Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Zakaria 2:12 - DIEM PROTESTANTA

12 Fa ny TOMPOn’izao rehetra izao, Ilay naniraka ahy tamim-pahefana, dia miteny amin’ireo firenena izay namabo anareo hoe: «Na zovy na zovy mikasika anareo, dia mikasika ny anakandriamasoko.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

12 Fa izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, izay naniraka ahy hampiseho voninahitra tany amin’ireo firenena izay namabo anareo: Izay mikasika anareo dia mikasika ny anakandriamasoko.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

12 Fa ny TOMPOn’izao rehetra izao, Ilay naniraka ahy tamim-pahefana, dia miteny amin’ireo firenena izay namabo anareo hoe: «Na zovy na zovy mikasika anareo, dia mikasika ny anakandriamasoko.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

12 Fa izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: Ho voninahiny no nanirahany ahy ho any amin’ny firenena namabo anareo; satria izay mikasika anareo mikasika ny anakandriamasony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

12 Fa izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro: Hampiseho voninahitra no nanirahany ahy tany amin’ny firenena izay namabo anareo; fa izay mikasika anareo dia mikasika ny anakandriamasony.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

12 Fa izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Hampiseho voninahitra no nanirahany ahy tany amin'ny firenena izay namabo anareo; fa izay mikasika anareo dia mikasika ny anakandriamasony.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

12 Fa izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, izay naniraka ahy hampiseho voninahitra tany amin’ireo firenena izay namabo anareo: Izay mikasika anareo dia mikasika ny anakandriamasoko.

Jereo ny toko dika mitovy




Zakaria 2:12
19 Rohy Ifampitohizana  

Fa nifidy an’i Jerosalema Aho hitoeran’ny voninahitro, ary nifidy anao Aho, ry Davida hifehy ilay Israely vahoakako.»


Dia nitantaran’i Hamàna ny zavatra nanjo azy i Zeresa vadiny sy ny sakaizany rehetra mpanolotsaina azy ka niteny taminy hoe: –Raha taranaky ny Jiosy i Môrdôkay izay efa niantomboka nandavo anao teo anatrehany, dia tsy haharesy azy mihitsy ianao fa ho lavo eo anatrehany tokoa.


«Aza kasihina ireo voahosotro ary aza asian-dratsy ireo mpitondra hafatro.»


Ny TOMPO efa nifidy an’i Tsiôna, izay tiany hatao fonenana.


«Intỳ, hoy Izy, no toeram-pitsaharako hatrany. Eto no honenako! Eny, eto no tiako!


satria i Jakôba nofidîn’ny TOMPO ho Azy ary i Israely natokany ho fananany.


Sambatra ny firenena manana ny TOMPO ho Andriamanitra; sambatra ny vahoaka nofidiny mba ho Azy manokana.


Andriamanitra ô, mijoroa hitsara ny tany fa Ianao no tompon’ny firenen-drehetra.


Fa hamindra fo amin’ny taranak’i Jakôba ny TOMPO; eny, mbola hifidy an’i Israely ihany Izy, ka hampiorina azy indray eo amin’ny taniny. Hikambana amin’ireo ny vahiny mpifindramonina ka hitambatra amin’ny ankohonan’i Jakôba.


Vao takariva dia injao ny horohoro, tsy maraina akory dia efa foana izany. Toy izany no hanjo izay nandroba antsika sy ho anjaran’izay namabo antsika.


ianao izay nalaiko avy tany am-paran’ny tany sady nantsoiko avy amin’ny faritra lavitra indrindra, ianao no itenenako hoe: «Mpanompoko ianao; Izaho no nifidy anao ka tsy manary anao.»


Fa tsy mitovy amin’ireo ny Tompo, ilay Anjaran’i Jakôba, satria Izy no mpamorona ny zava-drehetra; ary ny vahoaka Israely dia fananany. Ilay TOMPOn’izao rehetra izao no anarany.


Nefa izay rehetra mandripaka anao dia mba haripaka ihany koa; izay rehetra mankahala anao dia mba hatao sesitany ihany koa; izay mamabo anao dia mba hobaboina ihany koa; ary izay rehetra mandroba ny fanananao dia mba hatolotro horobaina ihany koa.


Fa tsy mitovy amin’ireo ny Tompo, ilay Anjaran’i Jakôba, satria Izy no mpamorona ny zava-drehetra; ary ny vahoaka Israely dia fananany. Ilay TOMPOn’izao rehetra izao no anarany.


Avy eo ilay anjely dia nandidy ahy hanambara koa hoe: «Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao: Mbola hihoa-pampana indray ny fanambinana ireo tanànako; sady Izaho TOMPO mihitsy no mbola hampionona an’i Tsiôna indray ary mbola hifidy an’i Jerosalema indray.»


Dia hoy ilay anjelin’ny TOMPO tamin’i Satàna: –Hanery anao hangina anie ny TOMPO; eny, hanery anao hangina anie ny TOMPO Izay efa nifidy an’i Jerosalema! Fa tsy toy ny forohana nalaina tamin’ny afo va i Josoa?


Tany an-taniefitra no nanangonany azy, dia tany amin’ny tany foana misy bibidia mierona. Koa nokarakarainy izy, nokolokoloiny, notandremany tahaka ny anakandriamasony.


Anjaran’ny TOMPO kosa ilay vahoakany; ny taranak’i Jakôba no natokany ho fananany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra