Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Rota 1:17 - DIEM PROTESTANTA

17 ao amin’izay hahafatesanao no hahafatesako sady ao no hilevenako. Hataon’ny TOMPO amiko anie ny famaizana mafy indrindra raha tsy ny fahafatesana ihany no hampisaraka ahy aminao!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

17 izay tany hahafatesanao no hahafatesako, sady any koa no handevenana ahy; hataon’NY TOMPO amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha tsy ny fahafatesana ihany no hampisaraka antsika!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

17 ao amin’izay hahafatesanao no hahafatesako sady ao no hilevenako. Hataon’ny TOMPO amiko anie ny famaizana mafy indrindra raha tsy ny fahafatesana ihany no hampisaraka ahy aminao!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

17 izay tany hahafatesanao no hahafatesako, sady any koa no handevenana ahy. Hoentin’i Iaveh amin’izay sarotra indrindra anie aho, raha tsy ny fahafatesana tokana no hahasaraka ahy aminao.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

17 izay tany hahafatesanao no hahafatesako, sady any koa no handevenana ahy; hataon’i Jehovah amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha tsy ny fahafatesana ihany no hampisaraka antsika.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

17 izay tany hahafatesanao no hahafatesako, sady any koa no handevenana ahy; hataon'i Jehovah amiko anie izany, eny mihoatra noho izany aza, raha tsy ny fahafatesana ihany no hampisaraka antsika.

Jereo ny toko dika mitovy




Rota 1:17
18 Rohy Ifampitohizana  

Fa hoy i Itàhy namaly ny mpanjaka: –Velona ny TOMPO ka mianiana aminao aho fa na aiza na aiza hisy anao, ry andriamanjaka, na ho faty na ho velona, dia any koa no hitoerako.


Mpiray foko amin’ny mpanjaka ianareo, ary havany sy tapany, koa nahoana no ianareo indray no ho farany amin’ny fampodiana azy?›


Raha mbola antoandro ny andro dia nanatona avokoa ireo mba hampihinan-kanina an’i Davida, nefa izy kosa nianiana hoe: –Hataon’Andriamanitra amiko anie ny famaizana mafy indrindra raha manendry hanina na zavatra hafa aho mandra-pilentiky ny masoandro.


Hosazin’Andriamanitra mafy tokoa anie izaho Abinera, raha tsy hataoko amin’i Davida izay nianianan’ny TOMPO taminy,


Taorian’ny fandevenana dia hoy ilay mpaminany antitra tamin’ireo zanany: –Rehefa maty aho, dia aleveno ao amin’ny fasana ilevenan’io olon’Andriamanitra io, ka ataovy eo anilan’ny taolambalony ny taolambaloko.


Ary nandefa iraka tany amin’i Elià i Jezebela hanao hoe: «Enga anie ka hataon’ireo andriamanitra amiko ny famaizana faran’izay henjana indrindra, raha tsy afako toy ny nanaovanao ny ain’ny iray tamin’ireny koa ny ainao rahampitso tahaka izao!»


Dia nianiana tamin’ny TOMPO i Salômôna mpanjaka ka nanao hoe: –Aoka hataon’Andriamanitra amiko ny famaizana faran’izay mafy raha tsy hataoko maty i Adônià noho izany teniny izany.


Fa izy kosa mbola nampaniraka fanintelony ho amin’i Ahaba mpanjaka hoe: «Hataon’ireo andriamanitra amiko anie ny famaizana faran’izay mafy indrindra, raha avelako hisy hahafeno tanan’ilan’ny vahoaka rehetra manaraka ahy akory ny vovok’i Samaria!»


Dia hoy izy: –Hampiharin’Andriamanitra amiko anie ny famaizana mafy indrindra, raha tàhiny tsy voatapaka anio ny lohan’i Elisà zanakalahin’i Safata.


Misy andriambavy iray mitsena anao, dia mpanjakavavy maka toerana eo ankavananao sady miravaka volamena avy any Ôfira.


Hafaliana ny azy nony tonga tany ka nahita ny vokatry ny fahasoavan’Andriamanitra; ary nananatra azy rehetra i Barnabà mba tsy hiroa fo fa haharitra hiombona amin’ny Tompo.


Kanefa tsy ataoko ho zavatra ny aiko mba hahatontosako hatramin’ny farany ilay hazakazaka imasoako sy hahatomombana ilay fanompoana nankinin’i Jesoa Tompo tamiko, dia ny ho vavolombelona hanambara ny Vaovao Mahafaly momba ny fahasoavan’Andriamanitra.


Fa novalian’i Rota hoe: –Aza terena handao anao sy hiala amin’ny fanarahana anao aho; fa any amin’izay halehanao no halehako, ao amin’izay honenanao no honenako, ny firenenao no ho fireneko, ny Andriamanitrao no ho Andriamanitro,


Io zafinao io dia hampitombina ny fanahinao sy ho mpanolokolo anao amin’ny fahanteranao, satria ilay vinantovavy fatra-pitia anao sady tsara lavitra ho anao noho ny zanakalahy fito no efa niteraka azy.


Ary hoy i Saoly hoe: –Enga anie hosazîn’Andriamanitra mafy tokoa aho, raha toa ka tsy hatao maty ianao, ry Jônatàna!


dia enga anie hosazîn’ny TOMPO mafy tokoa aho raha tsy mampandre anao! Koa halefako ianao handeha tsy amin’ahiahy, ary dia homba anao tahaka ny nombàny ny raiko anie ny TOMPO!


Hosazîn’Andriamanitra mafy tokoa anie aho raha toa mbola hasiako miangana na dia lehilahy iray aza amin’ny fianakavian’i Nabala, hatramin’ny rahampitso maraina!»


–Ahoana, hoy ny TOMPO taminao? Aza misy afeninao ahy. Fa raha misy afeninao ahy na dia teny iray fotsiny amin’izay nambarany taminao aza ianao, dia hosazîn’Andriamanitra mafy tokoa anie ianao!


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra