Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 24:10 - DIEM PROTESTANTA

10 Vinitra aoka izany tamin’i Balahama i Balàka ka niteha-tanana handrahona azy sady nanao taminy hoe: –Hanozona ny fahavaloko no niantsoako anao, kanefa fanintelony izao ianao no nitsodrano azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

10 Dia nirehitra tamin’i Balama ny fahatezeran’i Balaka ka niteha-tanana izy sady niteny tamin’i Balama hoe: Hanozona ny fahavaloko no niantsoako anao, kanefa dia efa nitsodrano azy intelo ianao izao!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

10 Vinitra aoka izany tamin’i Balahama i Balàka ka niteha-tanana handrahona azy sady nanao taminy hoe: –Hanozona ny fahavaloko no niantsoako anao, kanefa fanintelony izao ianao no nitsodrano azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

10 Dia nirehitra tamin’i Balaama ny fahatezeran’i Balàka, ka niteha-tanana izy; ary hoy i Balàka tamin’i Balaama hoe: «Ny hanozona ny fahavaloko no niantsoako anao, kanjo ny mitso-drano azy ihany kosa no nataonao efa intelo izao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

10 Dia nirehitra tamin’i Balama ny fahatezeran’i Balaka, ka niteha-tànana izy; dia hoy izy tamin’i Balama: Hanozona ny fahavaloko no niantsoako anao, kanjo efa nitso-drano azy intelo hianao izao.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

10 Dia nirehitra tamin'i Balama ny fahatezeran'i Balaka, ka niteha-tanana izy; dia hoy izy tamin'i Balama: Hanozona ny fahavaloko no niantsoako anao, kanjo efa nitso-drano azy intelo ianao izao.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

10 Dia nirehitra tamin’i Balama ny fahatezeran’i Balaka ka niteha-tanana izy sady niteny tamin’i Balama hoe: Hanozona ny fahavaloko no niantsoako anao, kanefa dia efa nitsodrano azy intelo ianao izao!

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 24:10
15 Rohy Ifampitohizana  

Tsy mba nitsena sakafo sy rano ny Israelita manko ry zareo, fa nanamby an’i Balahama hanozona azy; kanjo nampodîn’Andriamanitsika ho fitahiana kosa ny fanozonana.


Mitehaka noho ny fahavoazany kosa ny olona sady manakora azy nandao fonenana.


«Ry ilay taranak’olombelona, ijoroy ny maha-mpaminany anao ka ambarao amin’ny olona fa izao no lazain’ny TOMPO: ‹Indro misy sabatra, dia sabatra voaranitra sady mangirana!


Miantsoa vonjy ianao ary midradradradrà, ry ilay taranak’olombelona, satria izany sabatra izany dia mihatra amin’ny vahoakako; iharan’io sabatra io koa ny mpitondra rehetra eto Israely, ka ho ringan-tsabatra miaraka amin’ny vahoakako ireo. Koa aoka ianao handondon-tratra


«Koa indro Aho hamely mafy anareo, ry mponin’i Jerosalema, noho ireo harena nangoninareo tsy an-drariny sy ireo vonoan’olona nataonareo.


«Ilay vahoaka izay niala tany Ejipta dia mandrakotra ny taniko. Koa mba tongava atỳ re ianao, hanozona azy; angamba haharesy azy aho amin’izay ka haharoaka azy.»


Fa hitafotafo mihitsy ny voninahitra izay homeko anao, ary hataoko avokoa izay holazainao amiko rehetra. Koa mba tongava atỳ re ianao hanozona io vahoaka io.»


Koa mba tongava atỳ re ianao hanozona io vahoaka io, fa mahery noho izaho izy; angamba haharesy azy aho amin’izay ka haharoaka azy hiala amin’ny tany. Satria fantatro fa izay tsofinao rano dia voatsodrano ary izay ozoninao dia voaozona.»


Dia hoy i Balàka tamin’i Balahama: –Fa inona izao nataonao tamiko izao? Hanozona ny fahavaloko no nitondrako anao atỳ, kanefa dia ny nitsodrano azy indray no nataonao!


Noho izany, dia mandehana mody any amin’ny taninao any! Nampanantena aho ny hanome voninahitra mitafotafo anao, nefa indro ny TOMPO fa nisakana ny hahazoanao izany.


Mamita-mandry toy ny liona na tahakan’ny bibidia masiaka izy, koa zovy no sahy hanaitra azy? «Eny hotahîna anie izay hitsodrano anao, ry Israely, ary ho voaozona kosa anie izay hanozona anao!»


Intelo niverina izany, dia nakarina manontolo tany an-danitra indray ilay zavatra.


Kanefa ny TOMPO Andriamanitrareo tsy nety nihaino an’i Balahàma, fa nampody ny fanozonana ho fitahiana anareo IZY noho ny fitiavany anareo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra