Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Rota 1:15 - DIEM PROTESTANTA

15 Dia hoy i Nahômỳ tamin’i Rota: –Indro ny rahavavinao nody any amin’ny fireneny sy ny andriamaniny, modia koa ianao miaraka aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

15 Hoy izy: Indro, ny rahavavinao dia lasa nody ho any amin’ny fireneny sy ny andriamaniny ka mba miverena koa ianao hanaraka ny rahavavinao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

15 Dia hoy i Nahômỳ tamin’i Rota: –Indro ny rahavavinao nody any amin’ny fireneny sy ny andriamaniny, modia koa ianao miaraka aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

15 Ka hoy i Nôemì: «Nody ho any amin’ny fireneny sy ny andriamaniny irỳ ny zaobavinao, ka mba modia miaraka amin’ny zaobavinao koa.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

15 Ary hoy izy: Indro ny rahavavinao lasa nody ho any amin’ny fireneny sy ny andriamaniny, ka mba miverena hianao koa hanaraka ny rahavavinao.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

15 Ary hoy izy: Indro ny rahavavinao lasa nody ho any amin'ny fireneny sy ny andriamaniny ka mba miverena ianao koa hanaraka ny rahavavinao.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

15 Hoy izy: Indro, ny rahavavinao dia lasa nody ho any amin’ny fireneny sy ny andriamaniny ka mba miverena koa ianao hanaraka ny rahavavinao.

Jereo ny toko dika mitovy




Rota 1:15
16 Rohy Ifampitohizana  

Ary hoy i Elià tamin’i Elisà: –Mijanòna eto re ianao, fa irahin’ny TOMPO hankany Betela aho. Fa novalian’i Elisà hoe: –Velona ny TOMPO ary velona ny ainao, koa mianiana aho fa tsy handao anao! Dia niaraka nankany Betela izy mianaka.


Fa izay mivoana any amin’ny lala-miolikolika kosa dia aoka horoahin’ny TOMPO miaraka amin’ny mpanao ratsy! Ny fiadanana anie ho amin’i Israely!


Mandoka tena loatra izy, ka tsy miaiky hadisoana na mankahala izany.


Holevoniko izay mihataka miala amiko TOMPO ka tsy mitady AHY sady tsy mila hevitra amiko.»


Fa hoy izy namaly azy: –Tsy handeha aho, fa hody any amin’ny taniko sy ny havako.


Nony injay izy telo mianaka efa akaiky ny tanàna halehan’ireto mpianatra roa lahy, dia mody nanohy ny diany hatrany i Jesoa,


Ary ny olo-marina eo imasoko noho ny finoana dia ho velona; fa raha mihemotra izy, dia tsy sitrako.»


Nefa raha tàhiny tsy sitrakareo ny hanompo ny TOMPO, dia fidio anio izay hotompoinareo, na ny andriamanitra izay notompoin’ny razanareo tany ampitan’i Eofrata na ny andriamanitry ny Amôrita izay mponina teto amin’ny tany onenanareo; fa izaho sy ny ankohonako kosa dia hanompo ny TOMPO izahay.


Dia hoy i Josoa tamin’ny vahoaka: –Tsy hainareo ny hanompo ny TOMPO; fa Andriamanitra masina Izy, ka tsy hahazaka ny fahadisoanareo aman’otanareo.


Avy tamintsika ihany ireo no niala, saingy tsy namantsika; satria raha namantsika tokoa ireo, dia ho naharitra niaraka tamintsika. Fa ireo no niala, dia mba hampiharihary fa tsy namantsika avokoa ny olona rehetra.


Moa tsy tananao ho fanananao ve ny faritany izay nomen’i Kemôsy andriamanitrao anao? Noho izany, dia zonay koa ny hitana ho fanananay izay tany rehetra nomen’ny TOMPO Andriamanitray anay.


Dia nanandram-peo nitomany indray izy roa vavy. Ary nanoroka an-drafozambaviny i Hôrpà ho fanaovam-beloma azy, fa i Rota kosa nifikitra teo aminy.


Fa novalian’i Rota hoe: –Aza terena handao anao sy hiala amin’ny fanarahana anao aho; fa any amin’izay halehanao no halehako, ao amin’izay honenanao no honenako, ny firenenao no ho fireneko, ny Andriamanitrao no ho Andriamanitro,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra