12 Fa niteny tamin’i Mosesy sy i Aharôna ny TOMPO ka nanao hoe: –Satria tsy nino Ahy ianareo ka tsy naneho ny fahamasinako teo anatrehan’ny Israelita, dia tsy hitondra ity fiangonana ity ho any amin’ny tany izay omeko azy ianareo.
12 Fa niteny tamin’i Mosesy sy i Aharôna ny TOMPO ka nanao hoe: –Satria tsy nino Ahy ianareo ka tsy naneho ny fahamasinako teo anatrehan’ny Israelita, dia tsy hitondra ity fiangonana ity ho any amin’ny tany izay omeko azy ianareo.
12 Fa hoy i Iaveh tamin’i Môizy sy i Aarôna: «Noho ianareo tsy nino Ahy, mba hanamasina Ahy, eo imason’ny zanak’i Israely, dia tsy hampiditra ity fiangonana ity any amin’ny tany izay omeko azy ianareo.»
Nifoha maraina koa ireto Jodeanina sy mponin’i Jerosalema ny ampitso, dia niainga nankany amin’ny taniefitr’i Tekôa. Teo am-piaingàny, dia nitsangana i Jôsafata ka nanao hoe: –Mihainoa ahy ianareo, ry Jodeanina sy ry mponin’i Jerosalema. Matokia ny TOMPO Andriamanitrareo, dia tsy ho voahozongozona ianareo; matokia ny mpaminaniny, dia handresy ianareo!
Miaraka amin’ny sorona manetona hanitra ankasitrahiko no handraisako tsara anareo, rehefa havoakako avy eo anivon’ny firenen-kafa ianareo sy hovoriko avy any amin’ny tany izay nampielezako anareo. Ka ny hataoko aminareo no hanehoako ny maha Andriamanitra Masina Ahy eo imason’ny firenen-kafa.
Nefa na dia nanimbazimba Ahy teo imason’ireny aza ianareo, dia hasehoko azy kosa fa Andriamanitra lehibe sy masina Aho, ary ianareo no hampiasaiko hanehoako izany. Amin’izay dia hoeken’ireo fa Izaho no TOMPO; teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.
Dia hoy i Mosesy tamin’i Aharôna: –Efa voalazan’ny TOMPO izany, fony Izy nanao hoe: «Izay hanakaiky Ahy dia tiako hanaja ny fahamasinako, ary hanome voninahitra Ahy eo anatrehan’ny vahoaka rehetra.» Dia nanao hiram-pisaonana i Aharôna.
Raha toy izany no hanaovanao ahy, dia vonoy mihitsy aho ho faty. Izany ahay no hanehoanao hatsarampo amiko; fa aza avela hahita ny fahoriako intsony aho.
–Efa hampodina any amin’ny razany i Aharôna, fa tsy hiditra any amin’ny tany izay nomeko ny Israelita satria tsy nankatò ny teniko teo amin’ny ranon’i Meribà ianareo.
Fa tsy nankatò ny didiko ianareo mirahalahy tany an-taniefitr’i Tsina, raha nila ady tamiko ny fiangonana; tsy naneho ny fahamasinako teo anatrehany manko ianareo, fony nitaky rano tamiko izy. Ny amin’ny ranon’i Meribà tany Kadesy, tao an-taniefitr’i Tsina, no lazaina etoana.
Dia hoy i Jesoa: –Karazan’olona tsy mino sady be siasia ianareo! Mandra-pahoviana no hitoerako eto aminareo? Mandra-pahoviana no handeferako aminareo? Ento atỳ amiko ny zaza!
Tsy very finoana ny amin’ny fampanantenana izay nataon’Andriamanitra i Abrahama, fa vao mainka aza nankahery azy ny finoany; ka dia nanome voninahitra an’Andriamanitra izy,
Dia hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Io tany io no nampanantenaiko ombàm-pianianana tamin’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba, fony ireo nilazako hoe: «Homeko ny taranakareo ity tany ity.» Nataoko nahita maso azy ianao, nefa tsy ho tafita eny.
Ary tezitra tamiko ny TOMPO noho ny aminareo ka nianiana fa tsy hita an’i Jôrdàna aho, na hiditra any amin’ny tany soa izay omen’ny TOMPO Andriamanitrareo ho fanananareo.
–Efa maty i Mosesy mpanompoko; koa mitsangàna ankehitriny ianao sy ireto vahoaka rehetra ireto ka mità ity renirano Jôrdàna ity mba hiditra ao amin’ny tany izay omeko ny Israelita.
fa i Kristy no hajao ho Tompo ao am-ponareo. Aoka ho vonona mandrakariva ianareo hamaly izay rehetra manontany anareo ny amin’ny fanantenana ao anatinareo,