Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 6:10 - DIEM PROTESTANTA

10 Amin’ny andro manaraka kosa no hitondrany domohina roa na voromahailala roa eo amin’ny mpisorona, eo am-baravaran’ny Tranolay fihaonana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

10 Amin’ny andro fahavalo dia hitondra domohina roa na voromailala roa ho eo amin’ny mpisorona, eo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

10 Amin’ny andro manaraka kosa no hitondrany domohina roa na voromahailala roa eo amin’ny mpisorona, eo am-baravaran’ny Tranolay fihaonana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

10 Ary amin’ny andro fahavalo, dia hitondra domohina roa na vanto-boromahailala roa amin’ny mpisorona izy, eo anoloan’ny trano lay fihaonana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

10 ary amin’ny andro fahavalo dia hitondra domohina roa na zana-boromailala roa ho eo amin’ny mpisorona, eo anoloan’ny varavaran’ny trano-lay fihaonana izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

10 ary amin'ny andro fahavalo dia hitondra domohina roa na zana-boromailala roa ho eo amin'ny mpisorona, eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana izy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

10 Amin’ny andro fahavalo dia hitondra domohina roa na voromailala roa ho eo amin’ny mpisorona, eo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana* izy.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 6:10
11 Rohy Ifampitohizana  

Ary amin’ny toy izany dia hiandry fito andro aorian’ny fidiovany tena izy vao hahazo hiditra amin’ny raharahany.


«Rehefa vorona no atolotra ho sorona dorana manontolo amin’ny TOMPO, dia domohina na voromahailala no aoka hatolotra.


«Rehefa tapitra ny fetr’andro fidiovany, araka izay zaza naterany na lahy na vavy, dia izao no hateriny amin’ny mpisorona eo anoloan’ny Tranolay fihaonana: zanak’ondry anankiray efa iray taona mba ho sorona dorana manontolo, ary voromahailala na domohina anankiray mba ho sorona fanalana ny ota.


ka hatolony ho sorona fanalana ny ota; ny anankiray kosa hatolony ho sorona dorana manontolo miaraka amin’ny fanatitra lafarinina. Dia eo anatrehan’ny TOMPO no hanaovan’ny mpisorona fanintelony ny fombam-pivavahana fanadiovana ho an’ilay olona.»


Ary amin’ny andro fahavalo, dia hitondra domohina roa na voromahailala roa izy ka hankeo anatrehan’ny TOMPO, eo anoloan’ny varavaran’ny Tranolay fihaonana, ary hanome ireo vorona ireo amin’ny mpisorona.


Amin’ny andro fahavalo, dia haka domohina roa na voromahailala roa izy ka hitondra ireo ho amin’ny mpisorona, eo anoloan’ny varavaran’ny Tranolay fihaonana.


Fa natolotra ho faty noho ny fahotantsika i Jesoa ary natsangana ho velona mba hahatonga antsika ho olo-marina eo imason’Andriamanitra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra