Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 6:19 - DIEM PROTESTANTA

19 Horaisin’ny mpisorony kosa ny sorok’ilay ondrilahy rehefa masaka, ary samy hakany iray avy ny mofomamy sy ny mofo manify tsy misy leviora ao anaty harona; ka hataony eo an-tanan’ilay nanokan-tena ireo, rehefa avy niharatra ny mariky ny naha nazirita azy izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

19 Halain’ny mpisorona ny sorok’ondrilahy izay efa masaka sy ny mofo iray tsy misy masirasira avy ao an-karona ary mofo manify iray tsy misy masirasira ka hatolony eo an-tanan’ny Nazirita, rehefa voaharatra ny lohany izay voatokana.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

19 Horaisin’ny mpisorony kosa ny sorok’ilay ondrilahy rehefa masaka, ary samy hakany iray avy ny mofomamy sy ny mofo manify tsy misy leviora ao anaty harona; ka hataony eo an-tanan’ilay nanokan-tena ireo, rehefa avy niharatra ny mariky ny naha nazirita azy izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

19 Ary halain’ny mpisorona ny sorok’ondralahy rehefa masaka, mbamin’ny mofo tsy misy lalivay amin’ny harona, ka hataony eo an-tanan’ilay nazareàna, rehefa voaharatra ny lohany voatokana,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

19 Dia halain’ny mpisorona ny sorok’ondrilahy izay efa masaka sy mofo iray tsy misy masirasira avy amin ny harona ary mofo manify iray tsy misy masirasira ka hataony eo amin’ny tànan’ny Nazirita, rehefa voaharatra ny lohany izay fitokanany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

19 Dia halain'ny mpisorona ny sorok'ondrilahy izay efa masaka sy mofo iray tsy misy masirasira avy amin'ny harona ary mofo manify iray tsy misy masirasira ka hataony eo amin'ny tanan'ny Nazirita, rehefa voaharatra ny lohany izay fitokanany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

19 Halain’ny mpisorona ny sorok’ondrilahy izay efa masaka sy ny mofo iray tsy misy masirasira avy ao an-karona ary mofo manify iray tsy misy masirasira ka hatolony eo an-tanan’ny Nazirita, rehefa voaharatra ny lohany izay voatokana.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 6:19
7 Rohy Ifampitohizana  

Dia niteny tamin’i Mosesy indray ny TOMPO


Ny tanany ihany no hitondra ny zavatra holevonina amin’ny afo ho an’ny TOMPO, dia ny tavin-kenan’ilay biby mbamin’ny tratrany; ka io tratrany io dia hahevaheva eo anatrehan’ny TOMPO no fomba fanolotra azy.


Dia napetrak’i Mosesy teo an-tanan’i Aharôna sy ny zanany ireo rehetra ireo ary nasainy hatolony amin’ny TOMPO ka hahevaheva eo anatrehany no fomba fanolotra azy.


Ary hoy i Mosesy tamin’i Aharôna sy ny zanany: –Andrahoy eo anoloan’ny varavaran’ny Tranolay fihaonana ny henan’ilay ondrilahy faharoa; ary eo no hihinananareo azy mbamin’ny mofo izay ao anatin’ny harona misy ny fanati-panokanana, araka izay nandidiako anareo.


mba hamepetra ny Israelita hoe: –Raha misy lehilahy na vehivavy mivoady ho Nazirita mba hanokan-tena ho an’ny TOMPO,


Afa-tsy izany, raha tsy mbola voadoro ny tavin-kena, dia tonga ny mpanampy ny mpisorona ka milaza amin’ilay mpanao sorona hoe: «Omeo hena hatsatsika aho ho an’ny mpisorona; fa tsy hekeny ny hena masaka avy aminao, fa ny manta ihany.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra