Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Zakaria 12:1 - DIEM PROTESTANTA

1 Hafatry ny Tompo momba an’i Israely. Izao no teny hentitra ambaran’ny Tompo Izay namelatra ny lanitra sy namorona ny tany, ary nanome aina ny olona:

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

1 Teny faminaniana. Tenin’NY TOMPO ny amin’ny Israely. Hoy NY TOMPO, izay mamelatra ny lanitra sy manao ny fanorenan’ny tany ary nanamboatra ny fanahin’ny olona ao anatiny:

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

1 Hafatry ny Tompo momba an’i Israely. Izao no teny hentitra ambaran’ny Tompo Izay namelatra ny lanitra sy namorona ny tany, ary nanome aina ny olona:

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

1 Didim-pitsarana. Tenin’i Iaveh amin’i Israely. Teny marin’i Iaveh, izay namelatra ny lanitra sy nanorina ny tany, ary namorona ny fanahin’ny olombelona ao anatiny:

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

1 TENY faminaniana avy tamin’i Jehovah ny amin’ny Isiraely. Hoy Jehovah, Izay mamelatra ny lanitra sy manao ny fanorenan’ny tany ary mamorona ny fanahin’ny olona ao anatiny:

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

1 Teny faminaniana avy tamin'i Jehovah ny amin'ny Isiraely. Hoy Jehovah, Izay mamelatra ny lanitra sy manao ny fanorenan'ny tany ary mamorona ny fanahin'ny olona ao anatiny:

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

1 Teny faminaniana. Tenin’NY TOMPO ny amin’ny Israely. Hoy NY TOMPO, izay mamelatra ny lanitra sy manao ny fanorenan’ny tany ary nanamboatra ny fanahin’ny olona ao anatiny:

Jereo ny toko dika mitovy




Zakaria 12:1
36 Rohy Ifampitohizana  

Ary ny habakabaka nantsoin’Andriamanitra hoe lanitra. Dia nisy hariva ary nisy maraina; izany no andro faharoa.


Ary vovoka avy amin’ny tany no nalain’ny TOMPO Andriamanitra, ka nanamboarany olombelona anankiray. Nitsofany fofonaina mahavelona tao am-bavorony, dia tonga manana aina raolombelona.


Izy no mamelatra ny lanitra avaratra eny amin’ny babangoana ambony eny, ary mampihevaheva ny tany eny ana habakabaka.


Afaka nanampy an’Andriamanitra ve ianao, fony Izy nanefy ny habakabaka sy nahamafy izany toa fitara-by?


fahazavana no lamba ifonosanao. Mamelatra ny lanitra ho toa tranolay Ianao


Hitahy anareo hatreto Tsiôna anie ny TOMPO, Mpanao ny lanitra sy ny tany!


Amin’izay no hiverina ho vovoka amin’ny tany nakana azy fahiny ny vatantsika fa ny fofonaina kosa hiverina amin’Andriamanitra Izay nanome antsika izany.


Iza no nahafatra ny ranomasina teo am-pelatanany na naharefy ny lanitra tamin’ny irain-jehiny? Iza no nahangona ny vovotany tamin’ny vata famarana tokana ary nandanja ny tendrombohitra sy ny havoana tamin’ny mizana anankiray monja?


Izy no mipetraka amin’ny sezafiandrianana eo ambonin’ny habakabaka izay andohalambon’ny tany; ka toy ny vitsika no fijeriny ny olona avy eny. Izy no nanenjana ny lanitra toy ny lambabe ary namelatra azy toy ny lay hitoerany.


Izao no tenin’ny TOMPO Andriamanitra Izay nahary ny lanitra sy nanenjana azy hidadasika, Izay namelatra ny tany mbamin’ny zava-maniry vokariny, Izay manome fofonaina ho an’ny olona eo aminy sy fanahy ho an’ny mponina miriaria ao; eny, izao no tenin’ny TOMPO Andriamanitra amin’ilay mpanompo voafidiny:


Ry vahoaka Israely, ny TOMPO Izay nanavotra anao, Ilay namorona anao hatrany am-bohòka, dia indro milaza aminao hoe: «Izaho TOMPO no manao ny zavatra rehetra, Izaho irery ihany no nanenjana ny lanitra sy namelatra ny tany fa tsy nisy nanampy.


Izaho no nanao ny tany sy nahary ny olona monina eo amboniny. Izaho no nanenjana ny lanitra tamin’ny tanako sy mibaiko ny planeta aman-kintana rehetra.


Ny TOMPO no nahary ny lanitra, Izy no Andriamanitra namorona ny tany ka namolavola sy nanamafy azy, nefa tsy nahary azy ho foana fa nanao azy mba honenana. Io Tompo io dia indro milaza hoe: «Izaho no TOMPO, ary tsy misy hafa.»


Eny, ny tanako no nametraka ny fanorenan’ny tany; ny tanako ankavanana no namelatra ny lanitra. Raha antsoiko ireo, dia miara-miseho avokoa.


Hadinonao Izaho TOMPO, Ilay nahary anao, Ilay namelatra ny lanitra sy nanorina ny tany. Fa tsy mitsaha-mangovitra isan’andro ianao eo anoloan’ny fahatezeran’ny mpampahory, izay toy ny efa mikendry hanimba anao. Kanefa aiza izao ny fahatezerany?


Fa tsy hanakiana lava Aho na ho tezitra hatrany; raha tsy izany dia ho faty eo anatrehako ny fofonaina mbamin’ny mananaina noariko.


Tamin-kery no nanaovan’ny Tompo ny tany, tamim-pahendrena no nanorenany izao tontolo izao, ary tamim-pahaizana no namelarany ny habakabaka.


«Koa aza matahotra ianareo, ry taranak’i Jakôba mpanompoko, hoy ny teny hentitry ny TOMPO; aza kivy ianao, ry firenena Israely, fa indro Aho hamonjy anao avy any amin’ny faritany lavitra any; indro Aho hamonjy ireo taranakareo avy any amin’ny tany izay nahababo azy. Hiverina ianareo, ry taranak’i Jakôba, ka hiadana sy handry feizay fa tsy hisy hanaitaitra intsony.


Nefa izay rehetra mandripaka anao dia mba haripaka ihany koa; izay rehetra mankahala anao dia mba hatao sesitany ihany koa; izay mamabo anao dia mba hobaboina ihany koa; ary izay rehetra mandroba ny fanananao dia mba hatolotro horobaina ihany koa.


Fa nianiana mangingina tamin’i Jeremià ny mpanjaka, ka nanao hoe: –Velona ny TOMPO Izay nanome aina antsika, ka mianiana aminao aho fa tsy hamono anao ho faty, ary tsy hanolotra anao amin’ireo olona mifofo ny ainao.


Nefa Izaho mpanavotra azy dia mahery: TOMPOn’izao rehetra izao no anarako. Horaisiko an-tanana tokoa ny adiny mba hampiadana ny taniny sy hampikorontana kosa ny mponin’i Babilôna.»


Tamin-kery no nanaovan’Andriamanitra ny tany, tamim-pahendrena no nanorenany izao tontolo izao, ary tamim-pahaizana no namelarany ny habakabaka.


Hafatra mamitaka sy poaka aty no nambaran’ny mpaminaninao taminao. Tsy namaky bantsilana ny helokao izy mba hiarovana anao tsy ho babo; fa hafatra mamitaka sy manodoka no nambarany taminao.


Fa samy Ahy avokoa ny ain’ny tsirairay avy, na ny an’ny ray aman-dreny na ny an’ny zanany; koa izay olona manota ihany no ho faty.


Hafatry ny TOMPO. Any amin’ny tanin’i Hadràka no tafapaka ny teniny, ka niato tao Damasy; satria samy an’ny TOMPO na ireo tanànan’i Arama na ny fitambaran’ireo fokon’ny Israely.


Hafatra nampitondrain’ny TOMPO an’i Malakỳ ho an’ny Israelita.


Dia niankohoka tamin’ny tany i Mosesy sy i Aharôna sady nanao hoe: –Ry Andriamanitra ô, Andriamanitra loharanom-piainan’ny voaary rehetra Ianao, ka hotezeranao ve ny fiangonana manontolo noho ny olona iray nanota?


Nanana ny raintsika eto an-tany isika, ary nampihatra famaizana tamintsika izy ka izany no anajantsika azy; fa vao mainka tokony hanaiky ilay Raintsika any an-danitra isika mba ho velona.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra