Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 23:26 - DIEM PROTESTANTA

26 Fa hoy ny navalin’i Balahama azy: –Moa tsy efa niteny taminao ve aho fa izay rehetra holazain’ny TOMPO ihany no hataoko?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

26 Fa namaly an’i Balaka kosa i Balama hoe: Tsy efa nilaza taminao va aho hoe: Izay rehetra holazain’NY TOMPO ihany no hataoko?

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

26 Fa hoy ny navalin’i Balahama azy: –Moa tsy efa niteny taminao ve aho fa izay rehetra holazain’ny TOMPO ihany no hataoko?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

26 Fa hoy ny navalin’i Balaama an’i Balàka nanao hoe: «Moa tsy efa niteny taminao va aho nanao hoe: izay lazain’i Iaveh, hataoko avokoa?»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

26 Fa namaly kosa Balama ka nanao tamin’i Balaka hoe: Tsy efa nilaza taminao va aho ka nanao hoe: Izay rehetra holazain’i Jehovah, izany no hataoko?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

26 Fa namaly kosa Balama ka nanao tamin'i Balaka hoe; Tsy efa nilaza taminao va aho ka nanao hoe: Izay rehetra holazain'i Jehovah, izany no hataoko?

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 23:26
12 Rohy Ifampitohizana  

Fa hoy i Mikaià hoe: –Velona ny TOMPO, ka mianiana aho fa izay lazain’ny TOMPO amiko ihany no hambarako.


Fa hoy i Mikaià hoe: –Velona ny TOMPO, ka mianiana aho fa izay lazain’Andriamanitra ihany no hambarako.


Fa hoy i Balahama namaly ireo mpanompon’i Balàka: –Na dia homen’i Balàka volafotsy sy volamena mahafeno ny tranony aza aho, dia tsy afaka hanao zavatra na kely na lehibe izay mifanohitra amin’ny tenin’ny TOMPO Andriamanitro.


Dia hoy i Balahàma tamin’i Balàka: –Indro aho efa tonga eto aminao ankehitriny. Nefa inona moa no azoko lazaina aminao afa-tsy izay teny hataon’Andriamanitra ao am-bavako ihany?


Dia lasa izy niverina tany amin’i Balàka izay mbola teo anilan’ny sorona nataony sady tafaraka tamin’ny olo-manan-kaja môabita. Ary hoy i Balàka taminy: –Inona no nolazain’ny TOMPO?


Dia hoy i Balàka tamin’i Balahama: –Rehefa tsy hanozona ny Israelita ianao, dia aoka mba tsy hitsodrano azy kosa!


Dia hoy koa i Balàka tamin’i Balahama: –Andao fa hoentiko any amin’ny toeran-kafa indray ianao; angamba hoeken’Andriamanitra amin’izay ny hanozonanao io vahoaka io any.


Dia hoy i Balahama tamin’i Balàka: –Mijanòna ihany eto akaikin’ny sorona dorana manontolo natolotrao, fa izaho kosa hihataka kely hijery raha ho avy hihaona amiko ny TOMPO na tsia; koa izay hasehony amiko dia hambarako anao. Ary lasa i Balahama nankany amin’ny tendrombohitra anankiray mangadihady.


Fa novalian’i Petera sy ny apôstôly hoe: –Andriamanitra no tsy maintsy ekena fa tsy ny olombelona.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra