Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 2:2 - DIEM PROTESTANTA

2 –Ny Israelita dia samy hitoby eo akaikin’ny vondron-tafiny sy ny fanevan’ny fokony avy. Ny toby dia tsy maintsy manodidina ny Tranolay fihaonana kanefa lavidavitra azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

2 Samy eo amin’ny fanevany sy eo amin’ny faneva kelin’ny fianakaviany avy no hitobian’ny Zanak’Israely; manodidina ny tranolay fihaonana, sady manandrify azy, no hitobiany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

2 –Ny Israelita dia samy hitoby eo akaikin’ny vondron-tafiny sy ny fanevan’ny fokony avy. Ny toby dia tsy maintsy manodidina ny Tranolay fihaonana kanefa lavidavitra azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

2 «Ny zanak’i Israely dia samy hitoby eo akaikin’ny fanevany, sy ho eo am-pototry ny sainan’ny fokom-pianakaviany avy. Manandrify sy manodidina ny trano lay fihaonana no hitobian’izy ireo.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

2 Samy eo amin’ny fanevany sy eo amin’ny faneva kelin’ny fianakaviany avy no hitobian’ny Zanak’Isiraely; manodidina ny trano-lay fihaonana sady manandrify azy no hitobiany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

2 Samy eo amin'ny fanevany sy eo amin'ny faneva kelin'ny fianakaviany avy no hitobian'ny Zanak'Isiraely; manodidina ny trano-lay fihaonana sady manandrify azy no hitobiany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

2 Samy eo amin’ny fanevany sy eo amin’ny faneva kelin’ny fianakaviany avy no hitobian’ny Zanak’Israely; manodidina ny tranolay fihaonana*, sady manandrify azy, no hitobiany.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 2:2
23 Rohy Ifampitohizana  

Tao amin’ny faritra fihaonana aminao no nihorakorahan’ireo olona mpandrafy Anao ary nametrahany ny fanevany ho mari-pandresena.


Na dia ny fahatezeran’i Edôma aza dia hanjary fiderana Anao; ary ny olona sisa tavela any Hamata dia hataonao manaiky Anao.


Mifalia sy miravoravoa, ry mponina ao Tsiôna, fa lehibe Ilay eo anivonareo, dia Ilay Masin’i Israely.


Ianareo rehetra mponina amin’izao tontolo izao ka mipetraka eto ambonin’ny tany, mijere rehefa atsangana eny an-tendrombohitra ny faneva famantarana, mihainoa raha vao maneno ny anjomara.


Ary hoy ny Tompo tamiko: «Ry ilay taranak’olombelona, ity toerana ity no misy ny sezafiandrianako, eto no fametrahako ny tongotro. Eto no honenako mandrakizay eo anivon’ny Israelita. Na ny vahoakan’i Israely na ny mpanjakany dia tsy hanala baràka ny anarako masina intsony amin’ny fanompoan-tsampy sy amin’ny fandevenana ny fatin’ireo mpanjakany eto.


Amin’izany andro izany ny vahoakany dia hovonjen’ny Tompo Andriamaniny, ka toy ny mpiandry mamonjy ny ondriny Izy; ary ho toy ny vaton-tsatroboninahitra no hamirapiratany eo amin’ny taniny.


Fa ampiandraiketo azy kosa ny fitandremana ny Fonena-masina izay nametrahana ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana ary koa ny fanaka sy ny kojakoja rehetra momba azy. Ireo no hitondra ny Fonena-masina mbamin’ny fanaka rehetra momba azy sy hanao fanompoam-pivavahana ao aminy ary hitoby manodidina azy.


Ny fanevan’i Joda mbamin’ny antokon-tafiny no niainga voalohany. Ny tafiky ny taranak’i Joda dia notarihin’i Nahasôna, zanakalahin’i Haminadaba;


Ny fanevan’i Reobena mbamin’ny antokon-tafiny no nanainga nanaraka ireo: ny tafiky ny taranak’i Reobena dia notarihin’i Elitsora, zanakalahin’i Sedeora;


Ny fanevan’i Efraîma mbamin’ny antokon-tafiny no nanainga manaraka; ny tafiky ny taranak’i Efraîma dia notarihin’i Elisamà, zanakalahin’i Hamihoda;


Ny fanevan’i Dàna mbamin’ny antokon-tafiny no nanainga farany. Izy ireo no vodilaharana; ny tafiky ny taranak’i Dana dia notarihin’i Ahihezera, zanakalahin’i Hamisaday;


Niteny tamin’i Mosesy sy i Aharôna ny TOMPO nanao hoe:


«Amin’ny lafiny atsimo no hisy ireo tafika mivondrona ao anatin’ny tobin’i Reobena, ka ahitana mifanila ny tafika reobenita sy simehônita ary gadita. Ny vatan-dehilahy voaisa ho afa-mitam-piadiana dia hotarihin’ny filoha anankiray avy amin’ny fokony araka izao: ho an’ny fokon’i Reobena dia i Elitsora zanakalahin’i Sedeora miaraka amin’ny vatan-dehilahy 46 500; ho an’ny fokon’i Simehôna dia i Selomiela zanakalahin’i Tsorisaday miaraka amin’ny vatan-dehilahy 59 300; ho an’ny fokon’i Gada dia i Eliafasa zanakalahin’i Dehoela miaraka amin’ny vatan-dehilahy 45 650.


«Amin’ny lafiny atsinanana no hisy ireo tafika lohalaharana mivondrona ao anatin’ny tobin’i Joda, ka ahitana mifanila ny tafika jodeanina sy jisakarita ary zebolonita. Ny vatan-dehilahy voaisa ho afa-mitam-piadiana dia hotarihin’ny filoha anankiray avy amin’ny fokony araka izao: ho an’ny fokon’i Joda dia i Nahasôna zanakalahin’i Haminadaba, miaraka amin’ny vatan-dehilahy 74 600; ho an’ny fokon’i Jisakara dia i Natanaela, zanakalahin’i Tsohara, miaraka amin’ny vatan-dehilahy 54 400; ho an’ny fokon’i Zebolòna dia i Eliaba zanakalahin’i Helôna, miaraka amin’ny vatan-dehilahy 57 400.


Rehefa niandrandra i Balahama, dia nahita ireo Israelita nitoby isaky ny fokony avy; ary notsindrian’ny Fanahin’Andriamanitra izy,


satria Andriamanitra tsy mba loharanon’ny fikorontanana fa loharanon’ny fiadanana. Araka ny fanaon’ny Fiangonana rehetra eo amin’ny vahoakan’Andriamanitra,


Aoka hatao amim-pahamendrehana sy filaminana avokoa ny zavatra rehetra.


Izao ihany: manàna fitondrantena mendrika ny Vaovao Mahafaly momba an’i Kristy. Ka amin’izany, tonga moa aho, dia hahita anareo; tsy tonga kosa, dia handre ny aminareo: ka ho fantatro fa miorina tsara amin’ny firaisam-panahy ianareo, sady miray fo miara-miezaka hampandroso ny finoana vokatry ny Vaovao Mahafaly.


Tsy mifikitra amin’i Kristy Izay loha izy ireo, kanefa i Kristy no mamelona ny tena manontolo sady mampiray azy amin’ny alalan’ny hozatra amam-pamavàny ka mampitombo azy araka ny fitomboana sitrak’Andriamanitra.


Izany no hahafantaranareo ny lalana halehanareo satria tsy mbola nandalovanareo mihitsy io lalana io talohan’izao. Kanefa aza manatona akaikin’ny Vatamasina ianareo fa aoka hisy tokony ho iray kilaometatra ny elanelanareo aminy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra