Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Rota 1:9 - DIEM PROTESTANTA

9 Homen’ny TOMPO vady anie ianareo, ka hahita fiadanana ao an-tranon’ny vadinareo avy! Dia norohan’i Nahômỳ ireto vinantovaviny; fa nanandram-peo nitomany izy roa vavy

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

9 Homen’NY TOMPO tokantrano anie ianareo ka hahita fiadanana amin’izay tranon’ny vadinareo avy. Dia nanoroka azy i Naomy. Ary samy nanandratra ny feony izy roa vavy ka nitomany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

9 Homen’ny TOMPO vady anie ianareo, ka hahita fiadanana ao an-tranon’ny vadinareo avy! Dia norohan’i Nahômỳ ireto vinantovaviny; fa nanandram-peo nitomany izy roa vavy

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

9 Samy hampahitan’i Iaveh fiadanana avy anie ianareo, any amin’ny tranon’izay ho vadinareo». Dia nanoroka azy ireo izy. Ary izy roa vavy kosa nanandratra ny feony, ka nitomany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

9 Homen’i Jehovah tokan-trano anie hianareo ka hahita fiadanana amin’izay tranon’ny vadinareo avy. Dia nanoroka azy Naomy; ary izy roa vavy dia samy nanandratra ny feony ka nitomany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

9 Homen'i Jehovah tokan-trano anie ianareo ka hahita fiadanana amin'izay tranon'ny vadinareo avy. Dia nanoroka azy Naomy; ary izy roa vavy dia samy nanandratra ny feony ka nitomany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

9 Homen’NY TOMPO tokantrano anie ianareo ka hahita fiadanana amin’izay tranon’ny vadinareo avy. Dia nanoroka azy i Naomy. Ary samy nanandratra ny feony izy roa vavy ka nitomany.

Jereo ny toko dika mitovy




Rota 1:9
8 Rohy Ifampitohizana  

Dia nanatona i Jakôba ka nanoroka an-drainy. Ary nony ren’i Itsehàka ny fofon’ny fitafiany, dia nitsodrano azy izy nanao hoe: Endrey izany fofon’ny zanako, fa tahaka ny fofon’ny saha notahîn’ny TOMPO!


Dia nanoroka an’i Rahely i Jakôba sady nitomany.


Kanefa tsy navelanao hanoroka ny zanako aman-jafiko akory aho, koa dia efa nanao hadalana ianao.


Ary nanoroka ny rahalahiny hafa rehetra koa i Jôsefa sady nitomany. Taorian’izany vao niresaka tamin’i Jôsefa ireo rahalahiny.


Nitomany avokoa ireo loholona ary samy namihina an’i Paoly sady nanoroka azy.


sady nanao taminy hoe: –Mba hiaraka aminao hiverina ho any amin’ny firenenao izahay!


dia hoy i Nahômỳ tamin’ireto vinantovaviny: –Mandehana mody any an-tranon-dray aman-dreninareo avy ianareo; hanasoa anareo anie ny TOMPO, araka izay efa nataonareo tamin’ireo maty sy tamiko koa.


Indray andro dia hoy i Nahômỳ rafozambaviny tamin’i Rota: –Tsy maintsy mitady tokantrano misy fiadanana izay hahasoa anao aho anaka.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra