Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Zakaria 10:2 - DIEM PROTESTANTA

2 Fa zava-poana no tenenin’ny sampy. Ary lainga no hany hitan’ny mpisikidy; tsy misy dikany ny nofy tantarainy, feno fitaka ny fampiononana entiny. Izany no nahavoatery ny vahoaka handeha, ka ory tahaka ny andianondry tsy misy mpiandry.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

2 Fa ny terafima dia niteny zava-poana ary ny mpisikidy nahita fahitana mandainga ka nilaza nofy lainga, Foana ny fampiononana nataony. Koa izany no naniasiavany toy ny ondry; ory izy, satria tsy misy mpiandry.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

2 Fa zava-poana no tenenin’ny sampy. Ary lainga no hany hitan’ny mpisikidy; tsy misy dikany ny nofy tantarainy, feno fitaka ny fampiononana entiny. Izany no nahavoatery ny vahoaka handeha, ka ory tahaka ny andianondry tsy misy mpiandry.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

2 Fa ny terafima nilaza zava-poana, ary ny ombiasy nahazo fahitana lainga; nofy foana no ambaran’ireny, ary fampiononana sandoka no omeny; ka noho izany, izy ireo mandeha toy ny ondry; nampahorina, fa tsy nisy mpiandry.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

2 Fa ny sampy niteny zava-poana, Ary ny mpanao fankatovana nahita lainga Ka nilaza nofy lainga, Foana ny nampiononany; Koa izany no naniavany toy ny ondry Ory izy, satria tsy misy mpiandry.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

2 Fa ny sampy niteny zava-poana, Ary ny mpanao fankatovana nahita lainga Ka nilaza nofy lainga, Foana ny nampiononany; Koa izany no naniavany toy ny ondry Ory izy, satria tsy misy mpiandry.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

2 Fa ny terafima* dia niteny zava-poana ary ny mpisikidy nahita fahitana mandainga ka nilaza nofy lainga, Foana ny fampiononana nataony. Koa izany no naniasiavany toy ny ondry; ory izy, satria tsy misy mpiandry.

Jereo ny toko dika mitovy




Zakaria 10:2
44 Rohy Ifampitohizana  

I Labàna tamin’izay dia lasa nanety ny ondry aman’osiny; ka nangalarin’i Rahely ny sampin-drainy.


Dia hoy ny navalin’i Mikaià: –Hitako fa ny tafik’i Israely manontolo dia niely teny an-tendrombohitra toy ny ondry tsy misy mpiandry. Ary ny TOMPO niteny hoe: «Tsy mana-mpifehy intsony ireo miaramila ireo, ka aoka izy samy hody soa aman-tsara any an-tranony avy.»


Fa ianareo dia mpamoron-dainga, dokotera tsy mahasitrana avokoa.


Koa tsy misy antony amiko izay fampiononanareo, fa lainga avokoa no raketin’ny valinteninareo.


Tsinontsinona ny andriamani-tsiizy rehetra, zava-poana ny zavatra ataony, tsio-drivotra miserana ny sampiny sady zavatra tsy misy fotony!


Koa hataoko tsy misy vokany ny famantarana vitan’ny mpimasy ary hataoko mirediredy ny mpisikidy; hataoko mianòtra ny olon-kendry ka hody fahadalana ny fahalalàny.


Zava-poana avokoa ny mpanao sarivongan-tsampy ary tsy mahasoa akory ny zavatra lalainy: Ny sarivongan-tsampy no vavolombelona ho azy, kanefa vavolombelona tsy mahita akory, ary tsy mahalala na inona na inona ka handiso fanantenana azy.


Iza moa no ampitovinareo amiko ary hanoharanareo Ahy? Iza no hampifandanjanareo amiko ka hahitana fifanahafana aminay?


Fa adala sy very saina izy rehetra: zava-poana ny fampianarany fa tapa-kazo ihany izany.


Fa namaly aho hoe: –Indrisy, ry Tompo ANDRIANANAHARY ô! Indreo ny mpaminany milaza aminy hoe: «Tsy hiharan’ny ady na ny mosary ianareo, fa Andriamanitra mihitsy no hanome fiadanana marina ho anareo eto amin’ity toerana ity.»


Moa misy mahalatsaka orana ve ny sampin’ireo firenen-kafa? Moa ny lanitra va mampirotsaka oram-baratra fa tsy Ianao, ry TOMPO Andriamanitray? Koa mitoky aminao izahay satria Ianao no manao ireo rehetra ireo.


Ny olona maniratsira ny teniko dia sahiny ilazana hoe: ‹Hisy fiadanana ho anareo›. Mikiribiby amin’ny ditram-pony dia anambaràny hoe: ‹Tsy hahatratra antsika ny loza.›


Indro Aho hamely ny mpaminany mihambo ho mahita fahitana, hoy ny teny hentitra ambarako. Fa rehefa mitantara izany izy, dia mampivily ny vahoakako amin’ny lainga sy habobo ampitainy. Izaho anefa tsy naniraka azy na nanome baiko azy. Tsy mahasoa ny vahoakako akory izy, hoy ny teny hentitra ambarako.


Fa maminany lainga aminareo izy; koa raha mihaino azy ianareo, dia hoentina hanalavitra ny taninareo. Eny, horoahiko hiala eto ianareo ka ho lany ringana.


Misy mpaminany mihambo milaza fa tsy hanompo ny mpanjakan’i Babilôna intsony ianareo. Maminany lainga izy, ka aza mihaino azy ianareo.


«Noho izany, dia aza henoinareo ny mpaminaninareo na ny mpisikidy milaza ny hoavy amin’ny antsapaka, na ny mpilaza nofy na ny mpanandro na ny mpimasy izay mihambo fa tsy hanompo an’i Nebokadnetsara ianareo.


Avy eo dia hoy koa i Jeremià tamin’i Hananià mpaminany: –Henoy tsara aho, ry Hananià: Tsy naniraka anao ny TOMPO, fa ianao no nanosika ity vahoaka ity hiantehitra amin’ny lainga.


«Izao koa no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao sady ilay Andriamanitr’i Israely: ‹Aza manaiky hofitahin’ireo mpaminany izay eo anivonareo na ireo mpisikidy. Aza mihaino ireo mpilaza nofy izay manazava ny nofinareo.


Ary nankaiza ireo mpaminany izay naminany teo aminareo fa tsy ho tonga hanafika anareo na ity tanàna ity ny mpanjakan’i Babilôna?


I Israely dia toy ny ondry very izay nenjehin’ny liona. Ny mpanjakan’i Asiria no voalohany nihinana taminy; avy eo dia tonga i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna nanapatapaka ny taolany.


Ianao no nampiasaiko hanorotoroana ny mpiandry ondry sy ny andian’ondriny, ny mpamboly sy ny ombiny mizioga, ary ny governora sy ny lefiny.»


Alasafay fotsiny no nitsaboany ny fahavoazan’ny vahoakako tamin’ny nilazany hoe: «Fiadanana, fiadanana!»; kanjo tsy nisy fiadanana akory!


Alasafay fotsiny no nitsaboany ny fahavoazan’ny vahoakako tamin’ny nilazany hoe: «Fiadanana, fiadanana!»; kanjo tsy misy fiadanana akory.


Hafatra mamitaka sy poaka aty no nambaran’ny mpaminaninao taminao. Tsy namaky bantsilana ny helokao izy mba hiarovana anao tsy ho babo; fa hafatra mamitaka sy manodoka no nambarany taminao.


Ry sabatra maranitra ô, kapao mihodin-kavanana sy mihodin-kavia, na aiza na aiza voatendry hamelezanao.


Koa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Mampahatsiaro Ahy tsy tapaka ny helokareo ianareo amin’ireo fikomianareo an-karihary; ary ny asa rehetra nataonareo no mampiseho ny fahotanareo. Noho ianareo nanao izay hahatsiarovana anareo toy izany, dia hosamborin’ny fahavalo tokoa ianareo!›


Koa niparitaka ireny ondry ireny satria tsy misy mpiandry, ka tonga rembin’ny bibidia.


Velona Izaho Tompo ANDRIANANAHARY ka manao teny hentitra sy mianiana fa tsy nisy mpiandry azy ny andian’ondriko ka lasan’ny mpangalatra sy zary rembin’ny bibidia rehetra. Ireo mpiandry ny ondriko manko tsy miraharaha ny ondry sady tsy mikarakara azy fa ny tenany no karakarainy.


Koa andro maro no hijanonan’ny Israelita tsy hana-mpanjaka na filoha, sorona na tsangam-bato, efôda na terafîma.


Hoy ny Tompo hoe: «Hangoniko tokoa ianareo rehetra, ry taranak’i Jakôba; hovorîko tokoa ianareo sisa velona amin’ny Israely. Hatambatro ho iray tahaka ny ondry ao am-balany ianareo, tahaka ny ondry andiany eny an-tsaha fiandrasana azy no hisian’ny olona maro hifanaretsaka eto.»


Atao inona moa ny sarin-tsampy? Sary sikotry ny mpahay taozavatra ihany ireny na metaly narendrika hampianatra lainga! Nahoana ny olona no matoky izay zavatra noforoniny ihany, tamin’ny nanaovany sampy moana?


Lozan’ny mpiandry adala izay mandao ny ondriny! Enga anie ny sabatra handrotika ny sandriny sy hanapotsitra ny masony ankavanana! Ka dia halemy hatrany anie ny sandriny, ary tsy hahita intsony ny masony ankavanana!


sy hitarika azy amin’ny toe-javatra rehetra, mba tsy ho toy ny ondry tsy misy mpiandry ny fiangonanao.


Onena Izy nahita ny vahoaka, satria niferinaina ireo sady nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry.


Rehefa niala tao an-tsambokely i Jesoa, dia nahita vahoaka maro; ka onena azy ireo ny fony satria tahaka ny ondry tsy misy mpiandry ireo, ary dia zavatra maro no nampianariny azy ireo.


Mety hisy mpaminany na mpahita mipoitra eo anivonareo ka hilaza famantarana na zava-mahagaga aminareo.


Dia hoy izy dimy lahy izay nisafo ny faritanin’i Laîsy tamin’ny namany: –Fantatrareo ve fa ny iray amin’ireo trano ireo dia misy efôda sy terafima ary sampy vita sarivongana metaly narendrika? Ankehitriny hevero izay tokony hataonareo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra