Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 2:10 - DIEM PROTESTANTA

10-15 «Amin’ny lafiny atsimo no hisy ireo tafika mivondrona ao anatin’ny tobin’i Reobena, ka ahitana mifanila ny tafika reobenita sy simehônita ary gadita. Ny vatan-dehilahy voaisa ho afa-mitam-piadiana dia hotarihin’ny filoha anankiray avy amin’ny fokony araka izao: ho an’ny fokon’i Reobena dia i Elitsora zanakalahin’i Sedeora miaraka amin’ny vatan-dehilahy 46 500; ho an’ny fokon’i Simehôna dia i Selomiela zanakalahin’i Tsorisaday miaraka amin’ny vatan-dehilahy 59 300; ho an’ny fokon’i Gada dia i Eliafasa zanakalahin’i Dehoela miaraka amin’ny vatan-dehilahy 45 650.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

10 Ny fanevan’ny tobin’i Robena no ho eo amin’ny lafiny atsimo, araka ny antokony. Ny lohan’ny taranak’i Robena dia i Elizora, zanak’i Sedeora.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

10-15 «Amin’ny lafiny atsimo no hisy ireo tafika mivondrona ao anatin’ny tobin’i Reobena, ka ahitana mifanila ny tafika reobenita sy simehônita ary gadita. Ny vatan-dehilahy voaisa ho afa-mitam-piadiana dia hotarihin’ny filoha anankiray avy amin’ny fokony araka izao: ho an’ny fokon’i Reobena dia i Elitsora zanakalahin’i Sedeora miaraka amin’ny vatan-dehilahy 46 500; ho an’ny fokon’i Simehôna dia i Selomiela zanakalahin’i Tsorisaday miaraka amin’ny vatan-dehilahy 59 300; ho an’ny fokon’i Gada dia i Eliafasa zanakalahin’i Dehoela miaraka amin’ny vatan-dehilahy 45 650.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

10 Ny fanevan’ny tobin-dRobena no ho eo amin’ny lafiny atsimo mbamin’ny antokony avy. Ny filohan’ny tarana-dRobena dia i Elizora zanak’i Sedeora.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

10 Ary ny fanevan’ny tobin’i Robena no ho eo amin’ny lafiny atsimo, araka ny antokony; ary ny lohan’ny taranak’i Robena dia Elizora, zanak’i Sedeora;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

10 Ary ny fanevan'ny tobin'i Robena no ho eo amin'ny lafiny atsimo, araka ny antokony; ary ny lohan'ny taranak'i Robena dia Elizora, zanak'Sedeora;

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

10 Ny fanevan’ny tobin’i Robena no ho eo amin’ny lafiny atsimo, araka ny antokony. Ny lohan’ny taranak’i Robena dia i Elizora, zanak’i Sedeora.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 2:10
8 Rohy Ifampitohizana  

I Reobena no lahimatoan’i Jakôba, satria izy no voalohan-terany; kanefa tamin’ny nandotoan’i Reobena ny vadikelin-drainy, dia nomena an’i Jôsefa zanakalahin’i Jakôba ny fizokiany, ka tsy voasoratra ho zokiny tao amin’ny tetiarana intsony i Reobena.


Ireto avy ny anaran’ireo lehilahy hanampy anareo: i Elitsora zanak’i Sedeòra no avy amin’ny fokon’i Reobena;


Ny fanevan’i Reobena mbamin’ny antokon-tafiny no nanainga nanaraka ireo: ny tafiky ny taranak’i Reobena dia notarihin’i Elitsora, zanakalahin’i Sedeora;


Raha miverina fanindroany ny fitsofana trômpetra arahina hoby, dia izay nitoby teo atsimo no hiainga. Fitsofana trômpetra arahin-koby no mariky ny fiaingana.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra