Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Zakaria 10:3 - DIEM PROTESTANTA

3 «Ireo vahiny miandry ny vahoakako no irehetan’ny fahatezerako; ireo osilahy no iantefan’ny famaliako. Izaho Tompon’izao rehetra izao kosa efa hamangy ny ondriko, dia ny taranak’i Joda izany. Toy ny soavaly voaravaka hiady izy no hoentiko any amin’ny toeram-piadiana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

3 Amin’ny mpiandry ondry no irehetan’ny fahatezerako ary ireo osilahy no hovaliko; Fa Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, no namangy ny taranak’i Joda, ondry andrasany, ka manao azy toy ny soavaliny miravaka ao amin’ny ady.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

3 «Ireo vahiny miandry ny vahoakako no irehetan’ny fahatezerako; ireo osilahy no iantefan’ny famaliako. Izaho Tompon’izao rehetra izao kosa efa hamangy ny ondriko, dia ny taranak’i Joda izany. Toy ny soavaly voaravaka hiady izy no hoentiko any amin’ny toeram-piadiana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

3 Nirehitra tamin’ny mpiandry ny fahatezerako, ary hofaiziko ireo osy lahy! Fa i Iavehn’ny tafika mamangy ny ondriny, ny taranak’i Jodà, ka manao azy toy ny soavalim-boninahiny eo amin’ny ady.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

3 Amin’ny mpiandry ondry no irehetan’ny fahatezerako, Ary ireo osilahy no hovaliako; Fa Jehovah, Tompon’ny maro, efa namangy ny taranak’i Joda ondriny Ka manao azy toy ny soavaliny miravaka eo amin’ny ady.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

3 Amin'ny mpiandry ondry no irehetan'ny fahatezerako, Ary ireo osilahy no hovaliako; Fa Jehovah, Tompon'ny maro, efa namangy ny taranak'i Joda ondriny Ka manao azy toy ny soavaliny miravaka eo amin'ny ady.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

3 Amin’ny mpiandry ondry no irehetan’ny fahatezerako ary ireo osilahy no hovaliko; Fa Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, no namangy ny taranak’i Joda, ondry andrasany, ka manao azy toy ny soavaliny miravaka ao amin’ny ady.

Jereo ny toko dika mitovy




Zakaria 10:3
28 Rohy Ifampitohizana  

Mihiaka izy raha vao mahare ny anjomara, ary eny lavitra eny no anamboloany ny ady sy ny treron’ny manamboninahitra ary ny akoran’ady.


Nino ny vahoaka ary nahatakatra fa efa nahita ny fahoriany tokoa ny TOMPO, ka nanao izay hanafahana azy. Dia niondrika ny Israelita mba hitsaoka ny Tompo.


Voaomana hiatrika ady ny soavaly, fa ny TOMPO kosa no manome ny fandresena.


Amiko ianao, rahavako, dia meva tahaka ny soavaly mpanao matso izay mitarika ny kalesin’ny Farao.


Kanefa rehefa vitan’ny Tompo avokoa ny asany ao an-tendrombohitra Tsiôna sy ao Jerosalema, dia hofaiziny ny mpanjakan’i Asiria noho ny fony feno avonavona sy ny fijeriny miandranandrana.


Amin’izany andro izany, dia hirotsaka an-tsehatra any ambony any ny TOMPO ka hamely ny andian’ireo planeta aman-kintana; ary hirotsaka an-tsehatra etỳ an-tany koa Izy ka hamely ny mpanjakan’ny tany.


Hadalàn’ny mpitondra izao: Tsy nanontany ny TOMPO izy. Izany no tsy nahombiazany, ary niparitahan’izay rehetra nandrasany.


Eny, izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao ny amin’ny mponin’i Hanatôta: «Hirotsaka an-tsehatra hamely azy Aho: ho fatin-tsabatra ny tovolahiny, ary ho faty mosary ny zanany lahy sy vavy.


Rehefa tapitra ny fitopolo taona, dia hirotsaka an-tsehatra Aho hamaly an’i Nebokadnetsara sy ny vahoakany noho ny helony, hamely ny taniny Aho ka hanao azy ho taniefitra rava mandrakizay. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany.


Midradradradrà, ianareo mpitondra, manaova antsoantsom-pitarainana; mihosinkosena amin’ny tany, ianareo mpiandraikitra andian’ondry, fa tonga ny andro hamonoana anareo ho faty! Hataoko montsamontsana ianareo, ka ho toy ny fanaka sarobidy nianjera.


Andian’ondry very ny vahoakako fa ny mpiandriny no nandiso lalana azy, ka nampirenireny azy teny an-tendrombohitra. Nifindrafindra tendrombohitra sy havoana izy ka nanadino ny vala fandriany.


«Izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: Ny tenako mihitsy no hiandraikitra sy hikarakara ny andianondriko.


Himasoako ny hanangona azy tahaka izay ataon’ny mpiandry amin’ny andro iparitahan’ny ondry. Izaho handeha haka azy ireny any amin’ny toerana rehetra izay niparitahany tamin’ny andro mandrahona sy maizim-pito.


«Ry ilay taranak’olombelona, ijoroy ny maha-mpaminany anao mba hamelezako ireo lehibe mpiandry ny vahoaka Israely, eny, ijoroy ny maha-mpaminany anao ka ampitao aminy fa Izaho Tompo ANDRIANANAHARY dia manambara hoe: Lozanareo mpiandry ny vahoaka Israely! Fa ny tenanareo ihany no karakarainareo! Moa tsy ny andian’ondry va no tokony hokarakarainareo?


Ary izy mpanjaka mihitsy no handroboka ny olona hitsipaka ny fanekempihavanana amin’ny fandokadokafana. Nefa ny olona izay mahalala an’Andriamaniny dia hiorina mafy amin’ny fanaony;


Izao no teny hentitra ataon’ny TOMPO: «Amin’izany andro hanaovako sorona izany dia hofaiziko ny mpitondra sy ny zanaky ny mpanjaka ary izay rehetra manaraka fomba fitafy vahiny.


Ny sisa velona amin’ny taranak’i Joda no hanana izany faritra izany; ao no hiandrasany biby fiompy, ary ny tranon’i Askelôna no hatoriany amin’ny hariva. Fa hanasoa azy ny TOMPO Andriamaniny ary hanome fanambinana azy indray.


Lozan’ny mpiandry adala izay mandao ny ondriny! Enga anie ny sabatra handrotika ny sandriny sy hanapotsitra ny masony ankavanana! Ka dia halemy hatrany anie ny sandriny, ary tsy hahita intsony ny masony ankavanana!


–Hisaorana anie ny Tompo, Andriamanitr’i Israely, noho Izy namangy sy nanavotra ny vahoakany!


Manàna fitondrantena tsara eo anivon’ny mpanompo sampy; fa na dia endrikendrehiny ho mpanao ratsy aza ianareo, dia ho hitany tokoa ny asa tsara ataonareo, ka hanomezany voninahitra an’Andriamanitra amin’ny andro hiavian’i Kristy.


Tany Môaba i Nahômỳ no nandre fa notahin’ny TOMPO ny vahoakany ka nomeny hanina. Noho izany, ry i Nahômỳ sy ny vinantovaviny dia nioman-kandao ny faritr’i Môaba.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra