Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 8:6 - DIEM PROTESTANTA

6 «Avaho amin’ny Israelita hafa ny Levita, dia diovy izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

6 Alao ireo levita avy amin’ny Zanak’Israely ka diovy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

6 «Avaho amin’ny Israelita hafa ny Levita, dia diovy izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

6 «Avaho amin’ny zanak’i Israely ny Levita, ka diovy. Toy izao no hanadiovanao azy:

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

6 Alao ny Levita avy amin’ny Zanak’Isiraely, ka diovy izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

6 Alao ny Levita avy amin'ny Zanak'Isiraely, ka diovy izy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

6 Alao ireo levita* avy amin’ny Zanak’Israely ka diovy.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 8:6
10 Rohy Ifampitohizana  

Ianareo kosa, manaova fanarenan-javatra ankehitriny ka aza malaina, satria ianareo no voafidin’ny TOMPO hiatrika Azy mba hanao fanompoam-pivavahana aminy sy ho mpandraharahany ary ho mpandoro vovo-javamanitra ho Azy.


Ary hoy izy taminy: –Miomàna ianareo ho amin’ny rahafakampitso. Aza mikasika vehivavy akory!


Mialà ianareo mpitondra ny fanaky ny TOMPO, mialà, mivoaha avy ao Babilôna. Aza mikasika izay maloto, fa aoka hadio ianareo no mivoaka tao!


Ny mpisorona, izay mitarika ny fombam-pivavahana fidiovana, dia hametraka ilay olona sy ireo zavatra ireo eo anatrehan’ny TOMPO, izany hoe eo anoloan’ny varavaran’ny Tranolay fihaonana.


Hipetraka toa handrendrika sy hanadio volafotsy izy. Eny, tahaka ny fanadio ny volamena sy volafotsy no hanadiovany tanteraka ireo taranak’i Levỳ. Koa dia hanolotra fanatitra amin’ny TOMPO ara-pahamarinana ireo.


–Asaivo manatona ny fokon’i Levỳ ka apetraho eo ambany fahefàn’i Aharôna mpisorona mba hanampy azy.


Hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy:


Koa raha manana ireo fampanantenana ireo isika, ry hava-malala, dia aoka isika hitandrin-tena hadio sy ho afaka amin’ny fahalotoana rehetra na ara-batana na ara-panahy, ka hiezaka ho masina tanteraka amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra.


Tamin’izay ny fokon’i Levỳ no natokan’ny TOMPO hanao ireto raharaha ireto: hitondra ny vata mirakitra ny fanekempihavanan’ny TOMPO; hitoetra eo anatrehan’ny TOMPO; hanao fanompoam-pivavahana aminy; hanome tsodrano amin’ny anarany. Mbola ataon’ny levîta ireo raharaha ireo mandraka androany.


Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo Izy. Sasao ny tananareo, ry mpanota; ary diovy ny fonareo, ry mpiroa fo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra