Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Rota 2:23 - DIEM PROTESTANTA

23 Dia nandeha nitsimpona niaraka tamin’ireo vehivavy mpiasan’i Bôhaza i Rota mandra-pahavitan’ny fijinjana ny vary ôrza sy ny varimbazaha rehetra. Dia niara-nipetraka tamin’ny rafozambaviny hatrany izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

23 Ary tsy nety nisaraka tamin’ny mpanompovovavin’i Boaza izy fa nitsimpona mandra-pahatapitra ny fijinjana ny varimbazaha; tao amin’ny rafozambaviny izy no nitoetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

23 Dia nandeha nitsimpona niaraka tamin’ireo vehivavy mpiasan’i Bôhaza i Rota mandra-pahavitan’ny fijinjana ny vary ôrza sy ny varimbazaha rehetra. Dia niara-nipetraka tamin’ny rafozambaviny hatrany izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

23 Ka dia niaraka tamin’ireo mpanompovavin’i Booza izy mandra-pahatapitry ny fijinjana ny orja sy ny frômanta. Ary tao amin’ny rafozany ihany izy no nitoetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

23 Ary izy tsy nety nisaraka tamin’ny zatovovavin’i Boaza, fa nitsimpona mandra-pahatapitry ny fijinjana ny vary hordea sy ny vary tritika; ary nitoetra tao amin’ny rafozani-vavy izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

23 Ary izy tsy nety nisaraka tamin'ny zatovovavin'i Boaza, fa nitsimpona mandra-pahatapitry ny fijinjana ny vary hordea sy ny vary tritika; ary nitoetra tao amin'ny rafozani-vavy Izy.

Jereo ny toko dika mitovy




Rota 2:23
11 Rohy Ifampitohizana  

Simba avokoa ny rongony sy ny vary ôrza, fa efa niteraka ny ôrza ary efa mamony ny rongony.


Ny zanaka hendry mihaino ny anatry ny rainy, fa ny zanaka mpaniratsira kosa mandà fitsikerana.


Izay miaraka amin’ny hendry dia hihahendry; fa izay misakaiza amin’ny adala kosa hiharatsy.


Raha mbola tao ambany tao an-tokotany i Petera, dia avy ny anankiray tamin’ireo vehivavy mpiasan’ny mpisorombe.


Aoka tsy ho voafitaka ianareo, fa «mamohehatra ny toetra tsara ny namana tsy valahara.»


Hanisa fito herinandro ianareo, ka miantomboka amin’ny andro hiandohan’ny fijinjam-bary no hanisanareo izany.


Dia toy izany no niverenan’i Nahômỳ avy any amin’ny faritr’i Môaba; ary niaraka taminy koa i Rota, vehivavy môabita vinantony. Tonga tany Betlehema izy mianaka tamin’ny fiandohan’ny fijinjana vary ôrza.


Dia hoy i Nahômỳ tamin’i Rota vinantovaviny: –Tsara izany anaka, satria hivoaka miaraka amin’ireo vehivavy mpiasan’i Bôhaza ianao, fandrao hisy hikasi-tanana anao raha any amin’ny tanimbary hafa.


Indray andro dia hoy i Nahômỳ rafozambaviny tamin’i Rota: –Tsy maintsy mitady tokantrano misy fiadanana izay hahasoa anao aho anaka.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra