Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Zakaria 2:5 - DIEM PROTESTANTA

5 Nanopy maso indray aho, ka indro hitako nisy lehilahy nihazona tady fandrefesana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

5 Dia natopiko ny masoko ka hitako fa indro, lehilahy iray mitondra kofehy fandrefesana eny an-tanany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

5 Nanopy maso indray aho, ka indro hitako nisy lehilahy nihazona tady fandrefesana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

5 Nanopy ny masoko aho, ka nahita: ka indro nisy lehilahy nitondra kofehy famolaina teny an-tanany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

5 DIA natopiko ny masoko, ka hitako fa, indro, nisy lehilahy manana kofehy famolaina eny an-tànany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

5 Dia natopiko ny masoko, ka hitako fa, indro, nisy lehilahy manana kofehy famolaina eny an-tànany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

5 Dia natopiko ny masoko ka hitako fa indro, lehilahy iray mitondra kofehy fandrefesana eny an-tanany.

Jereo ny toko dika mitovy




Zakaria 2:5
28 Rohy Ifampitohizana  

Tendrombohitra no manodidina an’i Jerosalema; ny TOMPO koa manodidina ny vahoakany, hatrizao ka ho mandrakizay


maro loatra ny milaza momba ahy hoe: «Tsy manam-pamonjena amin’Andriamanitra izy!» Fiatoana


Misy renirano mampifaly ny tanànan’Andriamanitra, dia ilay fonena-masina tsy manan-tsahala amin’ireo fonenan’ny Avo Indrindra.


ary, noho ny fitsarana ara-drariny navoakanao, dia aoka hifaly ny olona ao an-tendrombohitra Tsiôna, aoka hiravo ny mponina ao an-tanànan’i Joda!


Tsara fideza ny tendrombohitra Tsiôna sady fifalian’ny vahoaka eran-tany: tendrombohitra fonenan’ny Tompo, tanànan’ilay Mpanjaka lehibe.


Te hihaino izay lazain’Andriamanitra TOMPO aho. Fiadanana tokoa no ampanantenainy ho an’ny vahoakany, dia ireo mpivavaka aminy, raha tsy miverina amin’ny hadalàny intsony ireo.


Mifalia sy miravoravoa, ry mponina ao Tsiôna, fa lehibe Ilay eo anivonareo, dia Ilay Masin’i Israely.


Ny mpanjakany handositra noho ny tahotra, ary ny manamboninahiny ho kivy ka hitsoaka hamela ny fanevany. Izany no teny hentitry ny TOMPO izay manana ny fatana fandoroany ao Tsiôna sy ny lafaorony miredareda ao Jerosalema.


Ny vahoakako hitoetra ao amin’ny faritra miadana, ao amin’ny fonenana misy fandriampahalemana sy ao amin’ny fialan-tsasatra feno fitoniana.


Eo no hanehoan’ny TOMPO ny fahalehibiazany amintsika. Ho faritra hisy renirano sy ony be velarana izany, kanefa tsy handehanan’ny sambo mpiady na hivezivezen’ny sambo vaventy.


dia hisy rahona matevina amin’ny antoandro sy afo mazava midedadeda amin’ny alina ho tonga eo ambonin’ny tendrombohitr’i Tsiôna manontolo sy amin’ny olona vory ao. Eny ambonin’ireo rehetra ireo kosa ny voninahitry ny TOMPO mba ho fiarovana,


Hofaritana ny faritra vaovaon’ny tanàna, ka miankandrefana hatreny amin’ny havoanan’i Gareba, avy eo dia mihodina mankany Gôhà.


«Koa ijoroy ny maha-mpaminany anao, ry ilay taranak’olombelona, ary ambarao amin’i Gôga fa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: Amin’ny andro hiainan’i Israely vahoakako am-pilaminana no hiainganao;


Toy izany no nandrefesany ny tamboho manodidina ny tempoly tamin’ny lafiny efatra. Efamira ny tamboho manodidina ka samy dimampolo sy roanjato metatra avy ny lafiny efatra; ary io tamboho io no natao hampisaraka ny toerana voatokana ho an’Andriamanitra sy ny toerana hafa.


Nandroso niantsinanana ralehilahy, nitana tady izay nandrefesany dimanjato metatra niantsinanana. Avy eo dia nampita ahy ny rano izy ka hatreny an-kitrokeliko izany.


Koa Izaho TOMPOn’izao rehetra izao dia milaza hoe: Haneho indrafo no iverenako eto Jerosalema. Ho voaorina eto indray ny tranoko; ary ho voavoatra indray ny tanàna.› Izaho TOMPOn’izao rehetra izao dia miteny hentitra ny amin’izany. »


Hoy ny teny hentitry ny TOMPO hoe: «He! Ianareo izay naeliko any amin’ny vazan-tany efatra, mandosira ankehitriny, ialao ny tany avaratra.» Hoy koa ny teny hentitry ny TOMPO hoe:


«He! Ry vahoakan’i Tsiôna voasesitany ao Babilôna, mitsoaha tao ianareo.»


Ary ny Tompo hiseho eo ambonin’ny vahoakany; ka hipoitra toy ny tselatra ny zana-tsipîkany Hitsoka anjomara ny Tompo ANDRIANANAHARY ka ho tonga miaraka amin’ny tafio-drivotra atsimo.


Hiambina manodidina ny taniko Aho mba hiaro azy amin’ireo tafika izay mihaodihaody mandalo; ka tsy hisy intsony hamaky eo hampahory ny vahoakako fa efa hitako ankehitriny ny fahoriany.»


dia fahazavana hampahalala Anao amin’ny hafa firenena ary hanome voninahitra an’i Israely vahoakanao.


Ny tanàna tsy mba mila ny masoandro na ny volana hamirapiratra ao aminy: fa ny voninahitr’Andriamanitra no efa manazava azy, ary ny Zanakondry no jiro manilo azy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra