Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 20:11 - DIEM PROTESTANTA

11 Ningain’i Mosesy ny tanany ka nokapohiny indroa tamin’ny tehiny ny vatolampy; dia niboiboika be ny rano ka samy nisotro avokoa ny olon-drehetra mbamin’ny biby fiompiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

11 Ary nanainga ny tanany i Mosesy ka nikapoka ny vatolampy indroa tamin’ny tehiny. Dia niboiboika be dia be ny rano ka nisotro avokoa ny fiangonana sy ny biby fiompiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

11 Ningain’i Mosesy ny tanany ka nokapohiny indroa tamin’ny tehiny ny vatolampy; dia niboiboika be ny rano ka samy nisotro avokoa ny olon-drehetra mbamin’ny biby fiompiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

11 Dia naingain’i Môizy ny tanany, ary nokapohiny indroa tamin’ny tehina ny vatolampy, ka niboika be dia be ny rano, dia nisotro avokoa ny fiangonana sy ny biby fiompiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

11 Ary Mosesy dia nanainga ny tànany ka nikapoka ny vatolampy indroa tamin’ny tehiny; dia niboiboika be dia be ny rano, ka nisotro avokoa ny fiangonana sy ny biby fiompiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

11 Ary Mosesy dia nanainga ny tànany ka nikapoka ny vatolampy indroa tamin'ny tehiny; dia niboiboika be dia be ny rano, ka nisotro avokoa ny fiangonana sy ny biby fiompiny.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

11 Ary nanainga ny tanany i Mosesy ka nikapoka ny vatolampy indroa tamin’ny tehiny. Dia niboiboika be dia be ny rano ka nisotro avokoa ny fiangonana sy ny biby fiompiny.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 20:11
24 Rohy Ifampitohizana  

Fa tamin’ny nampiakarana azy voalohany, dia tsy teo ianareo; noho izany, dia nasian’ny TOMPO Andriamanitsika mafy izahay satria tsy nanontany Azy araka ny fitsipika.


Tamin’izay i Davida dia nilaza hoe; –Aza misy mitondra ilay Vatamasina afa-tsy ny levita ihany, satria ireo no efa nofidin’ny TOMPO hitondra ny Vatamasiny sy hanao ny fanompoana momba izany hatrany hatrany.


Nosokafany ny vatolampy, dia nigororoana ny rano ka zary renirano nizotra teny an-tany hay.


fa manova ny vatolampy ho farihy Izy, mahatonga ny karaobato ho loharano!


Nanokafanao lalana ny loharano sy ny sakeli-drano, ary nataonao tankina ny ony tsy mety ritra.


Namaky vatolampy tany an-taniefitra Izy, ka nampisotro azy tamin’ny loharano nitosaka avy any amin’ny fanambanin’ny tany;


rano mandriaka no navoakany avy amin’ny harambato ka nataony nikoriana tahaka ny renirano.


Marina fa nikapoka vatolampy Izy ka nampigororoana rano avy ao hanjary riaka mibosasaka. Saingy ho hainy ve ny hanome mofo na hamatsy hena ny vahoakany?»


Izaho kosa dia hijoro eo anoloanao, eo ambonin’ny harambato eny an-tendrombohitra Hôreba; hokapohinao ny harambato, dia hamoaka rano hosotroin’ny vahoaka. Dia notanterahin’i Mosesy teo imason’ny loholon’i Israely izany baiko izany.


Fa hanao zavatra vaovao Aho; ary ankehitriny efa mipoitra sahady izany, ka ho hainareo fantarina tokoa. Eny, hisava lalana any an-taniefitra Aho sady hampandriaka ony an-tany karakaina.


Tsy nangetaheta ireo olony tamin’ny nitondrany azy tany an-taniefitra. Nampiboiboika rano ho azy avy tamin’ny vatolampy Izy: eny, novakîny ny vatolampy ka nandriaka ny rano.


Izaho no mpiandry anao; fony ianao tany an-taniefitra tany amin’ny tany karankaina.


Tamin’izay kosa dia samy naka ny fanembohany avy ry i Nadaba sy i Abihò, zanakalahin’i Aharôna, ka nanisy vain’afo teo anatiny sy nametraka vovo-javamanitra teo ambonin’ny vain’afo ary nanolotra izany teo anatrehan’ny TOMPO: zavatra tsy mifanaraka amin’izay nandidian’ny TOMPO azy izany.


–Raiso ny tehinao, ka vorionao sy i Aharôna rahalahinao ny Israelita. Eo imason’izy ireo no hitenenanareo amin’ny vatolampy, dia hanome rano izy. Eny, hampiboiboika rano ho azy ireo avy amin’io vato io ianao, ka hampisotro ny Israelita sy ny biby fiompiny!


sady ampianaro hitandrina ny zavatra rehetra nandidiako anareo. Ary indro Aho miaraka aminareo isan’andro vaky mandra-pahatongan’ny fiafaran’izao tontolo izao.


ary nisotro fisotrom-panahy iray ihany izy rehetra; satria nisotro teo amin’ilay vatolampy ara-panahy tafara-dia taminy: ka izany vatolampy izany dia i Kristy.


Izy no nitondra anareo hitety taniefitra midadasika sy mahatahotra, izay ahitana menarana misy poizina sy maingoka; kanefa izany tany mangentana tsy misy rano izany no nampiboiboihany rano ho anareo, avy tamin’ny vatolampy mafy indrindra.


satria ny olona tezitra tsy mahefa izay marina soritan’Andriamanitra.


Dia notresahin’Andriamanitra ny vatolampy holoka tao Lehỳ ka nampiboiboika rano; dia nisotro i Samsôna ka nody indray ny heriny. Izany loharano izany dia nantsoina hoe Haîna-Kôrà na loharanon’ilay niantso vonjy, ary mbola ao mandraka androany.


Koa nahoana no tsy nohenoinao ny tenin’ny TOMPO, fa avy hatrany ianao dia niantoraka tamin’ny remby, ary nanao izay nampalahelo ny TOMPO?


Ka hoy ny navalin’i Saoly azy: –Efa nanota tokoa aho, satria nandika ny didin’ny TOMPO sy ny teninao. Natahotra ny miaramila manko aho, ka nanaraka ny teniny.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra