Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 16:7 - DIEM PROTESTANTA

7 dia asio vainafo ao anatin’ireny rahampitso ary andraraho vovo-javamanitra eo ambonin’izany eo anatrehan’ny TOMPO. Ho hita eo izay hofidin’ny TOMPO ka ho masina. Ampy izay, ry taranak’i Levỳ.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

7 dia asio afo ao anatiny ka asio ditin-kazo manitra eo aminy, eo anatrehan’NY TOMPO; koa ny lehilahy izay fidin’NY TOMPO, dia izy no ho masina. Fa ampy izay, ry taranak’i Levy!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

7 dia asio vainafo ao anatin’ireny rahampitso ary andraraho vovo-javamanitra eo ambonin’izany eo anatrehan’ny TOMPO. Ho hita eo izay hofidin’ny TOMPO ka ho masina. Ampy izay, ry taranak’i Levỳ.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

7 Rahampitso dia hasianareo afo ireo, ary zava-manitra no hataonareo eo amboniny, eo anatrehan’i Iaveh: izay hofidin’i Iaveh dia izay no masina. Ka aoka izay ry zanak’i Levỳ.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

7 dia asio afo eo anatiny ka asio ditin-kazo manitra eo aminy eo anatrehan’i Jehovah; ary ny lehilahy izay fidin’i Jehovah, dia izy no ho masina; fa aoka izay hianareo, ry taranak’i Levy!

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

7 dia asio afo eo anatiny ka asio ditin-kazo manitra eo aminy eo anatrehan'i Jehovah; ary ny lehilahy izay fidin'i Jehovah, dia izy no ho masina; fa aoka izay ianareo, ry taranak'i Levy!

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

7 dia asio afo ao anatiny ka asio ditin-kazo manitra eo aminy, eo anatrehan’NY TOMPO; koa ny lehilahy izay fidin’NY TOMPO, dia izy no ho masina. Fa ampy izay, ry taranak’i Levy!

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 16:7
10 Rohy Ifampitohizana  

Tao an-toby kosa dia nisy nialona i Mosesy sy i Aharôna ilay voatokana ho an’ny TOMPO.


Nitangorona nanodidina an’i Mosesy sy i Aharôna izy ireo ka nanao taminy hoe: –Ampy ho anareo izay, fa masina avokoa ny olona rehetra ao amin’ny fiangonana sady eo afovoany ny TOMPO. Nahoana ianareo no mihevi-tena ho ambonin’ny mambra hafa ao amin’ny fiangonan’ny TOMPO?


ka niteny tamin’i Kôra sy ny namany hoe: –Rahampitso dia hasehon’ny TOMPO izay Azy sy izay masina ary izay afaka manakaiky Azy; dia izay hofidiny no hampanakaikeziny Azy.


Izao no ataovy, ry Kôra sy ianareo namany rehetra: Makà fitaovana fandoroana zava-manitra,


Dia hoy indray i Mosesy tamin’i Kôra: –Henoy, ry taranak’i Levỳ!


Tsy mbola nahary ny tontolo Izy, dia efa nifidy antsika hiray amin’i Kristy; ka ho masina sady tsy hisy tsiny eo anatrehan’Andriamanitra isika. Noho ny fitiavany antsika,


Tsy maintsy velom-pisaorana mandrakariva an’Andriamanitra izahay ny aminareo, ry havana notiavin’ny Tompo. Fa nofidin’Andriamanitra ho toy ny santa-bokatra hatolotra Azy ianareo, ka hahazo famonjena noho ianareo voatokan’ny Fanahy Masina mba ho an’Andriamanitra ary noho ianareo nino ny hafatra marim-pototra.


Fa ianareo kosa dia taranaka voafidy, fanjaka-mpisorona, firenena masina, vahoaka natao ho fananan’Andriamanitra, mba hitory ireo asa lehibe vitan’Andriamanitra Izay niantso anareo hiala tamin’ny haizina ho any amin’ny fahazavana mahagaga.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra