Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 20:10 - DIEM PROTESTANTA

10 Novorin’izy sy i Aharôna teo anoloan’ny vatolampy ny fiangonana ka noteneniny hoe: –Henoinareo, ry mpiodina: Moa afaka hamoaka rano ho anareo avy amin’ity vato ity va izahay?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

10 Ary novorin’i Mosesy sy i Arona teo anoloan’ny vatolampy ny fiangonana ka hoy izy: Mihainoa, ry mpikomy! Moa avy amin’ity vatolampy ity va no hampivoahanay rano ho anareo?

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

10 Novorin’izy sy i Aharôna teo anoloan’ny vatolampy ny fiangonana ka noteneniny hoe: –Henoinareo, ry mpiodina: Moa afaka hamoaka rano ho anareo avy amin’ity vato ity va izahay?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

10 Manaraka izany novorin’i Môizy sy i Aarôna teo anoloan’ny vatolampy ny fiangonana, ka hoy i Môizy tamin’izy ireo: «Mihainoa, ry mpiodina: hampivoaka rano ho anareo amin’ity vatolampy ity va izahay?»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

10 Dia novorin’i Mosesy sy Arona teo anoloan’ny vatolampy ny fiangonana; ka dia hoy izy: Mihainoa, ry mpiodina: Moa amin’ity vatolampy ity va no hampivoahanay rano ho anareo?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

10 Dia novorin'i Mosesy sy Arona teo anoloan'ny vatolampy ny fiangonana; ka dia hoy izy: Mihainoa, ry mpiodina: Moa amin'ity vatolampy ity va no hampivoahanay rano ho anareo?

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

10 Ary novorin’i Mosesy sy i Arona teo anoloan’ny vatolampy ny fiangonana ka hoy izy: Mihainoa, ry mpikomy! Moa avy amin’ity vatolampy ity va no hampivoahanay rano ho anareo?

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 20:10
18 Rohy Ifampitohizana  

Dia novalian’izy roa lahy hoe: –Samy nanonofy izahay, nefa tsy misy olona mahalaza ny heviny. Hoy kosa i Jôsefa hoe: –Andriamanitra ihany no afaka manome ny heviny, fa mba tantarao amiko aloha ny nofinareo.


Ka hoy ny navalin’i Jôsefa azy: –Tsy izaho fa Andriamanitra no afaka hanome azy valiny hampiadana anao, ry Farao.


rano mandriaka no navoakany avy amin’ny harambato ka nataony nikoriana tahaka ny renirano.


Izaho kosa dia hijoro eo anoloanao, eo ambonin’ny harambato eny an-tendrombohitra Hôreba; hokapohinao ny harambato, dia hamoaka rano hosotroin’ny vahoaka. Dia notanterahin’i Mosesy teo imason’ny loholon’i Israely izany baiko izany.


–Efa hampodina any amin’ny razany i Aharôna, fa tsy hiditra any amin’ny tany izay nomeko ny Israelita satria tsy nankatò ny teniko teo amin’ny ranon’i Meribà ianareo.


Izaho koa milaza aminareo hoe: izay rehetra tezitra amin’ny namana iray finoana dia mendrika hatolotra ny fitsarana isan-tanàna; izay hanao ny namana iray finoana hoe: misy kely, dia mendrika hatolotra ny Fitsarana ambony; izay hanao azy hoe: foka, dia mendrika havarina any amin’ny lohasahan’afo.


Tsy izay mamboly na izay manondraka no tena zavatra, fa Andriamanitra Izay mampitsimoka.


Raha sendra tezitra ianareo, dia aza manota: aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny fahatezeranareo.


Eny, hatramin’ny andro nahalalako anareo no ho mankatỳ, dia niodina tamin’ny TOMPO hatrany ianareo.


Eny, diso amin’ny zavatra maro isika rehetra; fa raha misy olona tsy diso mihitsy amin’ny teny, dia tanteraka izy, ka mahafehy ny tenany manontolo koa.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra