11 Ary raha tsy manan-drahalahin-dray izy, dia ny havany akaiky azy indrindra ao amin’ny tarika misy azy no homenareo ny zara taniny, ka dia izy no handova izany. Ho fomba fanao hitondrana ny Israelita izany, araka izay nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.
11 Ary raha tsy manan-drahalahy ny rainy dia ny havany akaiky azy amin’ny fianakaviany no homenareo ny zarataniny, koa izy no handova azy. Ho lalàna hitondrana ny Zanak’Israely izany araka ny didy nomen’NY TOMPO an’i Mosesy.

11 Ary raha tsy manan-drahalahin-dray izy, dia izay havany akaiky indrindra ao amin’ny fokony no homenareo ny lovany, ka dia izay no tompony. Ho lalàna mametra ny rariny ho an’ny zanak’i Israely izany, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.»
11 Ary raha tsy manan-drahalahy ny rainy, dia ny havany akaiky azy amin’ny fokony no homenareo ny zara-taniny, ka izy no handova azy: ho lalàna hitondrana ny Zanak’Isiraely izany, araka izay nandidian’i Jehovah an’i Mosesy.
11 Ary raha tsy manan-drahalahy ny rainy, dia ny havany akaiky azy amin'ny fokony no homenareo ny zara-taniny, ka izy no handova azy: ho lalàna hitondrana ny Zanak'Isiraely izany araka izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
11 Ary raha tsy manan-drahalahy ny rainy dia ny havany akaiky azy amin’ny fianakaviany no homenareo ny zarataniny, koa izy no handova azy. Ho lalàna hitondrana ny Zanak’Israely izany araka ny didy nomen’NY TOMPO an’i Mosesy.
Araka izay nolazain’ny TOMPO, dia tonga tany amiko tao an-kianja fiambenana tokoa i Hanamèla zana-drahalahin-draiko, ka niteny tamiko hoe: –Tokony hovidinao ny sahako izay ao Hanatôta ao amin’ny tanin’i Benjamîna, fa ianao no havako akaiky ka manan-jo hanavotra sy hanana azy. Koa fantatro tamin’izay fa ny TOMPO tokoa no efa niteny tamiko.
«Raha tàhiny misy mihamahantra ny mpiray firenena aminao ka mivarotra ampahany amin’ny taniny, dia ho avy ny havany akaiky ka hanavotra izay tany amidiny.
na ny rahalahin-drainy, na ny zana-drahalahin-drainy, na ny anankiray amin’ireo havany akaiky; mahazo miavo-tena koa izy, raha tàhiny manana ny ampy ho an’izany.