Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Zakaria 2:13 - DIEM PROTESTANTA

13 Eny, haninjirako tanana ireo firenena ireo mba ho lasa babon’ireo nandevoziny.» Amin’izay dia hiaiky ianareo fa ny TOMPOn’izao rehetra izao no naniraka ahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

13 Fa indro, hatsotrako eo ambonin’ireo firenena ny tanako ka ho tonga babon’ireo nanompo azy izy; dia ho fantatrareo fa Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, no naniraka ahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

13 Eny, haninjirako tanana ireo firenena ireo mba ho lasa babon’ireo nandevoziny.» Amin’izay dia hiaiky ianareo fa ny TOMPOn’izao rehetra izao no naniraka ahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

13 Fa indro Aho manetsika ny tanako eo ambonin’ireny, ka izy ireo ho tonga remby ho an’ireo manompo azy; ary ianareo, hahalala fa i Iavehn’ny tafika no naniraka ahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

13 Fa, indro, hahinjitro eo amboniny ny tànako, ka hobaboin’ireo nanompo azy izy; dia ho fantatrareo fa Jehovah, Tompon’ny maro, no naniraka ahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

13 Fa, indro, hahinjitro eo amboniny ny tanako, ka hobaboin'ireo nanompo azy izy; dia ho fantatrareo fa Jehovah, Tompon'ny maro, no naniraka ahy. Mihobia sy mifalia, ry Ziona zanakavavy, fa, indro, avy honina ao afovoanao Aho, hoy Jehovah. Ary firenena maro no hanaiky ho an'i Jehovah amin'izany andro izany ka ho oloko; ary hitoetra ao afovoanao aho, ka dia ho fantatrao fa Jehovah, Tompon'ny maro, no naniraka ahy ho aminao. Ary Jehovah hanana an'i Joda ho anjarany ao amin'ny tany masina ary mbola hifidy an'i Jerosalema indray. Mangina eo anatrehan'i Jehovah, ry nofo rehetra! fa nifoha avy ao amin'ny fitoerany masina Izy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

13 Fa indro, hatsotrako eo ambonin’ireo firenena ny tanako ka ho tonga babon’ireo nanompo azy izy; dia ho fantatrareo fa Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, no naniraka ahy.

Jereo ny toko dika mitovy




Zakaria 2:13
26 Rohy Ifampitohizana  

Nony farany, nitsangana ny levita mpisorona ka nitsodrano ny vahoaka; ary nohenoin’Andriamanitra ny tonombavak’ireo satria tafapaka tany an-danitra izay fonena-masiny.


–Ny TOMPO anefa dia ao amin’ny Tempoliny masina sady eo an-tsezafiandrianany any an-danitra. Arahiny maso ny olombelona ka indray mijery dia voatombany.


ny ady ampitsahariny hatrany am-paran’ny tany, ny tsipîka sy ny lefona tapatapahiny, ary ny ampinga ataony kilan’ny afo.


Mihirà ho fanajana an’Andriamanitra, mankalazà ny anarany amin’ny salamo mba hanoman-dalana ho fandraisana an’ilay mpitaingin-drahona ho kalesy. Ny Tompo no anarany ka mifalia eo anoloany.


Dia nifoha ny Tompo toy ny avy natory, tahaka ny mpiady maherifo notairin’ny divay.


Ny vahoakan’ny firenen-kafa no handray adidy hampody azy any an-tanindrazany. Ary eo amin’ny tanin’ny TOMPO, dia ho fananan’ny taranak’i Israely ireo hafa firenena, ka hataony ankizilahy sy ankizivavy; ireo namabo azy no hobaboiny, ary ireo nampahory azy no hataony mpanompo.


Amin’izany andro izany, dia ho tahaka ny olona vavivavy toetra ny Ejiptianina, ka hangovitra noho ny tahotra raha vao maninji-tanana handrahona azy ny TOMPOn’izao rehetra izao.


Ry mponina any amin’ny nosy lavitra, mangina ka henoy Aho, hoy ny TOMPO. Ary ianareo firenena, misikîna herim-po. Misehoa aloha vao miteny ary andeha isika hiara-kiatrika fitsarana.


Mifohaza ianao, TOMPO ô, mifohaza ka tafio indray ny herinao; mifohaza tahaka ny tamin’ny andro taloha, dia tamin’ny taranaka fahiny ela be. Moa tsy ianao no namotipotika an-dRahaba, sy nanagorobaka ilay dragona?


Fa ankehitriny ilay Avo manerinerina, ilay mandrakizay ny fonenany sady masina ny anarany, dia manao izao teny izao: «Any amin’ny toerana avo sy masina no onenako, nefa koa ao amin’ny torotoro fo sy manetry tena mba hamelombelona ny fanahin’ireo manetry tena sy hamelombelona ny fon’ireo torotoro fo.


Maimay erỳ ianareo teny akaikin’ny hazo terebinta sy ny hazo rehetra matevin-dravina. Nanao sorona zaza ianareo teny amoron’ny lohasahan-driaka sy teny an-tsefatsefaky ny harambato.


Mba mitsinjova avy eny an-danitra, Tompo ô; avy eo amin’ny fonenanao masina sy mamirapiratra mba jereo izay manjo anay. Nankaiza izao ny fitiavanao miredareda sy ny fahasahianao hiady ary ny fahaizanao mangoraka? Enga anie ny famindramponao, tsy ho sakantsakananao hihatra aminay!


Ary hoy koa ny Tompo tamiko: «Ijoroy ny maha-mpaminany anao ny amin’ireo mpanjaka rehetra ireo araka ny teny voalazako teo ka ampio hoe: Avy any ambony any ny TOMPO no manerona, avy ao amin’ny fonenany masina Izy no manandra-peo. Eny, manerona mafy amin’ny toeram-pitsaharany Izy ka mihorakoraka toy ny mpanosihosy voaloboka.


Ny TOMPO kosa ao an-tempoliny masina; aoka hangina eo anatrehany ny mponin’ny tany tontolo!


Mangina eo anatrehan’ny Tompo ANDRIANANAHARY fa efa akaiky ny andro hirotsahany an-tsehatra! Efa nanomana sorona ny TOMPO, ary efa nanadio ireo olona nasainy.


Koa velona AHO ary mianiana fa ho levona i Môaba sy i Hamôna, ho tahaka ny tanànan’i Sôdôma sy Gômôra ka ho kirihitra tsilo sy lava-tsira ary ho tany lao mandrakizay; ho avy handroba sy haka ny taniny ireo sisa velona amin’ny vahoakako».


Koa dia andrasonareo ny famaizako amin’ny andro hiaviako hiampanga anareo. Tapa-kevitra Aho hanangona ny firenena sy fanjakana mba hampidinako manontolo ny fahatezerako mirehidrehitra; ka handevona ny tany manontolo ny afon’ny fahasaro-piaroko.


«Ny tanan’i Zerobabela no nametraka ny fanorenan’ity tempoly ity, ary ny tanany koa no hamita azy.» Amin’izay dia hiaiky ianareo fa ny TOMPOn’izao rehetra izao no naniraka ahy ho atỳ aminareo.


Hisy koa olona avy lavitra ho tonga hanampy amin’ny fanamboarana ny tempolin’ny TOMPO. Amin’izay dia hiaiky ianareo fa ny TOMPOn’izao rehetra izao no naniraka ahy ho atỳ aminareo. Ho tonga izany, raha mankatò ny TOMPO Andriamanitrareo ianareo.


Fantatsika kosa fa izay rehetra voalaza ao amin’ny lalàna dia voalaza ho an’izay eo ambanin’io lalàna io. Noho izany, dia tsy hisy hanan-kalahatra eo anatrehan’Andriamanitra; ary izao tontolo izao no hiaiky fa diso eo anoloany.


Fa mba iza anefa ianao, ry olombelona, no mifamaly amin’Andriamanitra? Moa ve ny zavatra vita tamin’ny tanimanga hanao amin’ny mpanefy azy hoe: «Nahoana no toy izao no nanefenao ahy?»


Ianareo angamba hanao anakampo hoe: «Ahoana no hahafantaranay ny teny tsy nolazain’ny TOMPO!»


Raha hoe miteny amin’ny anaran’ny TOMPO ilay mpaminany, kanefa tsy mitranga na tsy tanteraka ny zavatra nolazainy, dia teny tsy nolazain’ny TOMPO izany: fahasahisahiana no nilazan’ny mpaminany izany ka aoka tsy hampihontsina anareo izy.


Tsinjovy avy ao amin’ny fonenanao masina any an-danitra ka tahio ilay Israely vahoakanao sy ilay tany izay nomenao anay araka ny fianianana nataonao tamin’ny razambenay, dia tany tondra-dronono sy tantely.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra