Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Rota 2:22 - DIEM PROTESTANTA

22 Dia hoy i Nahômỳ tamin’i Rota vinantovaviny: –Tsara izany anaka, satria hivoaka miaraka amin’ireo vehivavy mpiasan’i Bôhaza ianao, fandrao hisy hikasi-tanana anao raha any amin’ny tanimbary hafa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

22 Ary hoy i Naomy tamin’i Rota vinantovaviny: Tsara izany anaka, raha miara-miasa amin’ny zatovovavy ianao, fandrao hisy haninona anao raha any amin’ny saha hafa.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

22 Dia hoy i Nahômỳ tamin’i Rota vinantovaviny: –Tsara izany anaka, satria hivoaka miaraka amin’ireo vehivavy mpiasan’i Bôhaza ianao, fandrao hisy hikasi-tanana anao raha any amin’ny tanimbary hafa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

22 Ka hoy i Nôemì tamin’i Rota vinantony: «Tsara, anaka, raha miaraka amin’ny mpanompovaviny ianao, fandrao dia asian’ny olona ratsy, raha any an-tsaha hafa.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

22 Ary hoy Naomy tamin’i Rota vinantoni-vavy: Tsara izany, anaka, raha miara-mivoaka amin’ny ankizivavy hianao, fandrao hisy haninona anao raha any an-tsaha hafa.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

22 Ary hoy Naomy tamin'i Rota vinantoni-vavy: Tsara izany, anaka, raha miara-mivoaka amin'ny ankizivavy ianao, fandrao hisy haninona anao raha any an-tsaha hafa.

Jereo ny toko dika mitovy




Rota 2:22
5 Rohy Ifampitohizana  

Aza mahafoy ny sakaizanao na ny naman-drainao. Raha tojo fahasahiranana ianao, aza mankany amin’ny rahalahinao, fa tsara kokoa ny mpifanila akaiky noho ny rahalahy lavitra.


Raha tsy fantatrao izany, ry vehivavy tsara tarehy indrindra, dia araho ny dian’ondry; ka tariho ny zanak’osinao hanakaiky ny lain’ireo mpiandry ondry.


Raha mbola tao ambany tao an-tokotany i Petera, dia avy ny anankiray tamin’ireo vehivavy mpiasan’ny mpisorombe.


Dia hoy indray i Rota vehivavy môabita: –Nomeny ny lalana koa aza aho mba hanohy hitsimpona eny aorian’ny mpanompony mandra-pahavitan’ny fijinjana rehetra.


Dia nandeha nitsimpona niaraka tamin’ireo vehivavy mpiasan’i Bôhaza i Rota mandra-pahavitan’ny fijinjana ny vary ôrza sy ny varimbazaha rehetra. Dia niara-nipetraka tamin’ny rafozambaviny hatrany izy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra