Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Zakaria 2:4 - DIEM PROTESTANTA

4 ka nanontany indray hoe: –Tonga mba hanao inona moa ireto? Ary dia namaly izy hoe: –Ireto kosa dia tonga hampihorohoro sy hampiongana ny firenena matanjaka izay nitsangana hanohitra ny firenen’i Joda sady nampihahaka ny vahoakany mba tsy hisy na iray aza hanohitra azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

4 Dia hoy aho: Avy hanao inona moa ireto? Ary Izy niteny hoe: Ireo no tandroka nampihahaka ny Joda ka tsy nisy olona nanandratra ny lohany; fa ireto kosa dia avy hampatahotra azy mba hampiongana ny tandroky ny firenena, dia izay nanandratra ny tandrony tamin’ny tanin’i Joda hanely azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

4 ka nanontany indray hoe: –Tonga mba hanao inona moa ireto? Ary dia namaly izy hoe: –Ireto kosa dia tonga hampihorohoro sy hampiongana ny firenena matanjaka izay nitsangana hanohitra ny firenen’i Joda sady nampihahaka ny vahoakany mba tsy hisy na iray aza hanohitra azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

4 Dia namaly Izy nanao hoe: «Iretsy no tandroka nampihahaka an’i Jodà, ka tsy nisy olona nanatràka loha akory; fa ireto kosa, tonga hampahatahotra azy mafy, ary hanjera ny tandrok’ireo firenena nanangan-tandroka hamely ny tanin’i Jodà mba hampihahaka azy.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

4 Dia hoy izaho: Avy hanao inona moa ireto? Ary Izy nanao hoe: Ireo no tandroka nampihahaka ny Joda, ka tsy nisy olona nanandrandra loha; fa ireto kosa dia avy hampahatahotra azy mba hampiongana ny tandroky ny firenena, dia izay nanandratra ny tandrony tamin’ny tanin’ny Joda hanely azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

4 Dia hoy izaho: Avy hanao inona moa ireto? Ary Izy nanao hoe: Ireo no tandroka nampihahaka ny Joda, ka tsy nisy olona nanandrandra loha; fa ireto kosa dia avy hampahatahotra azy mba hampiongana ny tandroky ny firenena, dia izay nanandratra ny tandrony tamin'ny tanin'ny Joda hanely azy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

4 Dia hoy aho: Avy hanao inona moa ireto? Ary Izy niteny hoe: Ireo no tandroka nampihahaka ny Joda ka tsy nisy olona nanandratra ny lohany; fa ireto kosa dia avy hampatahotra azy mba hampiongana ny tandroky ny firenena, dia izay nanandratra ny tandrony tamin’ny tanin’i Joda hanely azy.

Jereo ny toko dika mitovy




Zakaria 2:4
24 Rohy Ifampitohizana  

Koa, noho izany, ny Jiosy izay nitoetra tamin’ny tanàna madinika tany ambanivohitra dia nanao ny andro faha-14 amin’ny volana Adara ho firavoravoana sy fanasana ary fikoranana ka hifanateran-panomezana.


Ndeha topazonao maso i Tsiôna, fankalazàntsika ny fety firavoravoana, dia ho hitanao i Jerosalema, fonenana tony tokoa toy ny lay tsy hahorona intsony, ka ny tsimatra aminy tsy hongotana ary ny kofehiny tsy hovahana intsony.


Fa homeko lanjany ny tenin’ireo mpanompoko ary hataoko tanteraka ny fikasan’ireo irako. Ka hoy Aho amin’i Jerosalema: ‹Aoka honenana indray ianao.› ary amin’ny tanànan’i Joda hoe: ‹Aoka haorina indray ianareo.› Eny, hatsangako izay efa rava.


Nihevi-tena tsy hanan-janaka intsony ianao, kanefa hiteny eo an-tsofinao indray ny zanakao hifampilaza hoe: «Tery ny toerako, fa mikisaha kely mba hipetrahako.»


Jereo fa Izaho ihany no nahary ny mpanefy izay mifofotra ny afon’arina ka mahavita fitaovam-piadiana hampiasaina amin’izay ilana azy; nefa Izaho ihany koa no nahary ny mpandrava izay hamotika izany fitaovam-piadiana izany.


Ary namaly aho hoe: –Indrisy, ry Tompo ANDRIANANAHARY ô, mbola tanora loatra aho ka tsy mahay mandahateny.


«Amin’izay ny olona tambanivohitra sy an-tanàn-dehibe ao Joda dia hiara-monina eo amin’ny tany, isan’izany ireo tantsaha sy ireo mpiompy mifindrafindra lasy miaraka amin’ny biby fiompiny.


«Indro avy ny andro, izay hanapariahako olona sy biby fiompy manerana ny fanjakan’i Israely sy i Joda tahaka ny fanapariahana voa afafy eo an-tanimboly. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany.


Tsia, fa ny taranak’i Davida mpanompoko sy ny an’ireo levita izay manao fanompoam-pivavahana ho Ahy dia ho maro tahaka ny kintana eny amin’ny lanitra ka tsy ho hita isa. ary toy ny fasika eny amoron-dranomasina ka tsy ho hita fatra.»


Hanapa-kevitra ianao fa hiakatra hamely ireo olona finaritra miaina am-pilaminana avokoa ao amin’ny tany izay tsy mba misy tanàna voahodidina manda na manana vavahady mihidy.


Ireo zatovo efa-dahy ireo dia nomen’Andriamanitra fahaizana amam-pahalalana amin’ny sehatra rehetra momba ny soratra sy ny fahendrena; ary i Daniela nahafantatra ny hevitry ny fahitana sy nofy rehetra.


ireo tovolahy ireo tsy tokony hisy kilema ara-batana fa ho tsara tarehy sady ho feno fahendrena sy manam-pahalalana ary lalim-pahaizana, ka ho afaka hanompo ao an-dapan’ny mpanjaka. Hampianarina ny soratra sy ny fiteny babilônianina izy ireo.


Ho avy ny andro hananganana indray ny màndan’ny renivohitrao, ry Joda; ka amin’izany andro izany, dia hitarina lavitra kokoa ny faritry ny taninao.


Koa Izaho TOMPOn’izao rehetra izao dia milaza hoe: Haneho indrafo no iverenako eto Jerosalema. Ho voaorina eto indray ny tranoko; ary ho voavoatra indray ny tanàna.› Izaho TOMPOn’izao rehetra izao dia miteny hentitra ny amin’izany. »


Avy eo ilay anjely dia nandidy ahy hanambara koa hoe: «Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao: Mbola hihoa-pampana indray ny fanambinana ireo tanànako; sady Izaho TOMPO mihitsy no mbola hampionona an’i Tsiôna indray ary mbola hifidy an’i Jerosalema indray.»


Amin’izany andro izany, ny firenen’i Joda dia hataoko tahaka ny afo mihanaka amin’ny ala na mirehitra ao ambanin’ny antontan’amboara, ka handevona ny firenena rehetra manodidina azy na eo ankavanany na eo ankaviany. Ary ny mponin’i Jerosalema dia mbola hijanona ao an-tanànany ihany.


Ary izao no aretim-be hamelezan’ny Tompo ny firenen-drehetra izay niady tamin’i Jerosalema: ho simba nofo dieny mbola velona ny olona, ho levona ho azy ao amin’ny fitoerany ny masony, ho tahaka izany koa ny lela ao am-bavany.


Aoka tsy hisy olona hanao tsinontsinona anao noho ny maha tanora anao, fa aoka ianao ho ohatra ho an’ny mpino amin’ny fiteny, amin’ny fitondrantena, amin’ny fitiavana, amin’ny finoana, amin’ny fahadiovana.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra