Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 8:24 - DIEM PROTESTANTA

24 –Izao no fepetra mikasika ny Levita: Feno 25 taona izy vao manomboka mirotsaka amin’ny asam-panompoana ao amin’ny Tranolay fihaonana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

24 Ny amin’ny levita dia izao: Hatramin’ny dimy amby roapolo taona no ho miakatra izy ireo no hanatona, hilatsaka amin’ny antokony, hanao ny fanompoana ao amin’ny tranolay fihaonana;

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

24 –Izao no fepetra mikasika ny Levita: Feno 25 taona izy vao manomboka mirotsaka amin’ny asam-panompoana ao amin’ny Tranolay fihaonana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

24 «Izao ny amin’ny Levita: Hatramin’ny 25 taona no ho miakatra, dia hilatsaka hanao ny fanompoana momba ny trano lay fihaonana izy ireo hanaovany raharaha ao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

24 Ny amin’ny Levita dia izao: Hatramin’ny dimy amby roa-polo taona no ho miakatra izy no hanatona hilatsaka amin’ny antokony hanao ny fanompoana ao amin’ny trano-lay fihaonana;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

24 Ny amin'ny Levita dia izao: Hatramin'ny dimy amby roa-polo taona no ho miakatra izy no hanatona hilatsaka amin'ny antokony hanao ny fanompoana ao amin'ny trano-lay fihaonana;

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 8:24
16 Rohy Ifampitohizana  

Natao fanisana tsirairay ireo vatan-dehilahy levita, hatramin’ny telopolo taona no ho miakatra, ka 38 000 no isany.


Ny fanoratana ny mpisorona moa dia natao araka ny fianakaviany avy; fa ny levita kosa, hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra, dia nosoratana araka ny anjara raharahany sy araka ny antokony avy.


Fa ny Levita kosa dia hitoby manodidina ny Fonena-masina mba tsy hirehitra amin’ny fiangonan’ny Israelita ny fahatezerako.»


Hisainao ny lehilahy rehetra feno telopolo taona ka hatramin’ny dimampolo taona, dia ireo rehetra tokony hirotsaka hanao ny asam-panompoana ao amin’ny Tranolay fihaonana.


Hisainao ny lehilahy feno telopolo taona ka hatramin’ny dimampolo taona, izany hoe ireo rehetra tokony hirotsaka hanao ny asam-panompoana ao amin’ny Tranolay fihaonana.


Dia niteny tamin’i Mosesy indray ny TOMPO ka nanao hoe:


Fa rehefa feno dimampolo taona kosa dia handao ny asa ka tsy hanao fanompoana intsony.


Iza no miaramila hianto-tena rehefa miantafika? Iza no mpamboly voaloboka tsy mihinana ny vokatr’izay namboleny? Iza no mpiandry ondry aman’osy tsy mivelona amin’ny rononon’ny biby andrasany?


satria tsy fitaovam-piadiana malemy, araka ny an’ny olombelona, no entinay miady; fa fitaovam-piadiana mahery, araka an’Andriamanitra, mba hoenti-mandrava mànda. Ravànay ny hevitra diso


Ry Timôty zanako, izany fepetra izany no atolotro anao, araka ireo hafatr’Andriamanitra voalaza fahiny tamin’ny fanendrena anao. Raiso ireo ho fitaovam-piadiana amin’ny ady tsara,


Miadia ny ady tsaran’ny finoana, hazòny ny fiaina-maharitra mandrakizay, fa ho any amin’izany fiainana izany no niantsoan’Andriamanitra anao fony ianao nanambara ilay fiekem-pinoana fatratra teo anatrehan’ny vavolombelona maro.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra