Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 26:10 - DIEM PROTESTANTA

10 Nisokatra ny tany ka nitelina azy ireo mbamin’i Kôra, tamin’ny andro nahafatesan’ny tariny sy nandevonan’ny afo lehilahy 250 izay natao ho ohatra ho an’ny vahoaka sisa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

10 kanefa nisokatra ny tany ka nitelina azy ireo mbamin’i Kora, tamin’ny nahafatesan’izany antokony izany ary levon’ny afo koa ny dimampolo sy roanjato lahy ka tonga fananarana.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

10 Nisokatra ny tany ka nitelina azy ireo mbamin’i Kôra, tamin’ny andro nahafatesan’ny tariny sy nandevonan’ny afo lehilahy 250 izay natao ho ohatra ho an’ny vahoaka sisa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

10 ary nivava ny tany nitelina azy ireo mbamin’i Kôre, raha levona izany antokony izany, ka voadoron’ny afo ny lehilahy 250, ka tonga fananarana izy ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

10 ary nisokatra ny tany ka nitelina azy mbamin’i Kora, tamin’ny nahafatesan’izany antokony izany, ary levon’ny afo koa ny dimam-polo amby roan-jato lahy ka tonga fananarana.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

10 ary nisokatra ny tany ka nitelina azy mbamin'i Kora, tamin'ny nahafatesan'izany antokony izany, ary levon'ny afo koa ny dimam-polo amby roan-jato lahy ka tonga fananarana.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

10 kanefa nisokatra ny tany ka nitelina azy ireo mbamin’i Kora, tamin’ny nahafatesan’izany antokony izany ary levon’ny afo koa ny dimampolo sy roanjato lahy ka tonga fananarana.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 26:10
15 Rohy Ifampitohizana  

Nandritra ny efapolo taona no nihinanan’ny Israelita ny mana, ambara-pahatongany tany amin’ny tany misy mponina, izany hoe mandra-pidirany teo amin’ny sisin-tanin’i Kanahàna.


Ny Jodeanina rehetra izay nentina ho babo atỳ Babilôna dia hampiasa ny anaran’izy roa lahy ho oha-panozonana ka hilaza hoe: Hataon’ny TOMPO tahaka izay nanjo an’i Tsedekià sy i Ahaba izay nodoran’ny mpanjakan’i Babilôna tamin’ny afo anie ianao!


Hifanandrina aminy Aho ka hataoko tonga oha-pitenenana izy ary hoesoriko tsy ho eo amin’ny vahoakako. Amin’izay dia hoekenareo fa Izaho no TOMPO.


hikomy amin’i Mosesy. Nanampy azy ireo tamin’izany ny Israelita miisa 250 izay samy lohandoham-piangonana sady olom-boafidy ary manan-daza.


Ny fitaovam-panembohan’ireo olona matin’ny fahotany ireo dia hatao takelaka manify handrakofana ny alitara, fa efa naterina teo anatrehako TOMPO ireny ka masina; ary dia ho marika fampitandremana ho an’ny Israelita izany.


–Maty tany an-taniefitra ny rainay, nefa tsy mba isan’ny tarik’i Kôra izay niara-nioko hiodina tamin’ny TOMPO; fa matin’ny fahotany ihany izy, nefa tsy nanan-janakalahy.


Teo koa ny namelezan’ny TOMPO an’i Datàna sy i Abirama izay samy zanakalahin’i Eliaba, taranak’i Reobena; teo afovoan’ny Israelita rehetra no nisokafan’ny tany sy nitelemany azy roa lahy mbamin’ny ankohonany sy ny lainy ary ny olona rehetra mpomba azy.


Ho famantarana sy fampitandremana hatrany hatrany ireny ho anareo sy ho an’ny taranakareo.


Ny tanàna Sôdôma sy Gômôra dia nohelohin’Andriamanitra ka noravany nanjary lavenona ary nataony fananarana ho an’ireo tsy miraiki-po aminy momba izay loza mety hihatra.


toy izany koa ny mponina tao Sôdôma sy Gômôra mbamin’ireo tanàna manodidina: nanao fitondrantena maloto izy ireo ary lasa nivarilavo amin’ny zavatra tsy tokony hatao, ka raiso ho fananarana satria afo maharitra mandrakizay no sazy mihatra aminy.


«Ary ho porofon’ny teny voalazako taminao izay hanjo ny zanakao roa lahy, dia i Hôfnỳ sy i Pinehasa izany: andro iray ihany no hahafatesan’izy mirahalahy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra