Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 8:8 - DIEM PROTESTANTA

8 Asaovy maka vantotr’ombilahy iray mbamin’ny fanatitra momba azy izy, dia lafarinina voatoto tsara sy voaharo menaka; ary haka vantotr’ombilahy iray kosa ianao ho sorona fanalana ny ota.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

8 Dia asaivo maka vantotra ombilahy iray izy, mbamin’ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry ampombaina azy, dia koba tsara toto voaharo diloilo; ary vantotra ombilahy iray koa no halainao ho fanatitra noho ny ota.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

8 Asaovy maka vantotr’ombilahy iray mbamin’ny fanatitra momba azy izy, dia lafarinina voatoto tsara sy voaharo menaka; ary haka vantotr’ombilahy iray kosa ianao ho sorona fanalana ny ota.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

8 Dia haka vantotr’ombalahy iray izy ireo mbamin’ny fanatitra momba azy, dia lafarina tsara indrindra voadity tamin’ny diloilo, ary haka vantotr’ombalahy iray hafa ianao, ho sorona noho ny ota.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

8 Dia asaovy maka vantotr’ombilahy iray izy mbamin’ny fanatitra hohanina fombany, dia koba tsara toto voaharo diloilo; ary vantotr’ombilahy iray koa no halainao ho fanatitra noho ny ota.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

8 Dia asaovy maka vantotr'ombilahy iray izy mbamin'ny fanatitra hohanina fombany, dia koba tsara toto voaharo diloilo; ary vantotr'ombilahy iray koa no halainao ho fanatitra noho ny ota.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

8 Dia asaivo maka vantotra ombilahy iray izy, mbamin’ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry ampombaina azy, dia koba tsara toto voaharo diloilo; ary vantotra ombilahy iray koa no halainao ho fanatitra noho ny ota.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 8:8
12 Rohy Ifampitohizana  

«Toy izao no zavatra hataonao rehefa hanokana an’i Aharôna sy ny zanany lahy ho mpisorona ho Ahy ianao: –Makà vantotr’ombilahy iray sy ondrilahy roa tsy misy kilema.


Ataovy ao anaty harona iray ireo, ary ento ao amin’ny Toeramasina miaraka amin’ny vantotr’ombilahy sy ny ondrilahy roa.


Fa sitraky ny TOMPO ny hahatorotoro ilay mpanompony ka izany no nampiaretany azy fangirifiriana. Fa rehefa nanolo-tena ho sorom-panorenana izy, dia hahita taranaka sy ho ela velona; ary amin’ny alalan’io mpanompony io rahateo no hahatanteraka ny sitrapon’ny TOMPO.


«Raha omby no atolotra ho sorona dorana manontolo, dia ombilahy tsy misy kilema no aoka hatolotra; eo anoloan’ny varavaran’ny Tranolay fihaonana no hitondrany azy mba hankasitrahina eo anatrehan’ny TOMPO.


Rehefa miditra ao amin’ny Toeramasina Indrindra kosa i Aharôna, dia ireto avy no fomba harahiny. Ombilahy iray hatao sorona fanalana ny ota sy ondrilahy iray hatao sorona dorana manontolo no hoentiny.


«Raha misy te hanolotra fanatitra vokatry ny tany ho an’ny TOMPO, dia lafarinina tsara indrindra no aoka hatolony; ary handrarahany menaka sy hasiany vovoka zava-manitra eo amboniny.


Vao fantany kosa ny ota vitany, dia ombilahy no aoka hatolony ho fanalana izany ka hoentiny eo anoloan’ny Tranolay fihaonana.


«Rehefa ilay mpisorombe no manota, dia mahameloka ny vahoaka rehetra izy; ka noho ny ota vitany, dia ombilahy tsy misy kilema no aoka hatolony amin’ny TOMPO mba ho sorona fanalana ny ota.


–Antsoy i Aharôna sy ny zanany miaraka aminy, hankeo anoloan’ny varavaran’ny Tranolay fihaonana; asaovy entina ny fanamiana masina, ny menaka fanosorana, ny ombilahy hatao sorona fanalana ny ota, ny ondrilahy roa ary ny harona nasiana mofo tsy misy leviora.


Satria izay tsy vitan’ny lalànan’i Mosesy, noho ny lalàna nolemen’ny maha olona mpanota, dia notontosain’Andriamanitra. Voahelok’Andriamanitra ny fahotana tao amin’ny maha olona mpanota fony Izy naniraka ny Zanany, Izay naka ny endriky ny maha olombelona mba hanaisotra ny fahotana.


Tsy mba nanota na oviana na oviana i Kristy, nefa ny otantsika dia nampitondrain’Andriamanitra Azy ho famonjena antsika, mba hahatonga antsika handray ny fahamarinana omen’Andriamanitra noho ny firaisana amin’i Kristy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra