Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 8:7 - DIEM PROTESTANTA

7 Izao no hataonao hanadiovana azy: fafazo rano fanadiovana izy, asaovy haratany ny tenany iray manontolo ary aoka hosasany ny fitafiany, dia hadio izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

7 Izao no hataonao aminy hanadiovana azy: Fafazo rano fanadiovana amin’ny ota izy, asaivo haratany avokoa ny tenany manontolo, ary aoka hosasany ny fitafiany ka hadio izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

7 Izao no hataonao hanadiovana azy: fafazo rano fanadiovana izy, asaovy haratany ny tenany iray manontolo ary aoka hosasany ny fitafiany, dia hadio izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

7 Fafazo rano fanonerana izy: aoka izy hanaratra ny tenany rehetra sy hanasa ny fitafiany, dia hidio izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

7 Ary izao no hataonao aminy hanadiovana azy: Fafazo rano fanadiovana izy, ary asaovy haratany avokoa ny tenany rehetra, ary aoka hosasany ny fitafiany, ka dia hadio izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

7 Ary izao no hataonao aminy hanadiovana azy: Fafazo rano fanadiovana izy, ary asaovy haratany avokoa ny tenany rehetra, ary aoka hosasany ny fitafiany, ka dia hadio izy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

7 Izao no hataonao aminy hanadiovana azy: Fafazo rano fanadiovana amin’ny ota izy, asaivo haratany avokoa ny tenany manontolo, ary aoka hosasany ny fitafiany ka hadio izy.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 8:7
24 Rohy Ifampitohizana  

Dia hoy i Jakôba tamin’ny ankohonany sy izay rehetra niaraka taminy: –Ario avokoa ireo andriamani-kafa eo aminareo, ka midiova ary misoloa fitafiana.


fony i Natàna mpaminany nankao aminy, rehefa naka an’i Baty-Seba ity mpanjaka.


Jereo fa meloka aho no teraka, mpanota raha notorontoronina;


Hoy indray ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Miverena any amin’ny vahoaka, ka ilazao izy mba hanoman-tena anio sy rahampitso; ary ampanasao azy koa ny fitafiany.


Firenen-kafa maro kosa no ho talanjona ny aminy; ka hitampim-bava eo anatrehany aza ireo mpanjaka, satria izay tsy mbola notantaraina taminy no hitany ary izay tsy mbola reny akory no saintsaininy.


Diovy hiala amin’ny ratsy ny fonao, raha te ho afaka ianao, ry Jerosalema. Mandra-pahoviana ny hevi-dratsy no hitoetra ao anatinao?


Hofafazako rano madio ianareo, dia hadio; eny, hodioviko ho afaka amin’ny fahalotoanareo rehetra sy ny fanompoan-tsampinareo rehetra ianareo.


Izay olona mahakasika ny farafara nandriany na toerana nipetrahany dia hanasa fitafiana sy handro sady haloto mandra-paharivan’ny andro.


Izay mipetraka amina zavatra nipetrahan’ilay lehilahy mitsika dia hanasa fitafiana sy handro sady haloto mandra-paharivan’ny andro.


Ilay lehilahy nandoro azy dia hanasa fitafiana sy handro koa, vao hiditra ny toby.


Ary nampanatonin’i Mosesy i Aharôna sy ny zanany ka nampandroiny tamin’ny rano.


Izay mikasika fatin’olona, nefa tsy manadio ny tenany, dia mandoto ny Fonena-masin’ny Tompo, ka hoesorina tsy ho isan’ny vahoaka Israely. Koa satria tsy nofafazana rano fanadiovana izy, dia haloto; ary mbola hitoetra aminy ihany ny tsy fahadiovany.


Diovy koa ny fitafianareo rehetra mbamin’ny fanaka rehetra vita hoditra na vita volon’osy na vita hazo.


Nandio ny tenany ary nanasa ny fitafiany ny Levita ka naterin’i Aharôna ho toy ny fanatitra ahevaheva atolotra ny TOMPO izy ireo sady nanaovany ny fombam-pivavahana famelan-keloka mba hanadiovany azy ireo.


Zavatra momba ny hanina sy ny fisotro ary ny fidiovana samihafa ireo, dia fitsipika ivelambelany ihany izay voadidy hatao mandra-piavin’ny fotoanandro hanaovan’Andriamanitra ny zavatra rehetra.


Na dia ny ran’osilahy sy ny ran’ombilahy ary ny lavenom-bantotr’ombivavy nodorana aza, rehefa afafy amin’ny olona voaloto, dia manadio azy ho afaka amin’ny fahalotoana ivelany;


Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo Izy. Sasao ny tananareo, ry mpanota; ary diovy ny fonareo, ry mpiroa fo.


Io rano io no tandindon’ny batisa izay amonjena anareo ankehitriny; ka tsy fanesorana lotom-batana ny batisa, fa toky omen’ny fieritreretana madio hitodika amin’Andriamanitra. Ny batisa no amonjena anareo amin’ny alalan’i Jesoa Kristy tafatsangana ho velona,


Ka novaliako hoe: –Ianao, tompoko, no mahalala! Dia hoy izy tamiko: –Ireo no avy tamin’ny fahoriana lehibe ka nanasa sy namotsy ny akanjony tamin’ny ra nafoin’ilay Zanakondry.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra