niseho hitsena azy;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

7 Ary, indro, nivoaka ilay anjely niresaka tamiko, ary nisy anjely anankiray koa nivoaka hitsena azy

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

7 Ary, indro, nivoaka ilay anjely niresaka tamiko, ary nisy anjely anankiray koa nivoaka hitsena azy

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

7 Ary indro, nandroso ilay anjely niresaka tamiko, ary nisy anjely iray hafa nandroso hitsena azy

Jereo ny toko dika mitovy




Zakaria 2:7
13 Rohy Ifampitohizana  

Ary nony efa tafavoakany tany ivelan’ny tanàna izy mianakavy, dia hoy ny anjely anankiray tamin’i Lôta: –Avoty ny ainao ka aza miherika any aoriana ary aza mijanonjanona na aiza na aiza ato amin’ny faritany; mandosira eny an-tendrombohitra, fandrao levona ianao.


Midîna ambany ka mipetraha amin’ny vovoka, ry vahoaka mponin’i Babilôna, hoy ny TOMPO; mipetraha amin’ny tany, ry renivohitry ny Kaldeanina fa tsy misy sezafiandrianana ho anao intsony, satria ianao tsy hantsoina intsony hoe: «Babilôna tsara tarehy» na «Babilôna mirenty».


Mivoaha avy ao Babilôna, mandosira avy ao Kaldea! Amin’ny horakora-pifaliana no anambarao izao vaovao mahafaly izao, hatrany amin’ny faran’ny tany; torio ary aelezo izany, ka lazao hoe: «Ny TOMPO no nanavotra ny firenen’i Jakôba mpanompony!»


Mialà ianareo mpitondra ny fanaky ny TOMPO, mialà, mivoaha avy ao Babilôna. Aza mikasika izay maloto, fa aoka hadio ianareo no mivoaka tao!


Ahintsano ny vovoka nandrakotra anao, ka mitsangàna; dia aoka ho amin’ny sezafiandriananao indray no hipetrahanao, ry Jerosalema ô! Ny fatorana mangeja ny tendanao dia aoka hovahanao, ry Tsiôna babo!


Hoy ny Tompo: «Mandosira lavitra an’i Babilôna, ilaozy i Babilônia ka manaova hitsin-dalana toy ny osilahy mialoha ny ondry aman’osy.


Koa ilaozy ny tanànany, ry vahoakako, ary samia manavo-tena ianareo mba tsy hiharan’ny fahatezerako mirehitra!


Mandosira hiala an’i Babilôna ka samia manavo-tena ianareo, fandrao hiara-devona aminy noho ny sazim-pahotàny; fa fotoana famalian’ny TOMPO azy izao ka valiany araka ny sahaza azy izy.


–Aoka ianareo hanaintaina sy hitaraindraina toy ny vehivavy miteraka, ry mponina ao Tsiôna! Satria ankehitriny dia hivoaka ny tanàna ianareo ka hitoby any an-tsaha ary handeha hatrany Babilôna. Any no hanafahana anareo; any no hanavotan’ny TOMPO anareo avy eo am-pelatanan’ny fahavalonareo.


Niteny tamin’ny fiangonana izy nanao hoe: –Halaviro ny lain’ireo ratsy fanahy ireo, ary aza mikasika izay azy akory, fandrao maty noho ny fahotany rehetra koa ianareo.


Ny Israelita rehetra izay nanodidina azy, dia nandositra raha nandre ny fidradradradràny, satria natahotra fandrao hatelin’ny tany eo koa.


Mbola maro ny teny hafa nijoroan’i Petera ho vavolombelona ka nitaomany sy nananarany ny vahoaka hoe: –Vonjeo ny tenanareo ka misaraha amin’ireto olona mpaniasia ireto!


Dia reko nisy feo iray hafa koa avy tany an-danitra nanao hoe: «Mialà amin’io tanàna io ianareo, ry vahoakako, mba tsy hiombom-pahotana aminy ary mba tsy hiharan’ny loza hanjo azy;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra