Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Zakaria 12:2 - DIEM PROTESTANTA

2 –Indro Aho hanao an’i Jerosalema ho tsatokaty feno ny divaim-pahatezerako, ka hahafanina ny firenena rehetra manodidina. Ary hahafanina an’i Joda koa izany, rehefa ho voafahirano i Jerosalema.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

2 Indro, Izaho hanao an’i Jerosalema ho kapoaka mampiraikiraiky ho an’ny firenena rehetra manodidina; ary ho toy izany koa ny amin’i Joda, amin’ny hanaovana fahirano an’i Jerosalema.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

2 –Indro Aho hanao an’i Jerosalema ho tsatokaty feno ny divaim-pahatezerako, ka hahafanina ny firenena rehetra manodidina. Ary hahafanina an’i Joda koa izany, rehefa ho voafahirano i Jerosalema.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

2 Indro hataoko tokonana fanozongozona i Jerosalema ho an’ny firenena manodidina rehetra; ary ho an’i Jodà koa izany, amin’ny hanaovana fahirano an’i Jerosalema.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

2 Indro, Izaho hanao an’i Jerosalema ho kapoaka mampiraikiraiky ho an’ny firenena rehetra manodidina; ary ny Joda koa hiharan’izany ny hanaovana fahirano an’i Jerosalema.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

2 Indro, Izaho hanao an'i Jerosalema ho kapoaka mampiraikiraiky ho an'ny firenena rehetra manodidina; ary ny Joda koa hiharan'izany ny hanaovana fahirano an'i Jerosalema.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

2 Indro, Izaho hanao an’i Jerosalema ho kapoaka mampiraikiraiky ho an’ny firenena rehetra manodidina; ary ho toy izany koa ny amin’i Joda, amin’ny hanaovana fahirano an’i Jerosalema.

Jereo ny toko dika mitovy




Zakaria 12:2
15 Rohy Ifampitohizana  

satria Andriamanitra no mpitsara, ka mampietry ny sasany Izy ary manandratra ny hafa kosa.»


Mifohaza ianao, ry Jerosalema, mifohaza ka mitsangàna! Nampisotroin’ny TOMPO anao ny tsatokaty feno ny fahatezerany, dia tsatokaty misy fisotro mahafanina izay notrohinao hatramin’ny faikany.


Izao no voalazan’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely tamiko: «Raiso etỳ an-tanako ity tsangambava izay feno ny divaim-pahatezerako ity, ka ampisotroy ny firenena rehetra izay anirahako anao.


Dia noraisiko ny tsangambava izay teny an-tanan’ny TOMPO, ary nampisotroiko ny firenena rehetra izay nanirahan’ny TOMPO ahy.


Izao tokoa no lazain’ny TOMPO: «Indro fa izay tsy tokony hisotro amin’ny tsatokaty aza, tsy maintsy nisotro ihany; koa ianao ve no ho afaka, ry Edôma? Tsia, tsy ho afaka ianao, tsy maintsy hisotro amin’ny tsatokaty ianao!


«Homamoiko ireo mpitondra azy sy ny olon-kendriny, ireo governorany sy ny lefiny ary ireo maherifony. Hatory mandrakizay ireny ka tsy hifoha intsony, hoy ny teny hentitr’ilay Mpanjaka, izay antsoina hoe TOMPOn’izao rehetra izao.»


I Babilôna dia tsatokaty volamena teo an-tanan’ny Tompo. Nahamamo ny tany manontolo izy; ny divainy efa nisotroan’ny firenena no nahavery saina ireny.


Nahoana no mijanona eto isika? Andeha hifamory isika ka hiditra ao amin’ny tanànamimanda ary dia miandry ny ho faty ao, satria ny TOMPO Andriamanitsika no manendry antsika ho faty ka mampisotro antsika rano voapoizina, noho isika efa nanota taminy:


Ho rakotra henatra ianareo fa tsy voninahitra: Misotroa koa ianareo ka mitanjaha! hoentin’ny TOMPO hampibobohany anareo ilay tsangambava feno ny famaizany ka hiova fahafaham-baràka ny voninahitrareo.


Ny lehilahin’i Joda hiady mba hiaro an’i Jerosalema, ary haka ny haren’ny firenena rehetra manodidina: koa dia hangoniny ny volamena sy ny volafotsy mbamin’ireo fitafiana marobe.


Ary hangonin’ny Tompo ny firenen-drehetra hamely an’i Jerosalema; dia azon’ireo ny tanàna, ka horobainy ny trano ary hanaovany an-keriny ny vehivavy; ny antsasaky ny mponina dia ho lasan-ko babo fa ny vahoaka sisa kosa ho afa-mijanona ao an-tanàna.


dia izy koa no hisotro ny divain’ny haviniran’Andriamanitra, divay izay efa naidina tsy misy fangarony ao anatin’ny tsatokaty fisotroana ny hatezeran’Andriamanitra; sady hampijalîna amin’ny afo sy solifara eo anatrehan’ny anjely masina sy eo anatrehan’ny Zanakondry izy.


Vaky ho telo toko ilay tanàna lehibe; rava ireo tanànan’ny firenena; tsy hadinon’Andriamanitra ny nanasazy an’i Babilôna lehibe, ka nomeny azy ny tsatokaty feno divay, dia ny divay manambara ny firehetam-pahatezeran’Andriamanitra.


Mamalia azy araka izay nafitsony taminareo, ka ataovy avo sasaka noho izay vitany; ny tsatokaty, izay nasiany zava-pisotro mifangaro ho anareo, dia asio zava-pisotro mifangaro indroa heny ho azy;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra