Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 16:11 - DIEM PROTESTANTA

11 Izany ange ka ikomianao sy ny namanao rehetra amin’ny TOMPO, fa tsy dia amin’i Aharôna loatra akory no imonomononanareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

11 Izany no niraisanao hevitra tamin’ny namanao rehetra mba hikomy amin’NY TOMPO! Fa i Arona moa no inona no imonomononanareo?

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

11 Izany ange ka ikomianao sy ny namanao rehetra amin’ny TOMPO, fa tsy dia amin’i Aharôna loatra akory no imonomononanareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

11 Izany no hiraisanareo tetika hiodina amin’i Iaveh, ianao sy ny tarikao rehetra! Ary i Aarôna moa no inona, no izy no imonomononanareo?»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

11 Ary noho izany hianao sy ny namanao rehetra dia tafangona hiodina amin’i Jehovah; fa Arona moa no inona, no imonomononanareo?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

11 Ary noho izany ianao sy ny namanao rehetra dia tafangona hiodina amin'i Jehovah; fa Arona moa no inona, no imonomononanareo?

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

11 Izany no niraisanao hevitra tamin’ny namanao rehetra mba hikomy amin’NY TOMPO! Fa i Arona moa no inona no imonomononanareo?

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 16:11
15 Rohy Ifampitohizana  

Dia ireo no antokon’ny mpiandry vavahady tamin’ny taranak’i Kôra sy tamin’ny taranak’i Merarỳ.


Tao an-toby kosa dia nisy nialona i Mosesy sy i Aharôna ilay voatokana ho an’ny TOMPO.


Dia nila ady tamin’i Mosesy ny Israelita ka nanao taminy hoe: –Omeo rano hosotroina izahay! Fa nanontany azy ireo i Mosesy hoe: –Nahoana no mila ady amiko ianareo? Nahoana no maka fanahy ny TOMPO ianareo?


Indray andro dia nanao fitarainana tamin’ny TOMPO ireo Israelita. Rehefa nahare izany ny TOMPO, dia tezitra mafy ary nandefa ny afony ka nandoro ny vahoaka sy nandevona ny sisin’ny toby.


Dia nampiantsoin’i Mosesy i Datàna sy i Abirama zanakalahin’i Eliaba, fa hoy ireo hoe: –Tsy hiakatra any izahay!


Nitangorona nanodidina an’i Mosesy sy i Aharôna izy ireo ka nanao taminy hoe: –Ampy ho anareo izay, fa masina avokoa ny olona rehetra ao amin’ny fiangonana sady eo afovoany ny TOMPO. Nahoana ianareo no mihevi-tena ho ambonin’ny mambra hafa ao amin’ny fiangonan’ny TOMPO?


Ary hoy indray i Jesoa tamin’ny mpianany: –Izay mihaino anareo, dia mihaino Ahy; izay manamavo anareo, dia manamavo Ahy; ary izay manamavo Ahy, dia manamavo Ilay naniraka Ahy.


Lazaiko marina dia marina aminareo fa izay mandray ny hirahiko dia mandray Ahy, ary izay mandray Ahy dia mandray Ilay naniraka Ahy.


Anao ange ny tany fony mbola tsy namidy, sady rehefa namidy dia eo am-pelatananao ny vola vidiny! Ka ahoana no dia nampisy tao am-ponao izao zavatra vitanao izao? Tsy olombelona no nandainganao, fa Andriamanitra.


Koa izay manohitra ny fahefana dia mandà ny fandaharan’Andriamanitra; ary izay mandà dia mihantsy fanamelohana ho an’ny tenany.


Aoka ianareo tsy himonomonona toy ny nataon’ny sasany tamin’ireny, izay maty naripak’ilay anjely mpandringana.


Fa inona moa i Apôlao, ary inona moa i Paoly? Mpanompon’Andriamanitra fotsiny izahay, ka nahatonga anareo ho mpino samy araka izay nomen’ny Tompo hataonay avy:


Ireo mpampianatra sandoka ireo dia mpimonomonona sy mpimoimoy lava, sady miaina araka ny filàndratsiny no miavonavom-piteny, ka mandoka olona mba hahazoany tombon-tsoa.


Nefa hoy ny TOMPO tamin’i Samoela: –Ekeo ny fangatahan’ny vahoaka amin’izay rehetra lazainy aminao; satria tsy ianao akory no laviny, fa Izaho mihitsy no tsy tiany ho mpanjakany intsony.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra