Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Rota 1:16 - DIEM PROTESTANTA

16 Fa novalian’i Rota hoe: –Aza terena handao anao sy hiala amin’ny fanarahana anao aho; fa any amin’izay halehanao no halehako, ao amin’izay honenanao no honenako, ny firenenao no ho fireneko, ny Andriamanitrao no ho Andriamanitro,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

16 Hoy anefa i Rota: Aza manery ahy handao anao sy hiverina tsy hanaraka anao! Izay alehanao no halehako, ary any amin’izay atorianao ho hatoriako; ny firenenao no ho fireneko, ary ny Andriamanitrao no ho Andriamanitro;

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

16 Fa novalian’i Rota hoe: –Aza terena handao anao sy hiala amin’ny fanarahana anao aho; fa any amin’izay halehanao no halehako, ao amin’izay honenanao no honenako, ny firenenao no ho fireneko, ny Andriamanitrao no ho Andriamanitro,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

16 Fa hoy i Rota: «Aza manery ahy handao anao ka hody any lavitra anao, fa izay halehanao no halehako, izay honenanao no honenako, ny firenenao no ho fireneko, ny Andriamanitrao no ho Andriamanitro;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

16 Fa hoy Rota: Aza manery ahy handao anao sy hiala amin’ny fanarahana anao; fa izay alehanao no halehako ary izay itoeranao no hitoerako, ny firenenao no ho fireneko, ary ny Andriamanitrao no ho Andriamanitro;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

16 Fa hoy Rota: Aza manery ahy handao anao sy hiala amin'ny fanarahana anao; fa izay alehanao no halehako ary izay itoeranao no hitoerako, ny firenenao no ho fireneko, ary ny Andriamanitrao no ho Andriamanitro;

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

16 Hoy anefa i Rota: Aza manery ahy handao anao sy hiverina tsy hanaraka anao! Izay alehanao no halehako, ary any amin’izay atorianao ho hatoriako; ny firenenao no ho fireneko, ary ny Andriamanitrao no ho Andriamanitro;

Jereo ny toko dika mitovy




Rota 1:16
23 Rohy Ifampitohizana  

Fa hoy i Itàhy namaly ny mpanjaka: –Velona ny TOMPO ka mianiana aminao aho fa na aiza na aiza hisy anao, ry andriamanjaka, na ho faty na ho velona, dia any koa no hitoerako.


Misy andriambavy iray mitsena anao, dia mpanjakavavy maka toerana eo ankavananao sady miravaka volamena avy any Ôfira.


Ny namana dia izay tia amin’ny fotoana rehetra, ka miseho toy ny mpiray tampo izy amin’ny fahoriana.


Fa hamindra fo amin’ny taranak’i Jakôba ny TOMPO; eny, mbola hifidy an’i Israely ihany Izy, ka hampiorina azy indray eo amin’ny taniny. Hikambana amin’ireo ny vahiny mpifindramonina ka hitambatra amin’ny ankohonan’i Jakôba.


Izay ny mpanjaka vao namaly an’i Daniela ka nanao hoe: –Marina tokoa fa ny Andriamanitrareo no Andriamanitry ny andriamanitra sy Tompon’ny mpanjaka ary mpanambara ny zava-miafina, matoa afaka nanambara tamiko izany zava-miafina izany ianao.


Noho izany dia mamoaka izao didy izao ho an’ny foko sy firenena ary samy hafa fiteny rehetra aho hoe: «Izay manao teny tsy voahevitra ny amin’ny Andriamanitr’i Sadràka sy i Mesàka ary i Habeda-Negao dia hotetitetehina ary hatao fanariam-pako ny tranony; fa tsy misy andriamani-kafa mahavonjy tahaka izao.»


Fa Izaho no TOMPO Andriamanitrao, hatry ny fony ianao tany Ejipta; ary ianao dia tsy mahafantatra andriamani-kafa ankoatrako sy mpamonjy afa-tsy Izaho.


Amin’izay andro izay, hoy Izaho TOMPOn’izao rehetra izao, dia hisy vahiny folo izay samy hafa fiteny hihazona Jiosy iray amin’ny sisin’akanjony, ka hitambezo aminy hoe: ‹Mba te handeha hiaraka aminareo izahay, satria efa renay fa momba anareo Andriamanitra›.»


Nisy anefa mpahay lalàna nanatona Azy ka nilaza taminy hoe: –Mpampianatra ô, hiaraka aminao aho na aiza na aiza alehanao!


Ka hoy i Petera taminy: –Ahoana, ry Tompo, no tsy ahazoako manaraka Anao ankehitriny? Na ny aiko aza dia hafoiko ho Anao.


Kanefa dia novaliany hoe: –Nahoana no mitomany ianareo, ka mitady hanakivy ahy. Izaho dia tsy vonon-kifatotra ihany, fa vonon-ko faty koa any Jerosalema mba ho voninahitr’i Jesoa Tompo.


Fa izy rehetra dia milaza ny momba anay ka mitantara ny nidiranay tatỳ aminareo sy ny nialanareo tamin’ny sampinareo ka nitodihanareo tamin’Andriamanitra, mba hanompoanareo ilay Andriamanitra velona sady marina.


IZY no nandroaka ny firenena rehetra teo anoloantsika, indrindra ny Amôrita izay nonina teto amin’ity tany ity. Koa hanompo ny TOMPO ihany koa izahay fa Izy no Andriamanitray.


Ireo no tsy nandoto tena tamin’ny fomban-tsampy, satria madio toetra. Ireo no mpanaraka ny Zanakondry na aiza na aiza alehany. Ireo no efa navotana avy tamin’ny olona, mba ho santa-bokatra atolotra ho an’Andriamanitra sy ho an’ny Zanakondry.


Dia hoy i Nahômỳ tamin’i Rota: –Indro ny rahavavinao nody any amin’ny fireneny sy ny andriamaniny, modia koa ianao miaraka aminy.


ao amin’izay hahafatesanao no hahafatesako sady ao no hilevenako. Hataon’ny TOMPO amiko anie ny famaizana mafy indrindra raha tsy ny fahafatesana ihany no hampisaraka ahy aminao!


Dia namaly ilay mpanompo, lehiben’ny mpijinja, ka nanao hoe: –Ilay vehivavy môabita io, izay niaraka tamin’i Nahômỳ fony izy niverina tany amin’ny faritr’i Môaba.


Io zafinao io dia hampitombina ny fanahinao sy ho mpanolokolo anao amin’ny fahanteranao, satria ilay vinantovavy fatra-pitia anao sady tsara lavitra ho anao noho ny zanakalahy fito no efa niteraka azy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra