Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 27:11 - Baiboly Katolika

11 Ary raha tsy manan-drahalahin-dray izy, dia izay havany akaiky indrindra ao amin’ny fokony no homenareo ny lovany, ka dia izay no tompony. Ho lalàna mametra ny rariny ho an’ny zanak’i Israely izany, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

11 Ary raha tsy manan-drahalahy ny rainy dia ny havany akaiky azy amin’ny fianakaviany no homenareo ny zarataniny, koa izy no handova azy. Ho lalàna hitondrana ny Zanak’Israely izany araka ny didy nomen’NY TOMPO an’i Mosesy.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

11 Ary raha tsy manan-drahalahin-dray izy, dia ny havany akaiky azy indrindra ao amin’ny tarika misy azy no homenareo ny zara taniny, ka dia izy no handova izany. Ho fomba fanao hitondrana ny Israelita izany, araka izay nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

11 Ary raha tsy manan-drahalahin-dray izy, dia ny havany akaiky azy indrindra ao amin’ny tarika misy azy no homenareo ny zara taniny, ka dia izy no handova izany. Ho fomba fanao hitondrana ny Israelita izany, araka izay nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

11 Ary raha tsy manan-drahalahy ny rainy, dia ny havany akaiky azy amin’ny fokony no homenareo ny zara-taniny, ka izy no handova azy: ho lalàna hitondrana ny Zanak’Isiraely izany, araka izay nandidian’i Jehovah an’i Mosesy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

11 Ary raha tsy manan-drahalahy ny rainy, dia ny havany akaiky azy amin'ny fokony no homenareo ny zara-taniny, ka izy no handova azy: ho lalàna hitondrana ny Zanak'Isiraely izany araka izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

11 Ary raha tsy manan-drahalahy ny rainy dia ny havany akaiky azy amin’ny fianakaviany no homenareo ny zarataniny, koa izy no handova azy. Ho lalàna hitondrana ny Zanak’Israely izany araka ny didy nomen’NY TOMPO an’i Mosesy.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 27:11
7 Rohy Ifampitohizana  

Dia tonga tatỳ amiko tokoa tao amin’ny kianja fiambenana araka ny tenin’i Iaveh i Hananeela zana-drahalahin-draiko, ka nanao tamiko hoe: «Mba vidio ny sahako ao Anatôta, amin’ny faritanin’i Benjamina, fa manana ny rariny handoavanao sy hanavotanao azy ianao, ka mba vidio àry.» Fantatro tamin’izany fa tenin’i Iaveh izany.


Raha tonga mahantra ny rahalahinao ka ivarotany ny sasany amin’ny taniny, dia ny solony, ny havany akaiky, no ho avy ka hanavotra izay namidin’ny rahalahiny.


na ny rahalahin-drainy, na ny zana-drahalahin-drainy mahazo manavotra azy; na ny iray amin’ny havany akaiky mahazo manavotra azy; na ny tenany, rehefa mba mahazo harena izy, dia hiavo-tena.


Raha tsy manan-drahalahy izy, dia ny rahalahin-drainy no homenareo ny lovany.


Ireo lalàna ireo, dia mametra ny rariny harahinareo, ianareo sy ny taranakareo na aiza na aiza honenanareo.


Dia natao araka izany hatramin’izay andro izay ka atỳ aoriana, dia nataon’i Davida lalàna sy fitsipika izany mandraka androany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra