Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 32:1 - DIEM PROTESTANTA

1 Nanana andiana biby fiompy marobe ny taranak’i Reobena sy ny taranak’i Gada. Rehefa hitany fa mety hiompiana tsara ny faritr’i Jahezera sy ny tanin’i Gilehada,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

1 Ary ny taranak’i Robena sy ny taranak’i Gada dia nanana omby aman’ondry marobe. Hitany fa tany tsara ho fiandrasana omby aman’ondriny ny tany Jazera sy ny tany Gileada.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

1 Nanana andiana biby fiompy marobe ny taranak’i Reobena sy ny taranak’i Gada. Rehefa hitany fa mety hiompiana tsara ny faritr’i Jahezera sy ny tanin’i Gilehada,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

1 Ny zana-dRobena sy ny zanak’i Gada dia nanana biby fiompy be tokoa; ka nony hitany fa tany tsara ho fiandrasana biby fiompy ny tany ao Jazera sy ny tany ao Galaada,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

1 ARY nanana omby aman-ondry be indrindra ny taranak’i Robena sy ny taranak’i Gada; ary rehefa nahita ny tany Jazera sy ny tany Gileada izy, fa tany tsara ho fiandrasana omby aman-ondry io,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

1 Ary nanana omby aman'ondry be indrindra ny taranak'i Robena sy ny taranak'i Gada; ary rehefa nahita ny tany Jazera sy ny tany Gileada izy, fa tany tsara ho fiandrasana omby aman'ondry io,

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

1 Ary ny taranak’i Robena sy ny taranak’i Gada dia nanana omby aman’ondry marobe. Hitany fa tany tsara ho fiandrasana omby aman’ondriny ny tany Jazera sy ny tany Gileada.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 32:1
30 Rohy Ifampitohizana  

Nanan-karena tokoa i Abrama, fa nanana biby fiompy sy volafotsy ary volamena betsaka.


Ary i Lôta izay niara-dia tamin’i Abrama koa dia nanana andian’omby aman’ondry sy tranolay maro.


Dia bevohòka i Leà, ka tera-dahy ary ny anarany nataony hoe Reobena, satria hoy izy hoe: –Ny TOMPO efa nijery ny fahoriako, ary ankehitriny dia ho tia ahy ny vadiko.


Namely mafy ny mosary tao amin’ny tany Kanahàna, ka tsy misy intsony ny ahitra ho an’ny ondry aman’osinay; koa tonga mba hivahiny eto amin’ity tany ity izahay mpanomponao ankehitriny, ary miangavy mba hipetraka ao amin’ny faritr’i Gôsena.


Niampita an’i Jôrdàna izy ireo ka nitoby tao amin’ny tanànan’i Harôhera, eo an-kavanan’ilay tanàna afovoan’ny lohasan’i Gada. Avy eo dia nankany Jazera ireo,


ka tonga tany Gilehada tao amin’ny tanin’i Tahitîma-Hôdsy, dia nipaka tany Dana-Jahàna sy ny manodidina hatrany Tsidôna.


Tamin’ny andron’i Hezekià mpanjakan’i Joda no tonga tao ireo filohan-tarika voasoratra anarana ireo ka namely ny tranolay sy ny toby fiarovana hitany tao ary nandringana ny taranak’i Hama; dia nonina tao nisolo toerana azy mandraka androany, satria nisy ahitra ho an’ny andian’ondriny tao.


Nisy koa olona maro hafa fiaviana niara-nandeha tamin’izy ireo. Ombàn’ny ondry aman’osy sy omby amin’andiany be dia be.


Eny, izao no lazaiko momba ny lapan’ny mpanjakan’i Joda: Na dia tsara tahaka ny alan’i Gilehada, sy ny tendron’i Libano aza ianao amiko, dia hataoko tonga taniefitra sy tanàna tsy misy mponina.


Mihoatra noho ny fitomanian’ny mponina tao Jahizera no itomaniako anao, ry voly voaloboka any Sibmà, fa ny sampanao nandadilady hatrany ampitan’ny Ranomasina Maty ka tafapaka hatrany Jahizera. Kinanjo ilay mpandrava nandripaka ny fiotazanao sy ny fijinjànao.


Fa i Israely kosa haveriko amin’ny kijana fiandrasana azy, ka hirao-bilona any Karmela sy any Basàna; ary eo an-tendrombohitr’i Efraîma sy ao Gilehada no hahafa-po sy hahavoky azy.


Moa tsy misy balisama mampitony na dokotera ve any Gilehada? Nahoana no tsy mety sitrana ny ratran’ny fireneko?


TOMPO ô, ny tehinao no ento miandry ny vahoakanao, dia ny andianondry fanananao, izay mitoka-monina eo amin’ny tany be akata voahodidina saha mahavokatra; aoka izy handrasana any Basàna sy Gilehada tahaka ny tamin’ny andro taloha.


Naniraka olona hisafo an’i Jahezera i Mosesy; dia nalain’ny Israelita izany tanàna izany sy ireo tanàna kely miankina aminy ary noroahiny ny Amôrita izay nipetraka tao.


dia niteny tamin’i Mosesy sy i Elehazara mpisorona ary ny filohan’ny fiangonana izy roa tonta ka nanao hoe:


Ny vady aman-janakay sy ny ondry aman’osinay ary ny biby hafa rehetra fiompinay dia hajanonay eto amin’ny tanànan’i Gilehada;


–I Hatarôta sy i Dibôna, i Jahezera sy i Nimrà, i Hesbôna sy i Elehale, i Sebama sy i Nebao ary i Behôna dia tanàna


sy i Hatarôta-Sôfàna, i Jahezera sy i Jôgbôhà


Nahazo ny zaratany tsara indrindra ho azy izy, dia anjara voatokana ho an’ny mpifehy; avy eo niaraka tamin’ny lehiben’ny vahoaka izy ka nanao ny marina soritan’ny TOMPO sy ny fitsipiny hanasoavana an’i Israely.»


Ny faritaniny dia mahafaoka ny tanàna Jahezera, ny tanàna rehetra ao Gilehada, ary ny antsasaky ny tanin’ny Hamônita tafapaka hatrany Harôhera akaikin’i Rabà;


Dia naniraka an’i Pinehasa zanakalahin’i Elehazara mpisorona ry zareo hiresaka amin’ny taranak’i Reobena sy taranak’i Gada ary antsasa-pokon’i Manase any Gilehada.


Lasa nody tany aminy tokoa ny vatan-dehilahy taranak’i Reobena sy taranak’i Gada ary anisan’ny antsasa-pokon’i Manase. Tao Silao amin’ny tany Kanahàna ry zareo no nandao ny Israelita hafa mba hankany amin’ny tany Gilehada izay zaratany azony araka ny baiko nampitain’ny Tompo tamin’ny alalan’i Mosesy.


Satria ny zavatra rehetra izay ao amin’izao tontolo izao, izany hoe ny filàndratsin’ny maha olona mpanota sy ny fitsiriritan-javatra hitan’ny maso ary ny rehaka momba izao fiainana izao, dia tsy avy amin’ny Ray, fa avy amin’izao tontolo izao.


Nahoana ianareo no nijanona teny anelanelan’ny vala hihaino ny siotsiokan’ny mpiandry ondry? Tao amin’ny fokon’i Reobena tokoa dia adihevitra tsisy farany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra