Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 26:11 - DIEM PROTESTANTA

11 Kanefa ireo zanakalahin’i Kôra kosa tsy mba maty.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

11 Ireo zanak’i Kora kosa anefa dia tsy mba maty.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

11 Kanefa ireo zanakalahin’i Kôra kosa tsy mba maty.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

11 Fa tsy maty ny zanak’i Kôre.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

11 Kanefa ny zanak’i Kora tsy mba maty.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

11 Kanefa ny zanak'i Kora tsy mba maty.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

11 Ireo zanak’i Kora kosa anefa dia tsy mba maty.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 26:11
19 Rohy Ifampitohizana  

Taranak’i Kehata: i Jitsehara zanakalahin’i Kehata, i Kôra zanakalahin’i Jitsehara, i Asiry zanakalahin’i Kôra


I Saloma, zanakalahin’i Kôrà sy zafin’i Abiasafa ary zafiafin’i Kôra, mbamin’ny Kôrahita havany satria fianakaviana iray razana aminy, ireo no mpanao fanompoana amin’ny fiandrasana ilay varavaran’ny Tranolay fihaonana; ary ny razany koa dia mpiandry an’ilay varavaran’ny tobin’ny TOMPO.


Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira. Tononkalo fananarana nataon’ny terak’i Kôra.


Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira; tononkalo fananarana nataon’ireo terak’i Kôra.


Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira. Hampiarahina amin’ny gitara. Tononkalo fananarana nataon’ireo terak’i Kôra. Tononkiram-pitiavana.


Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira. Hampiarahina amin’ny zava-maneno avo feo. Tononkira nataon’ireo terak’i Kôra.


Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira. Salamo nataon’ireo terak’i Kôra.


Tononkira. Salamo nataon’ireo terak’i Kôra .


Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira. Salamo nataon’ireo terak’i Kôra.


Salamo nataon’i Asafa . Ny TOMPO Andriamanitra Avo Indrindra no miteny ka miantso ny olona eran’ny tany, dia hatreo amin’izay iposahan’ny masoandro ka hatrany amin’izay ilentehany.


Ny zanakalahin’i Kôra dia i Asira sy i Elkanà ary i Abiasafa; ireo no razamben’ny tarika kôrahita.


Nanalavitra ny manodidina ny fonenan’i Kôra sy i Datàna ary i Abirama ny vahoaka. Dia nivoaka ny lainy i Datàna sy i Abirama ka nijoro teo am-baravarana niaraka tamin’ny vady aman-janany rehetra.


Nisokatra ny tany ka nitelina azy ireo mbamin’ny fianakaviany ary koa nitelina an’i Kôra sy ny olony rehetra mbamin’ny fananany rehetra.


Nidina velona tany amin’ny fonenan’ny maty izy ireo mbamin’izay azy rehetra, ary dia nandrakotra azy ny tany. Tsy hita intsony teo amin’ny fiangonana izy ireo.


ka niteny tamin’i Kôra sy ny namany hoe: –Rahampitso dia hasehon’ny TOMPO izay Azy sy izay masina ary izay afaka manakaiky Azy; dia izay hofidiny no hampanakaikeziny Azy.


Ny taranak’i Simehôna, araka ny tarika tao aminy, dia izao: ny Nemoelita avy tamin’i Nemoela; ny Jaminita avy tamin’i Jamina; ny Jakinita avy tamin’i Jakina;


Teo koa ny namelezan’ny TOMPO an’i Datàna sy i Abirama izay samy zanakalahin’i Eliaba, taranak’i Reobena; teo afovoan’ny Israelita rehetra no nisokafan’ny tany sy nitelemany azy roa lahy mbamin’ny ankohonany sy ny lainy ary ny olona rehetra mpomba azy.


Ny ray aman-dreny tsy hatao maty amin’ny ataon’ny zanany ary ny zanaka tsy hatao maty amin’ny ataon’ny ray aman-dreniny; fa samy hatao maty amin’ny fahotany avy ny isam-batan’olona.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra