Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 6:18 - DIEM PROTESTANTA

18 Dia hanaratra ny lohany eo am-baravaran’ny Tranolay fihaonana ilay nanokan-tena; ary halainy izany volon-dohany izany ka hatsipiny ao anatin’ny afo izay mirehitra eo ambanin’ilay sorom-pihavanana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

18 Ary ny Nazirita dia hanaratra ny lohany izay voatokana eo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana, ary horaisiny ny volon-dohany izay voatokana ka hataony eo amin’ny afo izay eo ambanin’ny fanati-pihavanana.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

18 Dia hanaratra ny lohany eo am-baravaran’ny Tranolay fihaonana ilay nanokan-tena; ary halainy izany volon-dohany izany ka hatsipiny ao anatin’ny afo izay mirehitra eo ambanin’ilay sorom-pihavanana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

18 Ilay nazareàna kosa hanaratra ny lohany voatokana, eo am-baravaran’ny trano lay fihaonana; dia halainy ny volon-dohany voatokana ka hataony ao amin’ny afo eo ambanin’ny fanati-pihavanana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

18 Ary ny Nazirita hanaratra, ny lohany izay fitokanany eo anoloan’ny varavaran’ny trano-lay fihaonana, ary horaisiny ny volon-dohany fitokanany ka hataony eo amin’ny afo izay eo ambanin’ny fanati-pihavanana.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

18 Ary ny Nazirita hanaratra, ny lohany izay fitokanany eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana, ary horaisiny ny volon-dohany fitokanany ka hataony eo amin'ny afo izay eo ambanin'ny fanati-pihavanana.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

18 Ary ny Nazirita dia hanaratra ny lohany izay voatokana eo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana, ary horaisiny ny volon-dohany izay voatokana ka hataony eo amin’ny afo izay eo ambanin’ny fanati-pihavanana.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 6:18
9 Rohy Ifampitohizana  

Ny ondrilahy kosa dia hatolony amin’ny TOMPO ho sorom-pihavanana miaraka amin’ny mofo tsy misy leviora iray harona. Ary hatolony farany ny fanatitra lafarinina sy divay.


Mandritra ny fotoana rehetra anaovany voady, dia tsy hihety volo na hiharatra izy; fa mandra-pahatapitry ny fotoana izay hitokanany tena ho an’ny TOMPO, dia ho masina izy ka hamela ny volon-dohany sy ny volom-bavany haniry.


Raha misy olona maty tampoka eo anilany ka mahaloto ny fanokanan-tenany, dia hanaratra ny lohany amin’ny andro fidiovany izy, izany hoe afaka herinandro.


Torak’izany koa ianareo, rehefa vitanareo izay rehetra nasain’Andriamanitra hatao, dia milazà hoe: «Mpanompo tsy mendrika sitraka izahay, fa izay nataonay dia adidinay rahateo!»


Mbola tafajanona elaela tao Kôrinto i Paoly. Avy eo dia nanao veloma ny havana iray finoana izy ka niondrana nankany Siria, niarahan-dry i Prisila sy i Akoilà. Talohan’ny hiondrana, dia niharatra volon-doha tao Senkrea i Paoly, satria nisy voady nataony.


Koa ataovy izao lazainay aminao izao. Misy olona efa-dahy raiki-boady eto aminay.


Aoka ianao hitondra azy efa-dahy ka hiaraka aminy manatanteraka ny fombam-pivavahana fidiovana. Aloavinao mihitsy aza ny vola mety holanîny hanaratana ny lohany. Dia ho fantatry ny olona rehetra amin’izay fa endrikendrika ranofotsiny izay voalaza ny aminao, satria ianao koa aza dia manaraka sady mitandrina ny lalànan’i Mosesy.


Ny ampitson’iny, dia nitondra azy efa-dahy i Paoly ary niaraka taminy nanatanteraka ny fombam-pivavahana fidiovana. Avy eo dia nankao an-kianjan’ny tempoly i Paoly ka nanambara ny hahataperan’ny andro fidiovana mba hahazoana manolotra ny fanatitra tandrify azy dimy lahy tsirairay avy.


Hiderantsika an’Andriamanitra anie ny fahasoavana mamirapiratra izay nomeny antsika maimaimpoana ao amin’ilay Zanany malalany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra