Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Zakaria 12:3 - DIEM PROTESTANTA

3 Ary amin’izany andro izany i Jerosalema dia hataoko toy ny vongam-bato mavesatra eo anoloan’ny firenena rehetra; ka haratra tokoa izay mitady hanainga izany. Koa ny firenena rehetra ambonin’ny tany hiray no hiady hamely ny tanàna.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

3 Ary amin’izany andro izany i Jerosalema dia hataoko vato mitambesatra amin’ny firenena rehetra ka haratra mafy izay rehetra mitady hanainga azy; ary ho tafangona hamely azy ny firenena rehetra amin’ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

3 Ary amin’izany andro izany i Jerosalema dia hataoko toy ny vongam-bato mavesatra eo anoloan’ny firenena rehetra; ka haratra tokoa izay mitady hanainga izany. Koa ny firenena rehetra ambonin’ny tany hiray no hiady hamely ny tanàna.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

3 Ary dia hisy zavatra toy izao amin’izany andro izany: i Jerosalema hataoko vato haingaina ho an’ny firenena rehetra; ka izay hanainga azy haratra mafy avokoa, ary hiangon-kamely azy, ny firenena rehetra amin’ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

3 Ary amin’izany andro izany Jerosalema dia hataoko vato mavesatra ho an’ny ny firenena rehetra, ka haràtra dia haràtra izay rehetra mivesatra azy; ary ho tafangona hamely azy ny firenena rehetra amin’ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

3 Ary amin'izany andro izany Jerosalema dia hataoko vato mavesatra ho an'ny ny firenena rehetra, ka haràtra dia haràtra izay rehetra mivesatra azy; ary ho tafangona hamely azy ny firenena rehetra amin'ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

3 Ary amin’izany andro izany i Jerosalema dia hataoko vato mitambesatra amin’ny firenena rehetra ka haratra mafy izay rehetra mitady hanainga azy; ary ho tafangona hamely azy ny firenena rehetra amin’ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy




Zakaria 12:3
31 Rohy Ifampitohizana  

Ho levona ny firenena sy fanjakana izay tsy mety hanompo anao; ho ringana tokoa ireny firenena ireny.


Ny taranak’i Jakôba ho toy ny afo, ny taranak’i Jôsefa ho toy ny lelafo; ny taranak’i Hesao kosa ho toy ny mololo ka harehitr’ireo sy holevoniny, ary tsy mba hisy sisa tavela amin’ny taranak’i Hesao. Izaho TOMPO no efa niteny!»


Dia toy izany koa, aoka ny tananareo hiainga hamely izay manohitra anareo ary aoka ho ringana avokoa ny fahavalonareo!


Fa hanody anareo ny fanimbana ala nataonareo tany Libano; naringanareo ny biby tao, ka biby koa no hampihorohoro anareo. Izany rehetra izany dia ho tonga noho ny olona novonoinareo ho faty sy ny herisetra vitanareo tamin’ny tany dia tamin’ny tanàna sy ny mponina rehetra ao.


Indro tonga ny fotoana hamelezako izay rehetra nampahory anareo. Hotsaboiko ny maratranareo, hampodîko ny voasesitany; eny, havadiko ho voninahitra sy laza ny fanaovana tsinontsinona anareo tany amin’ny tany rehetra.


Haongako ireo mpanjaka ary hofoanako ny herin’ny fanjakam-pirenena; hahohoko ny kalesiny sy ny mpamily azy; samy ho lavon’ny sabatra ka ho faty ireo soavaly ary hifamono koa ny mpitaingina azy.


Amin’izany andro izany dia hisy fisaonana lehibe ao Jerosalema, dia tahaka izay niseho tao Hadadrimôna teo amin’ny lohasahan’i Megidao.


Amin’izany andro izany, hoy ny teny hentitra ambarako, dia hataoko mandraingiraingy ny tahotra avokoa ny soavaliny, ary ny mpitaingina azy ho lasa adala; hiambina tsara ny vahoakan’i Joda Aho, kanefa hampahajamba ny soavaly rehetra izay an’ny fahavalo.


Amin’izany andro izany, ny firenen’i Joda dia hataoko tahaka ny afo mihanaka amin’ny ala na mirehitra ao ambanin’ny antontan’amboara, ka handevona ny firenena rehetra manodidina azy na eo ankavanany na eo ankaviany. Ary ny mponin’i Jerosalema dia mbola hijanona ao an-tanànany ihany.


«Amin’izany andro izany, dia hisy loharano mifantsitsitra hanasa ny loto amam-pahotan’ny taranak’i Davida sy ny mponin’i Jerosalema.»


Amin’izany andro izany dia hasian’ny Tompo fifanjevoana tsy hifankahitana ao aminy, fa samy hanainga tanana hifamely izy.


Amin’izany andro izany dia tsy hilaina intsony ny fahazavan’ny masoandro; tsy hisy intsony koa na ny hatsiaka na ny fanala.


Izay mianjera amin’izany vato izany dia ho torotoro; ary izay ianjerany kosa ho montsamontsana.]


Izay rehetra mianjera amin’izany vato izany dia ho torotoro, ary izay ianjerany kosa ho montsamontsana.


Fanahin-demony manao zava-mampitolagaga ireo fanahy maloto ireo, sady mankany amin’ny mpanjaka eran’ny tany tontolo mba hamory azy ho amin’ny ady hatao amin’ilay andro lehibe hitsaran’Andriamanitra Tsitoha.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra